Fifaninanana lahatsary “Democracy Now Challenge”

Roa volana lasa izay no namoahanay ny tantaran’ ireo nandresy tamin'ny fifaninanana “2009 Democracy Now Challenge” (haika ho amin'ny Demaokrasia izao) miaraka amin'ny lahatsariny tsirairay avy maneho ny dikan'ny Demaokrasia ho azy ireo. Ankehitriny moa dia mitsangatsangana mamakivaky an'i Etazonia mandritra ny roa volana mitsidika an'i Washington, New York ary Hollywood ireo nahazo loka ireo, ary mandritra izany fotoana izany dia efa nanambara sahady ny Sekretariam-panjakana (Amerikana) fa misokatra indray ny fifaninanana lahatsary 2010 Democracy Now. Sahala ny tamin'ny herintaona ihany ny fitsipika. Amin'ny ambangovangony dia tokony handefa lahatsary latsaky ny 3 minitra ianao mameno ny fehezanteny hoe “Democracy is…”[ny Demaokrasia dia…]. Tokony ho amin'ny teny anglisy na misy dikany an-tsoratra amin'ny teny anglisy no hanaovanao azy, ary azo aseho amin'ny fomba samihafa: sary ahetsika na nalaina tamin'ny andavanandro, fanadihadiana na tantara foronina. Ny fe-potoana farany handefasana ny lahatsary dia amin'ny 31 Janoary 2010; aorian'izay ny fifantenana ka ao anatin'izany ihany koa fampisafidianana an-tserasera mandra-pisongadin'ny olona 6 avy amin'ny faritra ara-jeografika 6 samihafa, ka ireo no hitsangatsangana any Etazonia hiresaka amin'ny olona avy amin'ny fitondrana sy ny haino aman-jery.

Indro ny lahatsary nataon'izy ireo hanasongadinana ny fifaninanana:

Iarahan'ny YouTube, ny Departemantam-panjakana (Amerikana) [raharaham-bahiny] ary ny hafa miasa ny fikarakarakana ity fifaninanana ity, ka ny antsipiriany hafa ilaina ho fantatra ilaina mialoha ny handefasana lahatsary hifaninana dia azo jerena ao amin'ny YouTube-n'ny Departemantam-panjakana (Amerikana) amin'ny fanindriana ny bokotra “Important Details”.

Azonao jerena ao amin'ny bolongana YouTube ny sary tamin'ny nisehoan'ny nahazony loka 2009 tamin'ny televiziona, ka raha tianao ny hahalala bebe kokoa amin'ireo nandresy ireo dia efa nampiseho an-dahatsary ny mombamomba azy ny 4 amin'izy ireo.

Aissa Peñafiel avy any Philippines:

Rodin Hamidi avy any Iran:

Anna Israel avy any Brezila:

ary i Lukasz Szozda avy any Pôlônina:

Raha mila aingam-panahy ianao amin'ny fandraisana anjara? Maninona raha mba mitsikilo ato ireo nandresy tamin'ny 2009?

Juliana Rincón Parra

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.