Sina: Tanora iray voadaroka mandra-pahafatiny noho ny fiankinan-doha amin'ny aterineto

Tamin'ny volana ambony, ny Ministera Sinoa momba ny Fahasalamana dia nilaza fa ny fampiasana herinaratra [electroshock treatment] hitsaboana  ny  “fiankinan-doha amin'ny aterineto” dia tokony hatsahatra. Na izany aza anefa, tsy nidika izany fa ny toeram-pitsaboana mitsabo ny  “fiankinan-doha amin'ny aterineto” dia nampitsahatra ny fampiasana fampijaliana.

Vao haingana tamin'ny 03 Aogositra, zazalahy mpianatra iray vao 16 taona, mitondra ny solonanarana Deng, no nodarohana mandra-pahafatiny tao amina  “akanin'ny tanora” iray tao Pangyu, Guangzhou. Araka ireo  tati-baovao,  i Deng dia nalefa sy nohidiana tao amin'ilay akanin'ny tanora ny tolakandron'ny 01 Aogositra. Tokony ho tamin'ny 3 tolakandro, nanambara ny fahafatesany ny tomponandraikitra ara-pahasalamana tao an-toerana. Mpanofana maro tao amin'ilay akanin'ny tanora no nosamborina sy nampangaina noho ny fidarohana nahafaty an'i Deng.

Ny tatitra koa dia nilaza fa ny raiamandrenin'i Deng dia nanome  RMB 7000 yuans ho an'ilay akanin'ny tanora  mba ho sandan'ny tolotrasa iray volana ho “fanampiana ny zanak'izy ireo hanorina fitokisana sy hanary ny fahazaran-dratsy”, amin'ity tranga ity, ny fiankinan-doha amin'ny  aterineto. Mihodina toy ny fiasan'ny fonja ilay akany ary ireo ankizy rehetra ao dia latsaky ny 24 ora daholo ny fanaraha-maso hentitra.  Ny fifamatorana [contract]  dia nanoritra fa ny akany dia  “tsy voarara amin'ny fampiasana fampijaliana sy sazy mba ho fanabeazana ny ankizy. Saingy ny fepetra dia tsy tokony hisy fiantraikany amin'ny fahasalaman'ny ankizy.”

Misy toeram-pitsaboana 300 mahery manerana an'i Sina mitsabo ny fiankinan-doha amin'ny aterineto. Na dia noraràna aza ny fomba tsy manaja ny maha-olona mampiasa herinaratra [ electroshock], dia hisy foana ny endrika fampijaliana hafa “hitsaboana” ny fiankinan-doha amin'ny vohikala [web addiction ],  iaraha-mahita rahateo ny fisian'ity “tsena midadasika” ity.

Araka ny antontan'isa, misy 338  tapitrisa ankehitriny ireo mpampiasa aterineto any Sina, ary amin'izy ireo dia  160 tapitrisa no tanora, ary 10% n'io dia voafaritra ho mpiankin-doha amin'ny aterineto.

Lahatsoratra mifandraika amin'ty ao amin'ny GVA.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.