Sina: Fanomezan-danja ny fitiavan-tanindrazana Han

Mbola voarara dia voarara tokoa ny miresaka ilay adim-poko ka tsy voaresaka mivantana loatra na an-tserasera na ivelan'ny serasera ny any Xinjiang. Raha halalinina ny fandikana ny herisetra eo amin'ny Oigoro sy ny Sinoa Han any Ürümqi ary raha jerena koa fa i Mongolia mpifanila vodirindrina aminy dia misy maha-neo-nazis azy, dia inona no tsoa-kevitra azo resahina tamin'ny herisetra avy amin'ny roa tonta?
Hu Ping tonian'ny Beijing Spring no namoaka tao amin'ny lahatsorany faramparany ho an'ny Radio Free Asia, raha mifandraika amin'ny politikan'ny governemanta eo an-toerana ny hatezeran'ny Oigoro, ka nitanisany ny antony maromaro manamarina izany, sady nampiasany ny fomba fiteny hoe fitiavan-tanindrazana Han. Toy izao no famaritana ny fitiavan- tanindrazana Han hita ao amin'ny Wikipedia:

“ilazàna ny hevitra manandratra ny fiaviany izay manome tombony ho an'ny Sinoa Han, vondrom-poko maro an'isa any Sina raha miohatra amin'ny vondrom-poko hafa vitsy an'isa, izay matetika dia aseho amin'ny fanamboniana kolontsaina. […] Fihoaram-pefy eo amin'ny Repoblika Entim-bahoakan'i Sina ny manao asa na miresaka izay manandratra foko sy foto-kevitra maneho fitiavan-tanindrazana Han (sy ny teny fankahalàna vitsy an'isa).”

Niteraka fanamarihana maro ny lahatsoratr'i Hu:

08/31: 本人是汉人,去过东突厥斯坦维吾尔地区。胡平先生所说的情况完全属实。该地区的大部分区域目前的汉化状况十分严重,并不断有大量的汉族移民,维族完全被边缘化。

Sinoa Han ny tenako ary efa tany amin'ny faritra atsinanan'i Turkistan misy ny Oigoro aho. Marina avokoa ny zavatra rehetra voalazan'i Hu Ping. Henjana ny politikam-pitelemana ho Han amin'ny faritra maro, ary maro ny ao amin'ny foko Han no mifindra monina any, lasa voahilikilika tanteraka ny Oigoro.

09/01: 如果是这样的话,那美国是不是也在搞英语同化政策呢讲印第安语言的人你在美国可以畅行无阻吗?共产党的干部队伍里不但是少数民族广大汉族也一样被剥夺了宗教信仰的权利啊!维吾尔人可以不受限制地生儿育女,而当地的汉族人却被国家的计划生育政策严格限制哦!作为在中国生长的汉族人,我们真的没有感到所谓的大汉族主义!

Raha toy izay ny fijerinao azy, dia tsy toy ny tamin'i Amerika nitondra ny politikan'ny fampiasana ny teny Anglisy ve? Tsy mihevitra ve ianao fa tsy manana olana amin'izany koa ny olona miteny Indiana-Amerikana [sic] ? Tao anatin'ny Fandaharan'asan'ny antoko komionista sinoa, tsy ny foko vitsy an'isa ihany no tsy nanana zo ara-pivavahana fa ny avy amin'ny maro an'isa Han koa aza! Tsy noferana ny isan'ny zaza ateraky ny Oigoro, fa ny Han kosa dia voafehin'ny politikan'ny fanjakana amin'ny famerana ny zaza teraka! Amin'ny maha teraka Han sy nanalehibiazana ahy teto Sina, tsy mahita izany antsoina hoe fitiavan-tanindrazana mihoam-pampana Han izany izahay!

09/01: 同化、融合是社会的进步,拒绝融合是没有出路的,就想在美国不会说英语还有机会进入主流社会吗?陈破空在美国不也只是一个社会的边缘人。

Ny fitelemana, ny fisisihana hiaraka amin'ny maro, maneho fivoarana eo amin'ny fiaraha-monina izany; tsy misy azo antenaina amin'ny fandàvana hiaraka amin'ny maro. Mihevitra ve ianao fa ny olona tsy mahay miteny Anglisy dia ho tafiditra anaty fiaraha-monina any Etazonia? Moa ve tsy lasa olona voahilika hafa koa any Etazonia i Chen Pokong?

09/02: 维吾尔人或图博人(Tibetan)在自己的土地上说自己的语言应该是畅行无阻,这应该就是当地主流社会的语言。

Tsy tokony hisy faneriterena amin'ny fampiasan'ny Oigoro sy ny Tibetana ny teniny eo amin'ny taniny, sady io rahateo no teny fampiasan'ny fiaraha-monina amin'ny ankapobeny.

