Palestina: Kolontsainan'ny fanoherana any Gaza

Nivoaka voalohany tany Gaza tamin'ny 1 Aogositra ny horonantsary lava novokarin'i Hamas, ampahany amin'ny tetika fanangonana fanohanana nataon'ilay hetsika avy amin'ny alalan'ny hetsika ara-kolotsaina, tamin'ny fananganana “kolontsainan'ny fanoherana“. Tamin'iny herinandro iny ihany, nisy lalao momba ny famokarana horonantsary nisokatra tany Gaza. Samy natrehan'ireo mpitoraka blaogy avokoa izy roa ireo, ary omeny antsika ny hevitr'izy ireo.

Lina Al Sharif, izay mitoraka blaogy ao amin'ny 360 km2 of chaos, dia nanatrika ny fandefasana voalohany ilay horonantsary Imad Aqil:

Tifitifitra, fifanenjehana amin'ny fiara sy tantarana  mahery fo iray, “Imad Aqil” no horonantsary voalohany avy any Gaza. Tamin’ny volana Aogositra no nisokatra voalohany tao amin'ny foibe ara-kolontsain'i Rashad Al-Shawa ao Gaza ny horonantsary maharitra ora  2. Nosoratan’i Mahmoud Al-Zahar izy ity, izay lehibe mpitarika ny Hamas any Gaza, notontosain’i Majid Jindiya, ary novokarin’ny tambajotrana  haino aman-jery Al-Aqsa. Mitentina any amin’ny 120,000$ ny vola lany tamin’io horonantsary hoy ny gazetyin'ny Hamas mivoaka isan’andro ao  Al-Resala. Tany amin’ny tanàna famokarana horonantsarin’i Asda, izay mitoetra any amin’ny zara-tany Israeliana nisintahana tamin’ny 2005 no tena tena nandraketana ity horonantsary ity. Izay tratran’ny ady farany teo.

Hitako ny taratasin-dokambarotra lehibe momba ilay horonantsary alohan’ny nivoahany; taitra aho nahita horonansary vita eto an-toerana amin’izao toe-draharaha manahirana aty Gaza izao. Omaly ihany, nividy ireo tapakilana 10 shekel izaho sy ny namako roa hijerena ilay horonantsary momba ity mhery fo  Palestiniana malaza ity.

Ambaran'i  Lina amintsika ny tantara:

Mifototra amin’ny tantaram-piainan’ilay mpiady ho amin’ny fahafahana Imad Aqil ilay horonantsary. Manomboka amin'ny  fanehoana vehivavy mpampiteraka iray sy ny vadiny ho any an-tranon’ny Aquil mba hampiteraka ilay ho mahery fo, izay teraka ny 19 Jona 1971 tao amin’ny toby Jabaliya. Avy eo, entina any amin'ny fahazazany ireo mpijery, dia avy eo ny fahatanorany tany an-toby, izay nizakàn’ireo Palestiniana fisamborana tsy an-drariny sy daroka avy tamin’ireo mpisafotany Israeliana. Tamin’ny 1988, nipoaka ny Intifada Palestiniana voalohany, ary nanendrena ho fanta-poko ho fanta-pirenena ny Hamas ho  Hetsi-panavotana Silamo. Tamin’iny taona iny ihany, nosamborina i Imad Aqil noho ny fandraisany anjara tamin’ny raharaha Intifada sy Hamas. Nijanona 18 volana am-ponja izy. Taorian’ny namotsorana azy, naka ny toeran'ny mpitarika ady mitam-piadiana manohitra ny tafika Israeliana any Gaza izy. Nantsoin’ireo Israeliana izy hoe “ilay lehilahy manam-panahy fito” . Tapitra ny ain’ity mpiadin’ny brigady Qasam ity tamin’ny famonoan’ny tafika Israeliana azy nampian’ny Palestiniana iray mpamadika  tamin’ny taona 1993.

