Etazonia, Meksika: Mi-tweet avy eny an'habakabaka ilay mpanamory sambondanitra José Hernández

Eo am-piodinana manodidina ny tany izao ilay mpanamory sambondanitra José Hernández ao anatin”ilay iraka ataon'ny sambondanitra ho eny  amin'ny Toby an'habakabaka iraisampirenena, ary mi-tweet  izy mandritra ity iraka 13 andro ataony ity.

Amin'ny maha zanaka Meksikana mpifindra monina azy teraka tany U.S.A, tany an-tanindrazan'ny ray aman-dreniny no nandaniany ny antsasaky ny fiainany ary ny ambiny sisa tany Etazonia. Araka an'i Mexico Reporter, mahery fo nasionaly any Meksika izy ary aingam-panahy ho an'ny olona maro any amin'ireo firenena roa ireo ny tantaram-piainany. Mpiasa mpifindra monina i Hernández taloha, niasa tao amin'ilay saha teo anilan'ireo ray aman-dreniny, ary izao  no fivahinianany voalohany any an'habakabaka.

Astronaut José Hernández and from Wikimedia Commons

Ny mpanamory sambondanitra José Hernández, avy amin'ny Wikimedia Commons

Ny kaonty  twitter-ny amin'ny tenim-pirenena roa dia nanome fanampim-baovao foana nandritra ny fanomanana ny fandefasana azy, izay tokony ho tamin'ny 25 Aogositra. Noho ny olana ara-mekanika anefa dia nahemotra andro maromaro izany. Taoriana kely dia lasa fahatsapana tsy vaovao intsony ny fiaingana tsy tena izy sy ny raharaha fanomanana miverimberina:

Ndeha hihazakazaka kely aloha. Toa tsa ho an'ny fiaingana rahalina amin'ny 1:10 izany toetr'andro androany izany! Ohatran'ny Andron'ny ‘Ground Hog'! 🙂

Nandritra ireny fanomanana ireny no niresahan'i Hernández an-tariby tamin'ny filoha Meksikana Felipe Calderón.

Tonga ihany ilay andro nony farany, ary nalefa hiodidina ny tany ilay sambondanitra tamin'ny 28 Aogositra. Vao tonga tany an'habakabaka  i Hernández dia nizara ny eritreriny momba ny androny voalohany any an'habakabaka any:

Mipetraka aho ary manatanteraka ny nofiko… Milay be ny ‘Micro G’. Avy nandrindra ny solosainako ka ndeha hatory aho! Tsy mila ondana!

Ho an'ireo roa herinandro manaraka, hanome fanampim-baovao momba ireo asa atao amin'ny iraka sy ireo asa manaraka i Hernández:

#onorbit Vita ny sidin'ny andro faha-3 ary efa tonga aty amin'ny toby aho. Nifankahita tamin'ireo mpiray vodirindrina 6 ary mahafinaritra be ry zareo  ireo! Tena mahafinaritra loatra ka dia ho entinay mody ny iray amin'izy ireo!

Araho ny tweet-ny momba ny andro sisa amin'ilay iraka ao amin'ny @Astro_Jose

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.