Mbola manalokaloka ao Gabon sy Maoritania ary Madagasikara ny Frantsafrika

Mbola nampiharihary ny teti-panorona politika ampiharin'i La Frantsa amin'ny zanataniny teo aloha, sy mbola ananany tombotsoa politika sy toe-karena isan-karazany ny herisetra niseho vao haingana tany Gabon sy Madagasikara, sy ny fifidianana nolavin'ny maro any Maoritania. Lazaina matetika amin'ny hoe Frantsafrika (Françafrique) izy io

Noampangaina ho feno hosoka ny fifidianana tany Gabon satria nolazaina ho mpandresy tamin'ny fifidianana i Ali Bongo, ny zanakalahin'ny filoha maty vao haingana Omar Bongo. Nitarika fandoroana ny masoivohon'i Frantsa ao Port-Gentil, tanàna misy ny foiben'ny orinasan-tsolika frantsay Total ny herisetra nitranga taorian'ny fifidianana tany.

Eto Madagasikara, toa handamoka indray ny dinika notarihin'ny vondrona mpanelanelana iraisam-pirenena hamerenana ny fandriampahalemana fa henjana ny famoretana nataon'ny mpitondra tetezamita ny mpanohitra tamin'ny mpanao fihetsiketsehana ny zoma lasa teo. Tao an-drenivohitra Antananarivo ohatra dia nahitana mpanao fihetsiketsehana nisintontsintona vazaha teo akaikin'ny hotel Glacier rehefa nandrava ny fihetsiketseham -panoherana ny fananganana governemanta tsy iraisan'ny ankolafin-kery rehetra misy araka izay nifanarahana tany Maputo ny hery miaramila.

Ary ny farany ao Maoritania, dia lasa ara-dalàna noho ny nanantanterahana fifidianana heverin'ny mpanohitra tany an-toerana ho feno hosoka ny fahefan'ny Jeneraly Mohamed Ould Abdel Aziz, izay nanongam-panjakana tamin'ny herintaona. Ary dia efa nanontany tena moa ny Maoritaniana hoe nahoana moa no i Frantsa no anisan'ny voalohany nanaiky (fr) ny valim-pifidianana.

Fonjan-kevitra efa eken'ny besinimaro amin'ny ankapobeny ny resaka Francafrique hany ka niteny mihitsy ny sekreteram-panjakana frantsay misahana ny fampandrosoana ny ampitan-dranomasina teo aloha Jean-Marie Bockel tamin'ny Janoary 2008 fa “te-hanasonia ny filazam-pahafatesan'ny Françafrique izy

Efa ananan'ny maro dôsie ny fomba fiainan'ny mpitondra Afrikana monina ao Frantsa. Porofo mivandravandra iray amin'ny fanaovan'i Frantsa vavany fotsiny toy ny haron-tabebaka ny sarintanin'ny fonenan'ny Afrikana mpanao didy jadona manodidina an'i Paris navoakan'ny Rue89. Nametraka lisitry ny tatitra sy ny sary ao amin'ny flickr ho porofon'ny fisian'ny Françafrique ihany koa ny ONG cellule Francafrique.

Haingana dia haingana ohatra ny nanasongadinan'ny bolongana Malagasy sy Frantsay fa ny Ambasadera Frantsay Chataignier no diplaomaty vahiny voalohany tamin-dRajoelina ny andro manaraka ny fanonganam-panjakana teto Madagasikara. Mampiseho ny fomba fiasan'ny Frantsafrika eto Madagasikara amin'ny alalan'ity lahatsary manaraka ity ny mpamaham-bolongana malagasy NJ:

Ny antony lazain'ny mpamaham-bolongana matetika nidiran'i Frantsa an-tsehatra eto Madagasikara dia ny habetsahan'ny solika azo trandrahana any amin'ny faritr'i Bemolanga. Nahazo ny 60%n'ny toerana ny Total izay heverina hitrandraka solika 180 000 barikana solika isan'andro mandritra ny 30 taona mahery. Nolazain'ny Reuters aza fa ny tahirin-tsolika ao Tsimiroro dia mahatratra hatramin'ny 1,7 miliara barika.

Manjary mivadika ho herisetra matetika izany fihetsika ataon'i Frantsa heverina ho manelingelina ny fivoaran'i Afrika izany.

