Nigeria: Tonga ao Lagos ny tariby vaovao avy any anaty ranomasina ho an'ny aterineto

Mahaliana ireo mpitoraka blaogy any Afrika Andrefana ny fahatongavan'ny tariby ambany ranomasina GLO-1 any Lagos tamin'iny herinandro iny. Mampifandray an'i Nigeria sy firenena 13 hafa any Afrika Andrefana  ny GLO-1 amin'ny fotodrafitrasam-pifandraisana mandalo any Eropa, izay mitondra fatranonja [bandwidth] vaovao midadasika   ho an'ny faritra.

GLO-1 is Africa's newest submarine cable.Ny GLO-1 no tariby anaty ranomasina vaovao indrindra  any Afrika.
Sarintany mandalo ny Many Possibilities.

Tamin'ny faramparan'ny volana Jolay, ny fahasimban'ny tariby  SAT-3 — izay hatramin'ny herinandro lasa dia izy irery no làlana nahafahan'i Nigeria nifanerasera tamin'ny tambajotra maneran-tany— dia niantraika tamin'ny asan'ny banky sy ny fidirana amin'ny aterineto manerana ny firenena iray manontolo. Eo amin'ny 70 isan-jaton'ny fatranonja ampiasain'ny firenena no voadona.

Raha ny voalazan'ny lehiben'ny Globacom Limited, izay namatsy ara-bola ny GLO-1, ilay fotodrafitrasa vaovao dia afaka miatrika izay filàna fatranonja rehetra any Nigeria ho an'ny 15 hatramin'ny 20 taona ho avy. Miandrandra ny sanda  mora kokoa sy manara-penitra ary hafainganam-pandeha malaky  ireo mpitoraka blaogy.

Avy any Cameroon, manoratra i Bill Zimmerman :

Ny andrasana amin'ity tariby ity dia ny hampidinany ny vidin'ny fatranonja ary ny hanolorany hafainganana sy hamafisana amin'ny tolotra ho an'ny feo, data sy video. Ny sehatra ara-teknolojia any Afrika Andrefana  dia tokony hahazo tombony amin'ny Glo-1 noho ireo orinasa ho  afaka hifanerasera malalaka amin'ireo mpanjifa sy ireo mpiara-miombon'antoka any ivelany. Manome toky koa izy amin'ny hahazoana miditra amin'ny aterineto ho an'ireo olon-tsotra sy orinasa madinika izay tsy nanana fahafahana nanana ‘connexion’  manokana.

Ho an'i Yomi Adegboye ao amin'ny Mobility Nigeria, tsy mbola ato ho ato no ho tonga ireo fampanantenan'ny GLO-1:

Talohan'izao, niankina tamin'ny tariby SAT-3 ny firenena iray manontolo teo ambany ampihimamban'ny NITEL tamin'ny fidirana tanatin'ny ‘connexion haut-débit’. Am-bolana maro izao no mijery akaiky ny Glo-1 ireo mpanara-maso ny sehatry ny indostria,  satria ny famoahana azy io dia hisy fiantraikany amin'ny sanda sy ny fidirana  amin'ny aterineto haingam-pandeha ao  Nigeria.

Amin'izao efa eto izao ny Glo-1, rahoviana marina no hanomboka hahazo fahafaham-po amin'ny tolotrasany isika?

Tsy manam-paharoa ny GLO-1 amin'ny maha-tariby  anaty ranomasina voalohany indrindra eran-tany azy fehezin'ny tombontsoan'ny tsy miankina. Theresa Carpenter Sondjo ao amin'ny Appfrica dia manazava:

Ny ankamarony amin'ireo tariby anaty ranomasina, isan'izany ny SAT-3 izay mampifandray an'i Afrika Andrefana amin'ny firenena eran-tany, dia natsangan'ireo consortiums ivondronan'ny tsy miankina sy ireo orinasa (-mpanjakana). Tsy dia mahazatra loatra ny Glo-1 noho izy novatsian'ny  GlobalCom avy ao Nigeria manontolo…. amin'izao fotoana izao i Nigeria dia miankina amin'ny ampihimamban'ny  NITEL vao afaka miditra amin'ny toby fampifandraisana amin'ny  SAT-3  ary tsy maintsy mividy fatranonja any amin'ny Benin mpifanila aminy.

Munashe Gumbonzvanda ao amin'ny TechMasai dia manampy:

Ny zava-mahaliana amin'ity tariby ity dia tsy toy ny ventures hafa sahala amin'ny Seacom [fanamarihana avy amin'ny mpanoratra: Seacom, tariby izay mampifandray an'i Afrika atsinanana amin'i Eropa sy Asia, nanomboka niasa tamin'ny Jolay 2009], fa ity dia famatsiana manontolo avy amin'ny  Glo samirery. Goavana ny ho fiantraikan'ny Glo-1, nefa mety ho elaela vao ho hita taratra.. Toy ny tamin'ny Seacom, fotoana lehibe ho an'ny fiavaozana ara-teknolojika Afrikana sy ny fandrosoana izy ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.