Iran: Fijoroana vavolombelona amin'ny fampijaliana sy fanolanana

Notondroin'ny manam-pahaizana tsy miankina avy ao amin'ny Firenena Mikambana sy ny mpanohitra ho mampijaly ireo mpanao fihetsiketsehana nogadraina izay nanohitra ny vokam-pifidianana ny 12 jona lasa teo ny fanjakana iraniana. Medhi Karoubi mpitarika ny mpanohitra sady mpitondra tenin'ny parlemanta taloha no nanamarina fa mpigadra lahy sy vavy no iharan'ny fanolanana .

Tsy zavatra vaovao any amin'ny fonja iraniana ny fanolanana sy fampijaliana. Kanefa ny zavatra niseho vao tsy ela izay no nitarika ny sain'ny rehetra hijery manokana ny fonja any amin'ity repoblika islamista ity. Iraniana maro, anisan'izany ilay lehiben'ny mpanao sary mihetsika antsoina hoe Reza Allamehzadeh, no mampiasa ny fampahalalam-baovao avo lenta hamoahana ireo fijoroana vavolombelona amin'ny zavatra iainana any Iran.

Milaza ny zavatra niainany tany am-ponja ny gadra politika iray, fampijaliana sy fanolanana tao amin'ny fonja iraniana anankiray tamin'ny taona 1980. Vao 17 taona monja izy tamin'izany, ary tsy nahafantatra akory izay antony nisamborana azy. Olona maherin'ny 84,000 no nijery ny fijoroana vavolombelona nataony ao amin'ny YouTube.

Kahrizak

Mpanao fihetsiketsehana an'arivony nosamborina ny volana jolay lasa teo, nisy tamin'izy ireo izay mbola naratra, no nalefa tany amin'ny fonja na tany amin'ny toerana fampijaliana antsoina hoe Kahrizak.

Indro ny fijoroana vavolombelona nataon'ny sisa velona izay navoaka tamin'ny bilaogy isan-karazany:

Nentina tany amin'ny fonja Kharizak aho niaraka tamin'ny olona am-polony maro hafa. Tao anatin'ilay efitrano, tao amin'ilay nanidiana ahy, dia nisy olona roanjato hafa, ary naratra avokoa izy rehetra, novelezina tamin'ny hazo. Feon'olona mitomany no henonao any rehetra any… Niditra ny mpiambina iray nanao akanjo sivily… Vonoiny eo izay azony vonoina. Ataony eo izany mandritra ny antsasak'adiny… Aorian'izay dia tsiloviny amin'ny jiro ny tarehanay sady miteny hoe izy: raha mitabataba eo ianareo dia darohanay amin'ity hazo ity ny fitombenanareo… Mba tsy hahafaty mosary aany dia omeny ambin-tsakafo amin'ny kitapo izahay.

Ao amin'ity resadresaka anankiray ity dia olona sisa velona hafa antsoina hoe Majed no mamelabelatra ny tsy maintsy nilelafan'ny gadra rano tamin'ny tany.

Nandidy ny hanakatonana ny Kharizak ny filoha faratampon'i Iran Ali Khamenei. Solombavambahoaka iraniana maro no nilaza fa mpiambina 12 sy mpitsara maro no voarohirohy tamin'ity afera Kharizak ity.

Nokapohina tamin'ny tariby, tsy nisy fanontaniana

Efa ho 30 taona izao no nisy ny toerana fampijaliana tany Iran, tsy an'isan'ireny ny Kharizak. Indro fijoroana vavolombelona hafa nataona iraniana iray antsoina hoe Farad, izay nilaza fa nosamborina sy nampijaliana tao amin'ny fonjan'i Evin satria nandalo teny akaikin'ny toerana nisy fihetsiketsehana.

Tsy nandray anjara tamin'ny fihetsiketsehana aho, fa nandeha fotsiny teny an-dalana. Kanefa nosamborina aho ary natao tao anaty fiara iray tokony ho tamin'ny 9 ora alina. Notapenana daholo ny mason'izay rehetra tao anatin'ilay fiara, ary nentina tany amin'ny toerana tsy fantatra izahay. 3 andro taty aoriana dia fantatro fa nentina aty amin'ny lalana Motahari (Evin) izahay. Nisy olona notondroina anjambany hamototra anay. Naharitra hatramin'ny 1 ora maraina ny namotorana ahy, kanefa tsy nametrahana fanontaniana akory aho nandritra izany na dia iray aza. Novonoina tamin'ny tariby sy zavatra hafa aho kanefa tsy nanontaniana na inona na inona akory.

Hamid Tehrani

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.