Ny hevitr’i Lina momba ilay horonantsary?

Tsy io no horonantsary tsara indrindra hitako, fa horonantsary avy any Gaza io. Raha jerena daholo ireo zava-nitranga, ireo enti-manana rehetra ary ireo foto-drafitrasa rehetra nilaina nanamboarana horonantsary avy amina tantara tahaka izao; azo atao hoe tsara ny vokatra azo na dia eo aza ny zava-misy sy ny toerana nasiana an’i Gaza efa ho roa taona sy tapany izao. Avy any Gaza daholo ireo mpilalao lahy sy vavy. Indrisy, tao amin’ny tatitr’i Resala ihany no nahafantarana fa efatra tamin’ireo mpilalao ireo no maty tamin’ilay ady farany teo tao  Gaza. Nisy olana kely teo amin’ny fandrindràna ny feo; misy ampahany amin’ireo resaka tsy heno noho ny fikirakirana ara-peo [sound effect]. Fanampin’izany, tsy dia mahay loatra ireo mpilalao. Nefa tsy maintsy tiavina ilay izy amin’ny ankapobeny noho izy nivoaka avy ao anivon'ny fotoan-tsarotra lalovan’i Gaza.

Ao amin’ilay blaogy In Gaza (hita koa ao amin’ny The Electronic Intifada), mitatitra tantara tsangana mombana famokarana horonantsary ilay Kanadiana Eva Bartlett:

“Moa tsy tia mijery sarimihetsika tahaka ny olon-drehetra ireo mponina any Gaza?” hoy ilay mpamokatra sarimihetsika Hossam Abdel Latif. Ny vadiny, Souad, izay mahatsiaro tena kokoa dia namaly, “Ny olona tsy manan-ko hanina ve ho afaka handeha hijery sarimihetsika?”

Ny resaka momba ny kanto mandritra ny fahirano sy fanjanahan-tany no iray amin’ireo lohahevitra lehibe entin’ny mpamokatra tantara tsangana any Gaza, Film Cinema,  izay nisokatra tamin’ny 4 Aogositra tany an-tanànan’i Gaza. Sehatra rakotry ny porofon-tsary, ary voaravaka ‘ours’ lamba iray botrabotra sy manirery no fitambaran’ny haingon’ity tantara  lalaovin'olona telo ity.

“Izaho no Hossam Abdel Latif, ary te-hanao sarimihetsika aho,” hoy ilay maniry ho mpamokatra sarimihetsika mamerimberina manoloana ny ‘caméra vidéo’-ny, mba hanapatapahana matetika:

Tsotra ny tantara — olona iray mpamokatra horonantsary sy ireo olana sedrainy— nefa sahirana amin’ny fiainana ao anatin’izany Palestina voazanaka izany, misary gaigy, ary indraindray toa zary tenany, mandritry ny ora filalaovana an-tsehatra. Mampatsiahy ny vono olona Israeliana farany tao Gaza i Film Cinema — nefa tsy manonona vanimpotoana manokana, izany hoe mety n’iza n’iza tamin’ireo fananiham-bohitry ny tafika Israelina tao  Gaza izany — ary maneho ireo nofy sy tsindrihazolena niainan’ireo Palestiniana eo ambanin’ny fanjanahan-tany any Gaza. Amin’izay fotoana izay ihany, mizara ny zava-misy  iainan'ny rehetra momba ny olana an-tokantrano sy ny fanirian'ny isam-batan'olona ilay tantara.

Manohy izy:

Film Cinema no tantara tsangana faharoa mandritra ity fahavaratra ity aty Gaza, ary mbola betsaka no eo am-pamokarana.

Ireo mpankafy tantara tsangana koa dia mitady sehatra eo amin’ny zavakanto na sarintsarina “fanaraham-penitra” any Gaza. Ny fahafenoan’ny toerana sy ny fandraisana anjara mavitrik’ireo mpijery dia maneho ny hetahetan’ireo Palestiniana any Gaza hanana zavakanto  sy ‘cathartic outlet’.