09/02: 真会胡扯!在台湾原著民还不是要说汉语.写汉字!

Tena zavatra tsy misy fotony! Na ny tompon-tany any Taiwan aza tsy maintsy miteny sy manoratra teny Sinoa!

09/02: 真是胡评了,别忘了汉人到新疆的时间比维吾尔早

O ry Hu Ping a! aza adinoina fa ny Han anie no tonga talohan'ny Oigoro tao Xinjiang e!

09/03: 我没去过新疆,但是在我的家乡湖南,最起码我读书的两个城市:永州,长沙。还有现在在的这个城市:深圳。维族人跟我们(汉族人)比起来权利是大很多的—— 他们可以强买强卖,他们卖的价格非常高,而且看了东西一定要买,这个我们一点办法都没有的。警察可以骑在我们头上,对他们是一点办法都没有的,就是犯了事也很快出来!

Mbola tsy tao Xinjiang aho, fa raha nody tany Hunan aho dia nianatra farafahakeliny tamin'ny tanàna roa, Yongzhou sy Changsha. Izao aho eto Shenzhen. Manan-jò kokoa ny Oigoro raha oharina aminay (Han): mahazo fikarakarana kokoa ry zareo amin'ny varotra, afaka mametraka vidin'entana lafo kokoa ry zareo, ary raha mijanona ianao mijery izay amidiny, dia tsy maintsy mividy, ary tsy misy zavatra hafa azonao atao ankoatra izany. Afaka midaroka anao ny polisy nefa tsy afaka manao na inona na inona amin'izy ireo, ary raha mandika lalàna izy ireo dia vetivety dia votsotra!

09/04: 对待伊斯兰,必须大棒和胡萝卜政策同时实施,目前来看应该大棒为主。伊斯兰需要改良、进步才有出路。目前它就是反人类的宗教。

Tsy maintsy ampiasaina miaraka ny fikan'ny karaoty sy ny kibay rehefa miaraka amin'ny silamo, fa ankehitriny ny politikan'ny kibay aloha no mandeha. Mila mivoatra mihitsy aloha ny Silamo  alohan'ny hisian'ny fihatsaran-javatra. Amin'izao fotoana zao aloha izy dia mbola fivavahana tsy manaja ny maha-olombelona.

09/05: 维族被边缘化.这个基本是事实

Nahataka ny Oigoro, izay aloha ny zava-misy.

Io lahatsoratr'i Hu io dia navoaka ihany koa tao amin'ny UighurBiz, naorin'ilay mpahay toe-karena sy mpiserasera avy amin'ny foko Oigoro Ilham Tohti; Nigadra i Tohti ny volana Jolay ary navotsotra ny faran'ny volana Aogositra, ary niteraka resabe an-tserasera tato anatin'ny herinandro ny filazany ny fanohanany ny fomba fitondràna henjana ataon'ny mpitondra vaovaon'ny antoko ao Xinjiang, Zhu Hailun (manadaboka ny politikan'ny ‘tsy misambotra olona araka izay azo atao, mampihena ny famonoana, mamindra fo kokoa) manoloana heloka be vava. Ireto misy sombiny amin'ny fanamarihana voaray androany teo amin'ny vohikalan'ny UighurBiz :

*两少一宽应该取消*
伊力哈木还对乌鲁木齐刚刚上任的市委书记朱海仑宣布取消“两少一宽”(少捕少杀,一般从宽)的少数民族政策表示赞同。他认为,法律面前应该人人平等。他说,这个政策确实让少数民族中的犯罪分子获利,同时导致了汉族人的不满。

人都是一样的汉族人被针扎了才想起要王LQ下台,维吾尔人安全受到威胁了才想起取消两少一宽.还能想起自己曾经的态度吗?

伊力哈木算是维族人里面少数能够讲的通道理的人物,对民族和国家有着比较清醒的认识。不象其他在这的一群维族小喽罗根本就是屁也不懂,还去指责汉人的FF,其实也都是五十步笑百步。好好和你们老师学一学。

“Mila foanana ny politikan'ny “Roa fihenana, iray famindram-po

Naneho ny fanohanany ny fanapahan-kevitry ny filohan'ny Antoko Ürümqi vaovao Zhu Hailun i Ilham ny amin'ny hanafoanana ny politikan'ny foko “Roa fihenana, iray famindram-po” (mihena ny fisamborana olona sy ny fampiharan-tsazy, mitombo ny famindram-po). Nahatsapa i Ilham fa tokony hitovy avokoa ny olona rehetra eo anatrehan'ny lalàna, raha lazaina fa nanararaotra io politika io ny avy amin'ny foko vitsy an'isa, nefa eo andanin'izany dia mampiteraka tsi-fahafaliana eo amin'ny Han izy io.

