Grèce: Mandondona an'i Athènes ny afo

Nisy doro tanety nitranga tany avaratra atsinanan'i Attica any Grèce ny zoma alina lasa teo, ary avy hatrany dia nandrava ala maro sy tanin'olona maro. Tao anatin'ny 2 andro monja dia nahazo ny faritra avaratra indrindra any Athènes ny afo, mampahatsiahy ny fahasimbana goavana nateraky ny doro tanety tamin'ny lohantaona 2007.

Naka sary teny an-davarangana ilay mpitoraka bilaogy grika mindstripper tamin'ny alin'ny asabotsy 22 aogositra ary navoakany tao amin'ny bilaoginy izany.

‘Ωρα Αθήνας 8μμ
fireathens
Κι εγώ θέλω να φύγω από το σπίτι μου.

Athènes amin'ny 8pm. Ary te hivoaka ny trano aho.

Ny ampitso, mpaka sary antsoina hoe mlazopoulou no nandefa sary nalaina avy eny ambony fiaramanidina:

Hoy izy, “Tys hitako izay teny hamaritana ny zavatra hitako…”

Afo mivantana

Ny alahady alina dia nisy webcam napetraka tao amin'ny alan'i Shinias ary nahazoana sary teo afovoan'ny afo, mandrapijanon'ilay fakan-tsary mihetsika (efa miasa izy izao).

Schinias webcam image on Aug 24 at 1:53 AM in Greece Schinias webcam image on Aug 24 at 1:53 AM in Greece

Ny New Athenian no mitantara ny zava-nitranga ny alahady maraina, raha nahazo an'i Pendeli ambanivohitry Athènes ny afo:

Olona maro no tsy natory fa niezaka niaro ny trano fonenany tamin'ny afo. Ny alahady maraina dia mbola nanao izay ho afany hamonoana ny afo manodidina ny tranony ny olona, tamin'ny alalan'ny fampiasana ratsan-kazo ôliva sy lapela, na ny fanaovana tohy vakana mitatitra rano amin'ny siny sy mampiasa tuyau fanondrahana zaridaina. Maintin'ny setroka ny rivotra, saronana amin'ny akanjo ny tarehy, na amin'ny mosoara na amin'ny serveta mba hahafahana miasa. [..]

Niandry ny fotoana farany ireo mponina tao Pendeli vao niala ny trano fonenany. Feno fiara mijanona eny an-dalana. maro no niandry teny anoloan'ny tranony, misaron-tava, ny alika mandehandeha eny akaiky eny. Mivoaka ny setroka mainty rehefa misy zavatra mipoaka. Angamba gazy na fiara nipoaka.

Ao amin'ny twitter dia nanome rohy manokana mankany amin'ny sarintany maneho ny doro tanety namboarina tao amin'ny Google Map (FIRMS) ireo mpikirakira internet mba hanarahana ny afo. Ny arofanina #grifes no ampiasaina satria io no mora ahazoana hafatra manoloana ity doro tanety ity ao amin'ny twitter. Mamaly ny vaovao alefan'ny fahitalavitra, na ny vaovao amin'ny internet, na ny fanakianana ny fanjakana ireny hafatra ireny, fa vitsy kosa no tena manome vaovao vao mafana mikasika ny afo.

Ilay mpikirakira twitter @savvakos no mampita ny vaovao ara-potoana mikasika ny fozotry ny afo, ary ampiarahany amin'izany koa ny sary ao amin'ny Google Map:

Ενεργό μέτωπο της φωτιάς στην Σταμάτα, λίγο πριν από την πλατεία #grfires http://bit.ly/t38Z5 http://twitpic.com/ezarv

Ivon'ny doro tanety any Stamata, taorian'ny #grfires http://bit.ly/t38Z5 http://twitpic.com/ezarv

Ao amin'ny twitter ihany, @kyanoun no mamoaka sary mihetsika ara-potoana mampiasa ny using Qik avy anaty fiarany raha iny izy nidina ny lalana manivaka mankany Attica iny, lalana difotry ny afo.

Afo manjelatra amin'ny maizina

Ny filentehan'ny masoandro no fotoana mampatahotra indrindra rehefa misy doro tanety tahaka izao, satria tsy maintsy mijanona ireo fiaramanidina ary efa mihareraka ireo mpamono afo. Milaza izany fotoana mangidy izany i Eric Parks ao amin'ny twitter:

@erictparks: milentika ny masoandro dia indreo ny fiaramanidina mandefa ny rano farany ao amin'ny tahiriny amin'ny jiro mitsilopy. Indreo koa mazavan'ny afo ny faritra an-jatony eny an-tendrombohitra ao anaty alina.

Grika mpanao sary Dimitrios Doukoglou no nandefa ity sary ity ao amin'ny Twitpic ny 23 aogositra:

Posted on Twitpic on August 23, 2009 by dukeoglue
Tazana avy eny an-tafontranoko, omaly alina #grfires

Olona maro no mandefa sary nalaina tamin'ny finday ao amin'ny twitter mampiasa ny Twitpic, ary manampahaizana grika amin'ny web no mamoaka ireny sary ireny, mampiasa ny rohy#grfires.

Politika sy ny afo

Teacher Dude, mpanao gazety mpaka sary monina any Thessaloniki mitodika bebe kokoa amin'ny politika ka mampifandray ny fifidianana nasionaly amin'ny doro tanety:

Na dia iharan'ny doro tanety matetika aza i Grèce dia nisy ny fanadihadihana nataon'ny toeram-pampianarana ekonomia any Athènes namoaka fa misy fifandraisany mivantana ny doro tanety sy ny fifidianana. Araka ny voalazan'i Spyros sy Niko Christodulakis dia ny an-tsasaky ny ala may tany Grèce tato aantin'ny 54 taona dia potika nandritra ny fifidianana in-16 tany an-toerana.

Niseho herinandro vitsy monja talohan'ny fifidianana solombavambahoaka tany Grèce ilay doro tanety nahatsiravina niseho tamin'ny taona 2007 iny ary maro amin'ireo mpandinika politika no milaza fa ny fanomanana ny fifidianana atsy ho asty dia tsy azo ialana.

Teacher Dude no milaza ao amin'ny twitter ny fahatsiarovany ny ady tamin'ny afo nandraisany anjara:

Mbola tadidiko foana ny zava-nitranga tany Salonique tamin'ny 1997. Nilatsaka an-tsitrapo namono afo aho tamin'izay. Tena nampatahotra ny nahita ny fandroson'ny afo.

… nanao fanamarihana somary nisangisangy koa izy:

Nahazo dikany vaovao ny sary famantarana vaovaon'ny antoko demokraty (antokon'ny fitondrana) ankehitriny. http://tinyurl.com/m4mafa #grfires

Asteris Masouras

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.