Kazakhstan: Lenin. Mbola velona lavitra noho ny fahavelony

Hafatra roa mitovy no nisy nandefa tao amin'ny tontolon'ny blaogy Kazakh avy amin'ny lafintany roan'ny firenena. Samy miresaka momba ny fitsanganana tamin'ny matin'ny sary famantarana vanimpotoana iray  taloha tany izy roa: ny loha sy ny sandrin'ny tsangambaton'i Lenin. Inona no manosika ireo olona hitodika mankany amin'ny sarin'ny lehiben'ny tolon'ny mpiasa eran-tany? Ny fahatsiarovana ny taloha angamba? Tormozz dia vavolombelona [ru] tamina tranga mahazendana tamin'ny namakivakiany an'i Kazakhstan, izay nitsidihany ny tanànan'i Aralsk, tamina tobin-tsolika iray manokana, ary teo…

“Toy izao i Vladimir Ilyich, mihantona amina tady vavarana!

Raha ny fantatra dia hitan'ireo tompon'ity tobin-tsolika ity teo akaikin'ny Tranoben'ny Kolontsaina tao an-toerana  ity sarivongana ity. Novidin'izy ireo 1000 tenge ary dia napetrany eo anoloan'ny fivarotany. Tamin'ny fotoana izay naha-seriny an-dry zareo indrindra no nahitako azy ireo .

Avy eo nosasan'ilay ramatoabe tamina rano mafana tamim-pahamalinana tokoa ilay loha sola *manankasina* .  Teo ampisarahanay  dia notoroako hevitra izy ireo mba hametaka  soratra milaza hoe,  “Tobin-soliky ny Saina Mena ho fahatsiarovana an'i V.I. Lenin” .

Ny andro manaraka, teny an-dàlana hody, dia mbola  nandalo teo izahay. Nisy mpanao sary sokitra iray efa niasa teo amin'ilay sarivongana, mba hamerina ny orony amin'ny endriny tena izy.

Toy ny lohatenin'ny lahatsorany, pycm ao amin'ny Karaganda dia nampiasa ilay fehezanteny sovietika malaza, izay heverina fa noventesin'ny  tsirairay tamin-kafanam-po sy fanandratana tokoa: “Efa nahita an'i Lenin aho!” [ru]:

Fahiny, nisy tranom-panjakana tao aorian'ilay tamboho mivolom-batolalaka. Rehefa kelikely, dia hisy toeram-pamarotana fiara hisokatra eto. Misintona asam-barotra hafa eo an-toerana koa ireo mpandraharaha. Amin'izao dia misy toeram-pivarotana  sy fisotroana café eo amin'ilay toerana. Mitirintirina eo ambony tohana eo afovoana tsilalaon-drano  kely  iray Ilyich, voahodidina voninkazo. Tena mahafinaritra. Ny anaran'ny tompon'ilay trano dia Volodya (fanafohezana ny Vladimir).

Hita any amin'ny neweurasia ihany koa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.