Nivoaka voalohany tany Gaza tamin'ny 1 Aogositra ny horonantsary lava novokarin'i Hamas, ampahany amin'ny tetika fanangonana fanohanana nataon'ilay hetsika avy amin'ny alalan'ny hetsika ara-kolotsaina, tamin'ny fananganana “kolontsainan'ny fanoherana“. Tamin'iny herinandro iny ihany, nisy lalao momba ny famokarana horonantsary nisokatra tany Gaza. Samy natrehan'ireo mpitoraka blaogy avokoa izy roa ireo, ary omeny antsika ny hevitr'izy ireo.

Lina Al Sharif, izay mitoraka blaogy ao amin'ny 360 km2 of chaos, dia nanatrika ny fandefasana voalohany ilay horonantsary Imad Aqil:

Tifitifitra, fifanenjehana amin'ny fiara sy tantarana  mahery fo iray, “Imad Aqil” no horonantsary voalohany avy any Gaza. Tamin’ny volana Aogositra no nisokatra voalohany tao amin'ny foibe ara-kolontsain'i Rashad Al-Shawa ao Gaza ny  horonantsary maharitra ora  2. Nosoratan’i Mahmoud Al-Zahar izy ity, izay lehibe mpitarika ny Hamas any Gaza, notontosain’i Majid Jindiya, ary novokarin’ny tambajotrana  haino aman-jery Al-Aqsa. Mitentina any amin’ny 120,000$ ny vola lany tamin’io horonantsary hoy ny gazetyin'ny Hamas mivoaka isan’andro ao  Al-Resala. Tany amin’ny tanàna famokarana horonantsarin’i Asda, izay mitoetra any amin’ny zara-tany Israeliana nisintahana tamin’ny 2005 no tena tena nandraketana ity horonantsary ity. Izay tratran’ny ady farany teo.

Hitako ny taratasin-dokambarotra lehibe momba ilay horonantsary alohan’ny nivoahany; taitra aho nahita horonansary vita eto an-toerana amin’izao toe-draharaha manahirana aty Gaza izao. Omaly ihany, nividy ireo tapakilana 10 shekel izaho sy ny namako roa hijerena ilay horonantsary momba ity mhery fo  Palestiniana malaza ity.

Ambaran'i   Lina amintsika ny tantara:

Mifototra amin’ny tantaram-piainan’ilay mpiady ho amin’ny fahafahana Imad Aqil ilay horonantsary. Manomboka amin'ny  fanehoana vehivavy mpampiteraka iray sy ny vadiny ho any an-tranon’ny Aquil mba hampiteraka ilay ho mahery fo, izay teraka ny 19 Jona 1971 tao amin’ny toby Jabaliya. Avy eo, entina any amin'ny fahazazany ireo mpijery, dia avy eo ny fahatanorany tany an-toby, izay nizakàn’ireo Palestiniana fisamborana tsy an-drariny sy daroka avy tamin’ireo mpiosafotany Israeliana. Tamin’ny 1988, nipoaka ny Intifada Palestiniana voalohany, ary nanendrena ho fanta-poko ho fanta-pirenena ny  Hamas ho  Hetsi-panavotana  Silamo. Tamin’iny taona iny ihany, nosamborina i Imad Aqil noho ny fandraisany anjara tamin’ny raharaha Intifada sy Hamas. Nijanona 18 volana am-ponja izy. Taorian’ny namotsorana azy, naka ny toeran'ny mpitarika  ady mitam-piadiana manohitra ny tafika Israeliana any Gaza izy. Nantsoin’ireo Israeliana izy hoe “ilay lehilahy manam-panahy fito” . Tapitra ny ain’ity mpiadin’ny brigady Qasam ity tamin’ny famonoan’ny tafika Israeliana azy nampian’ny Palestiniana iray mpamadika  tamin’ny taona 993.

