Brezila: Hetsika [Manifeste] miantso tolona ho fanodinana bebe kokoa ny fako elektronika

Photo by marcbraz on Flickr

Sary nalain'i marcbraz ao amin'ny Flickr

Asa sarotra ny fitantanana ny fako ho an'ny firenena maro, na ireo firenena mandroso izany na ireo an-dalam-pandrosoana. Any Brezila, 10 isan-jaton'ireo tanàn-dehibe ihany no manana lamina azy  manokana ho  fikarakarana ny fako azo ahodina, raha araka ny ambaran'i André Trigueiro, mpanao gazety, profesora ary mpanadihady ao amin'ny CBN Radio Network.

Nandritra ny herinandro vitsivitsy farany teo, ny Pôlitikam-pirenena ho fikarakarana ireo  fako mivongana natolotra tany amin’ny Antenimieran’ny Solombavambahoaka Breziliana dia niteraka resa-be teo amin’ireo mpitoraka blaogy Breziliana manokana noho ny fanovana natao tamin’ny andininy faha-33, miresaka momba ny toerana tsy maintsy atao handraisana ireo fako naverina sy ny hanodinana ireo fako voasokajy manokana , izay tsy mametraka intsony ireo fitaovana elektronika ho isan'ireny. Maro ny olona no mieritreritra fa izany dia noho ny tsindry  ataon’ireo orinasa mpanodina fako sasany, noho  ny halafon'ny fikirakirana ireny fako elektronika ireny.

Fanehoan-kevitra noho ny  fanovana ilay lalàna, ny Coletivo Lixo Eletrônico (Vondrona momba ny Fako Elektronika) dia nanangana ny Manifeste ho an’ny Fako Elektronika [pt] mba hizaràna fomba fijery ny mety ho fandraisan’ny mponina Breziliana ny toerana raisin'ny fako eletronika ao anatin'ity Pôlitikam-pirenena ho fikarakarana ireo  fako mivongana ity manoloana ny  fombam-piainany. Ity misy ampahany amin’ilay Manifesto:

No Brasil, temos uma oportunidade hoje que está sendo desperdiçada. Tramita na Câmara dos Deputados o Projeto de Lei da Política Nacional dos Resíduos Sólidos (PL 203/91). É imperativo que a Política Nacional de Resíduos Sólidos contemple os equipamentos eletro-eletrônicos e que estes sejam enquadrados como produtos especiais de logística reversa e reciclagem obrigatória. Os eletro-eletrônicos estarão cada vez mais presentes na nossa vida, trazendo benefícios na mesma velocidade em que produzem mais lixo com o qual ainda não lidamos corretamente. Regulamentar sua destinação é condição urgente e necessária para que possamos continuar a nos beneficiar dos avanços da tecnologia de maneira sustentável, sem pagar um alto preço ambiental e à saúde de nossa população.

Any Brezila, manana vàhana iray isika nefa toa lanilany foana ara-bakiteny izany. Iadiana hevitra any amin’ny Antenimieran’ny Solombavambahoaka Breziliana izao ny lalàna momba ny Pôlitikam-pirenena ho fikarakarana ireo  fako mivongana  (PL 203/91). Ilaina dia ilaina tokoa raha ny pôlitika toy izao hijery ny fitaovana elektronika sy handray azy ireo ho vokatra manokana mila fitsimponana sy famerenana. Matetika ireo vokatra elektronika no lasa ampahan’ny fiainantsika, mitondra tombontsoa nefa koa lasa fako amin’ny hafainganana mbola tsy voafehintsika. Fepetra ilaina sy tsy maintsy ataontsika ny fandrindràna  sy ny famaritana ny lalan-kizoran’ireny vokatra elektronika ireny mba hahazoana tombontsoa avy amin’ny fandrosoana teknolojika amina lamaody maharitra, nefa tsy ho fatiantoka be ho an'ny fahasalaman’ny mponina sy ny tontolo iainana.

Azo jerena ao amin’ny blaogiko manokana ilay lahatsoratra feno voadika momba ilay Manifeste.

Nandritra ny resadresaka iray [pt] ao amin’ny blaogy Primeira Mão (First Handed), Felipe Andueza, avy ao amin’ny blaogy Fako Elektronika, iray amin’ireo tompon’andraikitry ny Manifeste, dia namaly toy izao rehefa nanontaniana ny fomba fikarakaran’i Brezila ny fako elektronika:

Na esfera federal, há somente a Lei de Crimes Ambientais, que institui a responsabilidade até a deposição adequada de todos os produtos potencialmente contaminantes por seus fabricantes e algumas Resoluções CONAMA sobre pilhas e baterias. […] Boa parte deve parar no lixo doméstico, principalmente o que não pode ser doado, reaproveitado e etc. Estima-se que mais ou menos 1% do lixo eletrônico produzido no Brasil seja reciclado, somente.

Eo amin’ny sehatra nasionaly, ny Lalàna ho an’ny Heloka amin’ny Tontolo Iainana ihany no mbola misy sy mametra ny  andraikitra eo amin’ny vokatra misy poizina mandra-pikarakara azy ireo araka ny tokony ho izy, ary misy vahaolana vitsivitsy ho an’ny vatoaratra avy amin’ny komitim-pirenena misahana ny Tontolo iainana. […] Ny ampahany betsaka amin’ny karazana fitaovana toy ity dia mifarana any amin’ny fanariam-pakom-pokonolona, indrindra indrindra ireo izay tsy afaka atolotra na averina ampiasaina. Novinavinaina fa eo amin’ny 1 isan-jaton’ny fako elektronikan’i Brezila ihany no voaodina amin’izao fotoana izao.