Izany ny olona; tsy nitaky ny fialàn'i Wang Lequan ny Han raha tsy efa nanomboka ren-dry zareo tsindron-tavim-panindronana (seraingy);tsy nitaky ny fanalàna ny ‘Roa fihenana, iray famindram-po’ ny Oigoro raha tsy nanomboka nahita fa tandindonin-doza ny fandriampahalemana. Mihevitra ve ianao fa mbola mety hiverina amin'ny heviny izy ireo?

Anisan'ny olom-bitsy Oigoro mba manao resaka misy heviny i Ilham, ary mahita mazava tsara ny fahasamihafana eo amin'ny fanjakana sy ny foko. Tsy mitovy amin'irony olona manana asa zara raha asa irony izay tsy mandray ny zavatra rehetra am-pahamatorana, manao ny Han [famaritana ara-toerana] ho tsy ara-dalàna, mandray azy ireo ho toy ny vazivazy. Faly afaka nianatra zavatra avy aminao.

伊力哈木算是维族人里面少数能够讲的通道理的人物

汉族里有多少个对维族没有歧视的?

其实,新疆的很多当地汉人对维吾尔族不仅歧视而且不当人看,举个例子,6年前我在新疆出差,在乌鲁木齐延安南路路边打出租车,比我后来一个维族女孩也站在我旁边打车,冬天在乌鲁木齐往往打车需要很长时间,冻得不行了,好不容易一辆空车来了,根本没在女孩旁边停,直接停我面前了,我还好奇,上车后问司机什么不拉女孩,汉族司机说:我们不愿拉这些皮帽子(维族人)。问问什么?他说有次拉了个维族给的是假钱,我问有没有碰到汉族乘客给假钱的?他说也有。我说如果你们这样对待维族,你们不担心将来维汉矛盾越来越深吗?司机答:他们不敢,我们有枪。我再也没说话。出差3天,每次打车我都问司机愿不愿意拉维族,都是众口一词,什么维族人脾气大、不讲理、不愿意拉之类的话。后来问了当地一个维族人才知道乌鲁木齐全市有近六千俩出租车,由于维族乘客屡遭拒载,终于让200 多辆维族司机开出租,满足不了需求,没办法,很多维族人就做黑车生意了,二道桥一带的夏利基本上都是黑车。了解了情况后我心想这样的地方将来一定会出事!

没有无缘无故的爱和恨,就像一面镜子,你如何对待他人,他们也会如何对待你。不反思一下自己的所作所为,动不动给一个民族去贴标签,对一个世世代代在此繁衍的原住民族带上歧视的有色眼镜,新疆怎能不乱?

Anisan'ny olom-bitsy Oigoro mba manao resaka misy heviny i Ilham

Ary mba firy moa ny Han tsy manavakavaka ny Oigoro?

Raha ny zava-misy, amin'ny toerana maro ao Xinjiang, tsy vitan'ny manavakavaka ny Oigoro fotsiny ny Han, fa tsy mandray azy ireo akory ho olombelona. Ohatra, enin-taona lasa izay, nanao afera tany Xinjiang aho. Nizotra ho any amin'ny làlan’ i Yan'an Nan any Ürümqi aho ary niezaka ny hahazo fiarakaretsaka, ary iny nisy tovovavy Oigoro iray nanatona ary niezaka ny hahazo fiara karetsaka ihany koa. Tsy maintsy miandry ela foana vao mahazo fiara karetsaka any Ürümqi rehefa ririnina. Nangatsiaka be izahay ary nony farany nisy fiara karetsaka nalalaka nijanona ihany, nisongona ity tovovavy ary nijanona teo anoloako. Hafahafa, hoy ny eritreritro, ary rehefa tafiditra tao anatiny aho dia nanontany ny mpamily fa naninona no tsy nijanona ho an'ilay tovovavy izy. Hoy ilay mpamily (Han): tsy mitondra an'ireny mpisatroka hoditra ireny izahay (Oigoro). Nanotany aho hoe fa maninona. Hoy izy hoe indray andro izay efa nitondra Oigoro aho  izay nanome ahy vola sandoka, hany ka nanotany azy aho raha efa mba nisy mpanjifa Han efa nanome azy vola sandoka. Efa nisy hoy izy.