Ny hevitr’i Lina momba ilay horonantsary?

Tsy io no horonantsary tsara indrindra hitako, fa horonantsary avy any Gaza io. Raha jerena daholo ireo zava-nitranga, ireo enti-manana rehetra ary ireo foto-drafitrasa rehetra nilaina nanamboarana horonantsary avy amina tantara tahaka izao; azo atao hoe tsara ny vokatra azo na dia eo aza ny zava-misy sy ny toerana nasiana an’i Gaza efa ho roa taona sy tapany izao. Avy any Gaza daholo ireo mpilalao lahy sy vavy. Indrisy, tao amin’ny tatitr’i Resala ihany no nahafantarana fa efatra tamin’ireo mpilalao ireo no maty tamin’ilay ady farany teo tao  Gaza. Nisy olana kely teo amin’ny fandrindràna ny feo; misy ampahany amin’ireo resaka tsy heno noho ny fikirakirana ara-peo [sound effect]. Fanampin’izany, tsy dia mahay loatra ireo mpilalao. Nefa tsy maintsy tiavina ilay izy amin’ny ankapobeny noho izy nivoaka avy ao anivon'ny fotoan-tsarotra lalovan’i Gaza.

Ao amin’ilay blaogy In Gaza (hita koa ao amin’ny The Electronic Intifada), mitatitra tantara tsangana mombana famokarana horonantsary ilay Kanadiana Eva Bartlett:

“Moa tsy tia mijery sarimihetsika tahaka ny olon-drehetra ireo mponina any Gaza?” hoy ilay mpamokatra sarimihetsika Hossam Abdel Latif. Ny vadiny, Souad, izay mahatsiaro tena kokoa dia namaly, “Ny olona tsy manna-ko hanina ve dia afaka mandeha mijery sarimihetsika?”

Ny momba ny kanto mandritra ny fanjanahan-tany no iray amin’ireo lohahevitra lehibe an’ny mpamokatra tantara tsangana any Gaza, Film Cinema, , izay nisokatra tamin’ny 4 Aogositra tany an-tanànan’i Gaza. ‘Sehatra feno ‘pellicules’, ary voaravaka ‘ours’ lamba botrabotra sy manirery no fitambaran’ny haingon’ity tantara amam-pilalao telo ity.

“Izaho no Hossam Abdel Latif, ary te-hanao sarimihetsika aho,” hoy ilay maniry ho mpamokatra sarimihetsika mamerimberina manoloana ny ‘caméra vidéo’-ny, mba hohelingelenina isaky ny mihetsika:

Tsotra ny tantara — mpamokatra horonantsary sy ireo olana lalovany — nefa sahirana amin’ny fiainan’izany Palestina voazanaka izany, mampilalao, ary indraindray mampieritreritra amin’ny tena fiainana. Mampatsiahy ny vono olona Israeliana fary tan Gaza i Film Cinema — nefa tsy manonona vanimpotoana manokana, izany hoe mety n’iza n’iza tamin’ireo fanjanahan’ny tafika Israelina an’I Gaza izany — ary maneho ireo nofy sy tsindrihazolena iainan’ireo Palestinana eo ambanin’ny fanjanahan-tany any Gaza. Amin’izay fotoana izay ihany, mizara ny zava-misy iraisam-pirenena momba ny ‘marital spats’ sy ny fanirian’ny isam-batan’olona ilay tantara.

Manohy izy:

Film Cinema no tantara tsangana faharoa mandritra ity fahavaratra iy aty Gaza, ary mbola betsaka no eo am-pamokarana.

Ireo mpanka-fy tntara tsangana koa dia mitady làlana any amin’ny zava-kanto na endrika ‘normality’ any Gaza. Ny fahafenoan’ny toerana sy ny fandraisana anjara mavitrik’ireo mpijery dia maneho ny fangetahetan’ireo Palestiniana any Gaza zava-kanto sy ‘cathartic outlet’.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

• Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
• iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.