Mba miezaka ny nanome soso-kevitra isorohana ny fanalàna fo amin'ny teratany frantsay ho setrin'ny Frantsafrika ny mpamaham-bolongana Malagasy Vony. Nanokatra taratasy ho an'ny mpizaka ny zom-pirenena frantsay eto Madagasikara i Vony (fr):

On dit que vous, Français, venez du pays des droits de l’Homme

Mais on sait aussi que vous vivez désormais dans un pays où la terreur règne,
Parce que Madagascar est aussi une partie de votre histoire, nous vous demandons
solennellement de nous soutenir et nous aider à retrouver notre dignité de
Malgaches et notre fierté de vivre sur cette île [..] Nous Malgaches au pays, en France et à l’étranger faisons appel à votre solidarité envers votre peuple ami et à votre foi en la démocratie et le respect des droits de l’Homme.
Parce que vous êtes aussi menacés par l’avenir sombre et désastreux qui nous guettent tous, , ne détournez pas les yeux mais tendez nous la main pour mieux dénoncer ce que vous ne toléreriez pas dans votre propre pays!

Lazaina fa avy any amin'ny firenen'ny zon'olombelona ianareo Frantsay nefa fantatra ihany koa fa miaina aty amin'ny firenena anjakan'ny horohoro ianareo, satria manko efa tafiditra ho anisan'ny tantaranareo i Madagasikara,
Koa miangavy anareo izahay hanampy anay hamerina ny hasina mahamalagasy sy ny fahamendrehan'ny Nosy […] Miantso ny fiaraha-mientana avy aminareo noho ny fanajanareo ny demaokrasia sy ny zon'olombelona izahay Malagasy. Satria manambana aminareo ihany koa ny ho avy matroka, aza mangarika anay fa tolory tanana izahay ahafahanay manameloka izay tsy zakanareo ihany koa any amin'ny tany fiavianareo

Niresaka ny herisetra tamin'ny zoma i Tahina sy ny tsiaro ratsy niainany:

My bus line passes through the 13 Mai Square, a hot spot if not the hottest after the Ambohijatovo Park. And this logical question asked to the conducteur before getting on the bus “Do you go till Analakely?”, “Yes, Sir.” Along the street you pay attention to any abnormal things, people gathering at one place, suspicious traffic, you to stretch your ears to over hear others’ conversations. You take out your mobile and try to call someone who’s supposed to be downtown to know if he’s safe and ask him what he’s witnessed. All of that recalls me bad things. Things that I’m likely to live again in the days to come.

Mamakivaky ny kianjan'ny 13 mey ny fiara fitaterana nandehanako, toerana mafana, raha tsy ny mangotraka indrindra taorian'ny kianjan’ Ambohijatovo. Tsy maintsy nanontany ny saofera ihany hoe: “Handeha hatrany Analakely ve ianao?”, “Ie!”. Tsikaritrao avokoa ny zavatra hafahafa rehetra nandritra ny dia, tahaka ny fivorian'ny olona tamin'ny toerana iray, ny fifamoivoizana mampiahiahy, tsy maintsy mba mihaino ny resaky ny hafa ihany. Miantso olom-pantatra amin'ny finday amin'izay heverinao ho any afovoan-tanàna ianao manontany raha milamina ny tany ka hitantarany izay hitany. Mampahatsiaro ahy zava-dratsy avokoa izany rehetra izany. Tranga izay mety mbola hiseho indray.

Any Gabon kosa no itantaran'ny mpamaham-bolongana Malagasy Harinjaka, izay mitoetra any Libreville ny mety ho porofon'ny hosoka izay nahatonga ny fandresen'i Ali Bongo:

of the cards featured in the image above, the one on the left is authentic, while the one on the right has been forged. The difference is quite clear – the one on the left has been stamped after the photo was attached, whereas the photo on the right was not stamped with the card, meaning that the photo can be changed – so that several people can vote with the same electoral card.

Amin'ny karatra hita amin'ny sary eo ambony ireo dia tena izy ny eo ankavia, raha namboamboarina kosa ny eo ankavanana. Mazava ihany ny fahasamihafana – notombohina ny eo ankavia rehefa avy nametahana sary, nefa ny eo ankavanana kosa dia tsy misy fitomboka ny sary, izay midika fa mety ho nosoloina ny sary – mba ho maro ny olona afaka hifidy amin'io karatra iray io.

Ity manaraka ity kosa dia lahatsary ahitana vehivavy Gabonezy miampanga mivantana an'i Lafrantsa ho tompon'andraikitra mivantana amin'ny fanaovana hosoka nandritra ny fifidianana hampandresy an'i Bongo (fr):


Nolavina matetika ho tsy misy tahaka ny petrakevitry ny fiokoana (théorie du complot) any amin'ny tany Tandrefana ireny rehetra ireny. Saingy manaporofo ny fisian'ny Frantsafrika mivantana eo imason'ny mpamaham-bolongana sy ny olo-tsotra Afrikana maro ny gidragidra nitranga tany Gabon, Maoritania ary Madagasikara.

Lova Rakotomalala

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.