Raha toy izany no anaovanao ny Oigoro hoy aho, tsy manahy ve ianao fa hiharatsy kokoa ny adim-poko? Hoy ilay mpamily, tsy sahy izy ireo, manana fitaovam-piadiana izahay. Hany ka tsy nahita nolazaina intsony aho. Telo andro aho no tany, ary isaky ny mandeha fiarakaretsaka aho dia manontany foana raha manaiky ny mitondra mpandeha Oigoro ry zareo, ary mahazo valin-teny mitovy foana hoe: ratsy toetra ny Oigoro, tsy azo resena lahatra, tsy ijanona ho an-dry zareo izahay, etsetra. Efa fotoana ela taty aoriana aho vao nanotany Oigoro ary nahita fa misy fiarakaretsaka 6,000 any Ürümqi, ary satria efa zatra nolavina foana ny Oigoro dia tamin'ny farany izy ireo nanarama mpamily Oigoro 200, ary rehefa tsy ampy ireo, dia tsy dia misy n'inona n'inona azo atao loatra, noho izany, maro ny Oigoro nanomboka nanao ny fiarakaretsany tsy nahazo fahazoan-dàlana, indrindra ny fiara Xiali izay hitanao manamorona ny tetezan'i Erdao Bridge dia fiarakaretsaka piraty. Raha vao azoko an-tsaina kokoa ny tena fandehan-draharaha, dia nihevitra aho fa tsy maintsy misy zavatra hiseho na ho ela na ho haingana.

Fitiavana na fankahalàna amin'ny tsy antony, toy ny fitaratra. Ny fitondranao ny olona ihany no itondran'ny olona anao ihany koa. Raha tsy mihevitra ny vokatry ny zavatra ataonao ary ianao dia mametraka marika fotsiny ny vondrom-poko sasany, mahita ireo olona maro efa teo an-jatotaona maro niaina ny tsy rariny, ahoana no tsy hisy korontana ao Xinjiang?

汉族里有多少个对维族没有歧视的?
其实,新疆的很多当地汉人对维吾尔族不仅歧视而且不当人看
uighurhr 发表于 2009-9-9 07:41

要让别人把你当人,你首先得表现的有个人样。

多谢党妈妈长久以来对维吾尔人的美化宣传,
以至于我们这些内地人在多次遭遇维式流氓侵害后还是不敢相信自己的眼睛。

Ary mba firy moa ny Han no tsy manavaka ny Oigoro?

Raha ny marina aza, amin'ny toerana maro ao Xinjiang, tsy vitan'ny manavakavaka ny OIgoro fotsiny ny Han fa manao azy ireo ho tsy olombelona mihitsy.

Raha tianao ny hitondrana anao ho toy ny olombelona, voalohany aloha ianao mila mitondra tena toa izany.
Misaotra noho ny fampielezan-kevitra tsara nataon'ny Antoko Foibe an-taonany maro, raha isika tato anatiny niharan'ny tsy rariny avy amin'ny Oigoro , ny hitan'ny masontsika aza tsy ninoantsika.

维族不讲理是惯的,党妈一向对维族的优惠政策,如民族团结最重要,如少数民族优先等等养成了他们越不讲理越能拿到好处然后就变的更加不讲理。

久而久之,汉族们就不喜欢跟你们打交道了。

Toetra nampivaka ny Oigoro ny manao zavatra tsy am-piheverana. Nahazo fiandaniana kokoa avy amin'ny Antoko Foibe izy ireo, ohatra hoe ny fanaovana lohalaharana ny fitambaran'ny foko, izay manome tombony ho an'ny foko vitsy an'isa, etsetra., natao izay mba ho raha miha-tsy misy dikany ny zavatra ataony, miha mahazo tombony izy, ary avy eo izy ireo manjary manao zavatra tsy ampy fiheverana loatra.

希望这个网站不要在天天宣传和蛊惑仇恨的魔鬼。看看吧,这个网站有多少文章在宣传仇恨的魔鬼。

Manantena aho fa ity vohikala ity dia tsy hanohy hampahafantatra sy tsy hamporisika isan'andro ny demonin'ny fankahalàna. Jereo fotsiny, firy amin'ny lahatsoratra eto amin'ity vohikala ity no manome vahana ho amin'ny fankahalàna.

西方人对黄种人,对中国人没有歧视吗?但是和100年前相比,去掉那些意识形态的影响(中国现在还是共产主义国家?),这样的歧视是多了还是少了?从100年前的人见人欺到现在的G2,这样的变化是因为老外道德素质提高了根除了种族歧视?

Koa raha izany, ny tandrefana angaha moa tsy manavaka ny Sinoa sy ny Aziatika hafa? Fa raha mijery ny 100 taona lasa ianao, ny vokatry ny fandaozana ny foto-kevitra (Mbola tany kaominista ve i Sina), nitombo ve sa nihena ny karazana fanavakavahana toy izao? Raha mijery ny aina solon'ny aina tamin'ny 100 taona lasa mandrak'ankehitriny, nisy ve izao fiovana izao satria ny vahiny no nanazava ny saina hiala amin'ny fanavakavahana?the G2

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.