Raha mitombo hatrany ny fangatahana fanodinana manokana [recyclage],  tsy mitondra an’i Brezila any amina làlana tsy mifanaraka amin’ny fitomboan'ny mponina sy ny  ara-toe-karena kosa ilay fanitsiana ny lalàna. Tsara koa ny manamarika fa, ho an’ny olona maro, ireo toerana  ho fandraisana ireo vokatra eletronika dia mety ho làlana tsara ho fandrisihana tetik’asa firotsahana an-tsehatra ara-‘digital’   amin’ny fangalàna tombon-tsoa avy amin’ireo vokatra elektronika izay mbola mandeha tsara.

Mba hahazoana fanohanana ho an’ity Manifeste ity dia nisy fanangonan-tsonia amin’ny aterineto noforonina ary efa manangona mpanohana tsikelikely avy amin’ny aterineto Breziliana. Ilaina ny mampita haingana ny hafatra hanerana ny tany satria mety ho voafidy miaraka amin’ilay fanovana tsy mifanaraka amin’ny tontolo iainana ilay lalàna, nefa ny haino aman-jery manjaka any an-toerana dia tsy nanitatra lavitra an’io resaka io.

lixoeletronico1

Sary avy amin’ilay mpampiasa Flickr, Galeria de Milton Jung CBNSP

Anaty tsikera iray ao amin’ilay blaogy Hetsika ho an’ny Fako Elektronika [Electronic Waste Manifesto], Walfrido Assunção dia nahatsiaro fotoana iray izay nanariana ny kodiarana teny rehetra teny, toy ny renirano, nefa tsy nahasarika akory ny mason’ireo mpandalina tontolo iainana sy ny mponina; ary mitondra [pt] fanamarihana mahaliana iray, hoy izy:

[…] Quem de nós não tem no porão, na garagem ou numa prateleira qualquer um televisor ou computador obsoleto “esquecido”? Quem de nós não tem um (ou vários) telefone celular obsoleto em uma gaveta qualquer? Esses eletro-eletrônicos hoje que são “parte da paisagem ou da decoração”, no futuro não muito distante se tornarão também num preocupante passivo.

[…] Iza amintsika no tsy manana vata fahitalavitra na solosaina tsy miasa ary nariana any amin’ny fitoeran-korontana [lakavy], garazy na ‘armoire’? Iza no tsy manana finday antitra iray (na maro) any anatyvata sarihana any?  Ireny fitaovana elektronika ireny izay “ampahany amin’ny haingo-trano” amin’izao fotoana izao dia hivadika ho andraikitra mampatahotra aoriana kely ao.

Mizara ny heviny koa i Karine Estevam ao amin'ilay lahatsoratry ny blaogin’ny hetsika ary miteny fa:

Achei maravilhosa esta iniciativa de fazer o Manifesto, afinal precisamos participar incisivamente do processo de formação das Politas Publicas Ambientais.

O lixo é uma questão muito seria e extramamente relevante, principalmente este tipo de lixo já que não se tem ideia do período de decomposição e por isso deve-se buscar alternativas para o seu descarte.

Vou assinar com todo prazer!

Hitako fa tsara be ny fanapahan-kevitra hamorona ilay hetsika , sady isika koa tokony mandray anjara mavitrika amin’ny tetik’asa famoronana pôlitika iraisana momba ny tontolo iainana.
Olana matotra sy tena manahirana ny fako; indrindra indrindra ny karazam-pitaovana toy itony, satria tsy fantatsika ny taha-pahalevonan'izy ireny, ary izany no antony ilantsika mahita vahaolana hafa hikarakarana azy ireny.

Amim-pifaliana no hanasoniavako an'ity!

Manome ny heviny momba izany i Celedo miaraka amina teboka  petraka, ary , manoritra [pt] fa:

O mundo está uma verdadeira imundície!

O lixo diário e por vezes lixo por segundo (nova medida de lixo/tempo) é produzido pelo consumismo exacerbado da humanidade… espero que não sejamos omissos neste caso de importância mundial!

Tena maloto mihitsy ity tany ity ankehitriny!
Ny fako andavanandro, amin'ny tranga sasany ny famokarana fako isan-tsegondra (mari-pandrefesana vaovao ny taham-pitomboan’ny fako), dia vokatry ny fanjifàna(?) [consumerism] diso tafahoatra ataon'ny olombelona… Manantena aho fa tsy hangina fotsiny isika manoloana ny olana goavana itambaram-be tahaka izao!

Raha fintinina izany, ny fitadiavana fomba fandrindràna ireo fako avy amin'ny indostria elektronika dia tahaka ny manome soso-kevitra sy mamorona fomba fiaina maharitra sy fomba fanodinana  ireo fitaovana elektronika. Na ny ‘cyberactivism’ na ny fandraisana anjara amin'ny aterineto dia samy manaitra ny fahatsiarovan-tena ny amin'ny filan'ny vahoaka izay itsahan'ny tombontsoan'ireo indostria ara-toe-karena ankehitriny amin'izao fotoana izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.