Karaiba: Vitan'i Bolt indray letia a!

Medaily volamena Olaimpika sy fitazonana ny zava-bita vaovao manerantany eo amin'ny hazakazaka 100 metatra sy 200 metatra no vitan'ilay Jamaikana Usain Bolt, ary tao anatin'ny fandresena nahoraka sy nahavalalanina no nahavitany izany tamin'ny faran'ny herinandro nandritra ny fiadiana tompondaka manerantany IAAF notontosaina tany Berlin, tafiditra 9.58 segondra nanamontsana ny zava-bitany tsara indrindra. Mientanentana ny mpamaham-bolongana any amin'ny faritra, indrindra ny any Jamaika…

Tsy menatra i Life, Unscripted, on the Rock niteny:

Mi glad bag buss!

BIG UP, Bolt and Asafa. Lightning Bolt scorched, and Asafa [Powell, who took home the bronze for Jamaica in a time of 9.84] showed us what he’s made of.

Congratulations are also due to all the Caribbean participants on a job well done.

Voan-dalana masaka mahafeno harona leitsy!ITY ‘TY IZY, ry Bolt sy Asafa. Nasehon'ilay mitselatra Bolt sy Asafa[powell zay nahazoan'i Jamaika ny medaily alimo tao anatin'ny 9.84] antsika indray hoe iza moa izy.

Arahabaina ihany koa ny Karaibiana rehetra nandray anjara nahavita zava-dehibe.

Niresaka momba ilay fandresena ny Abeng News Magazine:

Usain Bolt’s sizzling 9.58 sec world record 100 meters run on Sunday gave Jamaicans one more reason to celebrate, despite the tough economic times facing the island.

Nanome fomba iray hafa hifalian'ny Jamaikana indray tamin'ny alahady ny nahazoan'i Usain Bolt tao anatin'ny 9.58 segondra ny hzakazaka 100 metatra, na dia eo aza ny fahasarotana ara-toe-karena mahazo ny nosy.

Tsy very anjavony ihany koa ny dikan'ity zava-bita ity aho an'ny The Phoenix in a Gas House:

One day Usain Bolt is going to do something that a normal human being might do. He'll spill his tea, or drop his chicken nuggets, or trip over his shoelaces.

One day. For now, he astonishes and astounds with everything he does.

Almost exactly 73 years ago in this Olympiastadion, Jesse Owens produced an athletic performance that made sporting history. Before Sunday night, it seemed impossible that anyone could ever match those deeds.

That was before 9.58 seconds. That was before Usain landed.

The greatest 100m in history? Surely. The greatest sprinter ever? Unquestionably.

Vitan'i Usain Bolt indray andro ny tokony ho vitan'ny zanak'olombelona tsotra. Handraraka ny dite-ny izy, na misy poti-kenan'akoho avy aminy, na ho voafingan'ny tadi-kirarony izy.Indray andro. Manomboka izao dia hahagaga sy hahatalanjona izay rehetra ataony.

Saiky 73 taona lasa katroka izao teo amin'io Olympiastadion io ihany i Jesse Owens no nahavita hazakazaka izay noraiketin'ny tantaran'ny fanatanjahantena. Talohan'ny alahady alina, dia noheverina fa tsy ho vitan'olombelona mihitsy ny vokatra tahaka izao.

Talohan'ny 9.58 segondra izany. Talohan'ny nahatongavan'i Usain izany.

Hazakazaka 100m halaza indrindra eo amin'ny tantara ve? Mihitsy. Mpihazakazaka faingana indrindra hatramin'izay? Tsy azo iadian-kevitra izany.

Mbola mangovitry ny hagagana sy ny hafaliana hatrany i Girl With a Purpose, – nanampy i Stunner's Afflictions:

Once again the man dubbed the fastest man on earth has proven why he got that title and in fine style.

Mbola noporofoin'ity lehilahy heverina ho faingam-pihazakazaka eto an-tany ity indray hoe nahoana izy no nahazo ny amboara tamin'ny endrika meva.

Nanome lanja azy ity ihany koa ny mpamaham-bolongana avy any Trinidad and Tobago. Nolazain'i Trinidad and Tobago News Blog ho “mahagaga” ity fandresena ity ary hoy ny ttgapers.com:

Usain Bolt proved again he races in a world all his own.

Noporofoin'i Usain Bolt indray fa mihazakazaka eto an-tany araka izay tratry ny heriny izy.

Ny hajia nampiasaina tamin'ity lahatsoratra ity, “Puma press ad in honour of Usain Bolt's world records at Beijing”, dia avy amin'i teemus, arovana araka ny dinan'ny Creative Commons. tsidiho teemus’ flickr photostream.

Janine Mendes-Franco

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.