Pakistana: Fahafatesana nandritra ny Seho mivantana

Niteraka adihevitra mafana teo amin'ny tontolon'ny blaogy Pakistane ny fahafatesan’ilay Pakistane iray mpandray anjara tamina seho mivantana. Nandray  anjara tamina fanadinana iray i Saad khan, izay noraketina an-tsary tany Bangkok, ka tao anatin'izany ny filomanosana tanatina renirano sady mitondra vesatra 7kg. Araka ireo izay nanatri-maso, toa nanana olana i Khan ka niantso vonjy nialohan'ny niletehany tany anaty rano.

Tany amin'ny Twitter nalefan'ny naman'i Khan akaiky iray sy mpiara-miasa taminy taloha no tonga voalohany ny tatitra momba ilay fahafatesana , ka niteraka onjam-panehoan-kevitra maro teo amin'ireo tambajotram-bohikala sosialy. Farrukh, naman'i khan, dia niangavy ireo mpitoraka blaogy mba hiray hina ary hangataka fanazavana momba ilay voina nanala ny ain'ilay tovolahy tao amina hafatra iray ao amin'ny Twitter:

@Farrukh ahmed: ho an'ireo mpitoraka blaogy rehetra: ilaina ny fanampianareo amin'ny fanandratam-peo hanohitra ny sehon-dalao mivantana zara raha voarindra notontosain'i Unilever izay namoizanay namana akaiky iray. Mandà ny hanome fanampim-panazavana/horonantsary nalaina tamin'ilay zava-nitranga i Unilever.

Taoriana kely, namoaka lahatsoratra momba ny antsipirian'ilay zava-nitranga i Farrukh tao amin'ny blaoginy:

Ankoatra ny fijoroako vavolombelona manokana, notazon'ireo ‘multinationales’ manohana ilay seho ho tsiambaratelo tsara afina  ny fahafatesan'i Saad. Mahatsikaiky anefa fa izany indray no vao maika nampiparitaka ity raharaha ity eran'izao tontolo izao any amin'ireo blaogy sy tambajotram-bohikala sosialy(…) amin'ny alalan'ity lahatsoratra ity, te-hanazava resaka sy hametraka fanontaniana maromaro aho izay azoko antoka fa any an-tsainareo taorian'ny naharenensanareo bebe kokoa momba ny nahafatesan'i Saad.

I Paksatire dia naneho sariitatra mahatsikaiky mitsikera ny andraikitry ny haino aman-jery lehibe tamin'ny tsy fanazavana ny tena zava-nitranga marina. Ny hafatra tiany alefa dia ny hoe voan'ny tsindry hazo lena avy amin'ny vondron'ny mpanohana  ny haino aman-jery lehibe.

Satrical comic strip- criticizing lack of coverage of Khan's death, used with permission

sariitatra mahatsikaiky’ – mitsikera ny tsy fahampian'ny fanambarana momba an'i Khan

Nandritra izany dia niparitaka tsimoramora teny amin'ny haino aman-jery lehibe ireo vaovao momba ny nahafatesan'i Saad. Dawn dia nitatitra momba ilay fahafatesana tamin'ny alalan'ny fanazavana avy tamin'i Unilever, izay milaza fa tsy misy ifandraisany amin'ny fahafatesan'i Saad  mihitsy. Tao amina lahatsoratra vahiny iray tao amin'ny All things Pakistan, Sabeen Mehmud dia mizara ny zava-niainany momba ny fiaraha-miasa tamin'io vondrona goavana io.

Nisy fisakaizana be mihitsy tao ary nanana fotoana izahay handinihana ireo departemanta rehetra eo am-perinasa , tahaka ny hoe miasa ao.(..) Masinina tsy manam-panahy ny vondrona [Corporation], mirona ho amin'ny fikatsahana tombon-tsoa. Ireo toetoetry ny fomba fijery, ireo torolalana ara-etika [ethical guidelines] ary   ireo andraikitra ara-tsosialin'ny vondrona dia fepetra ara-dalàna izay tsy misy fiatraikany any amin'ny fomba fanaovan'ireo orianasa afera.

Manohy ihany i Sabeen momba ilay fifandraisana, ary miangavy mba haharihary ny zava-marina:

Voalaza aloha ny momba an'iny, manaiky aho fa tao amina tontolo iainana voafehy tsara no nanaovana ilay seho namoizana ny ain'i Saad Khan ary tokony ho azo nosorohana ny loza. Amiko dia toa tranga tena nisy fanaovana an-tsirambina izy ity.

Dr. Awab Alvi ao amin'ny Teeth maestro koa dia namoaka karazan-dahatsoratra maro mifandraika amin'ity loza ity, ka miahiahy ny fisian'ny antsirambina avy amin'ireo tompon'andraikitra. Tao anatin'ny iray tamin'ireo lahatsoratra vao nivoakany dia namoaka resadresaka niaraka tamina mpandray anjara iray izy, izay nanambara fa azo nosorohana iny loza iny, ary nateraky ny antsirambina nataon'ireo mpikarakara.

Max Robinson dia nampitaha ireo seho mivantana amin'ny fahitalavitra maneran-tany. Manasongadina ny tokony handraisan'ireo tompon'andraikitra ao amin'ny televiziona andraikitra amin'ny fampafantarana ireo mpandray anjara ny zavatra mety hitranga amin'ny adina  sasantsasany.

Mbola mijanona ho misitery ireo zava-nitranga tamin'ny nahafatesan'i Khan. Mbola tsilian-dresaka ihany no misy ka noho izany dia tsy misy filazana azo antoka raha tsy mahita porofo mazava. Ao amin'ny blaogiko manokana dia naneho ny tahotro aho momba seho mivantana isan-karazany, izay tontosaina matetika aty Pakistana.

Iny zava-nitranga iny koa dia manokatra varavarana ho an'ny tontolo manjavozavon'ny seho mivantana any Pakistana izay tsy mijery velively ny fepetra fiarovana. [..] Ny fanontaniana mipetraka izao dia mitodika amin'ny fisian'ireny karazana seho fialamboly ireny – tsy mijery akory ny fepetra fiarovana– tokony ho avelantsika hanohy amin'ny anaran'ny fialamboly sy ny varotra ve izy ireo?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.