USA: “Ho roahina hody aho amin'ny Alarobia”

Vaovao farany:   Raha nampanantsoin'ireo manampahefana i Herta ny 19 Aogsitra dia nambara taminy fa afaka mijanona ihany izy hatramin'ny 9 Novambra. Nolazainy [Herta] fa antontan-taratasy avy amin'ireo mpanohana  mirefy efa ho 30 sentimetatra [9-inch]  ny haavony no nangatahan'ny mpisolovava miaro azy hampiarahana amin'ireo antontan-taratasy rehetra momba azy. Mitohy ny hetsika.

Herta Llusho dia mpianatra vao 19 taona mety ho voaroaka hiala an'i Etazonia hody any Albania amin'ny Alarobia 19 Aogositra.

Mpitoraka blaogy maro ao amin'ny DreamActivist.org sy blaogy maro hafa ho an'ny zon'ny mpifindra monina  no miantso ny Amerikana mba hanampy amin'ny fanemorana ny fandroahana azy mandram-pandàny  ny lalàna vaovao izay hahazoany alàlana hijanona.

Ary dia namoaka lisitra lavabe ry zareo  ahitàna ireo fomba rehetra azon'ny olona anampiana, isan'izany: fiantsoana ireo loholona sy mpikambana ao amin'ny kaongresy, fiarahana amin'ireo vondrona sy fikambanana na mitoraka blaogy tsotra fotsiny izao momba ny tantarany.

Ny tantaran'i Herta

Herta Llusho dia freshman iray ao amin'nyAnjerimanontolon'i  Detroit Mercy, mandranto fahaizana manokana momba ny génie électrique.

Valo taona lasa izay, fony mbola zaza, Herta Llusho dia tonga teto Etazonia avy any Albania niaraka tamin'ny reniny, hanenjika ny ‘Nofinofy Amerikana’. Nandia ireo ambaratonga fototra sy ny ambaratonga faharoa tamim-pahamendrehana izy.

Llusho (third from the left) with friends during her high school graduation ceremony.

Llusho (fahatelo avy any ankavia) miaraka amin'ireo namany nandritry ny lanonana fanolorana diplaoma ambaratonga faharoa ho azy.

Ara-pamaritana, Herta dia “mpifindra monina tsy manana taratasy ara-dalàna” nefa ny fianakaviany efa niezaka foana ny haha-ara-dalàna azy hatrany amin'ny taona voalohany nandiavany an'i Etazonia. Ny 19 Aogositra, mety hirodana ny fanantenan'izy ireo ny hoavin-dratovovavy. Izany dia nony naminavina ny hamerina azy any Albania ny U.S. Department of Homeland Security (DHS).

Tanaty imailaka iray nalefa ho an'ireo misoratra ao amin'ny Dreamactivist.org , manoratra i Hersha hoe:

“Na teo aza ny ezaka tsara nataonay, ny 19 Aogositra, dia halain'ny  Department of Homeland Security (DHS) hiala amin'ny toerana tokana hany mba fonenako aho. Halefa hiverina any amin'ny firenena iray izay efa nanjary toy ny toerana vahiny amiko. Efa tsy dia mahay miteny tsara intsony ny Albaney aho.”

Nijanona any Albania ny rain'i Herta, raha ny reniny sy ireo iraitampo aminy kosa nitsaka niampita ny Ranomasimbe Atlantika.

“Nitondra ahy ho aty Etazonia ny raiamandreniko satria nino ny fampanantenana ny amin'izay azon'ity firenena ity atolotra ry zareo. Ho azy ireo dia tanin'ny fahafaha-manao rehetra, ny soatoavina sy ny idealy ny eto. Nifikitra mafy tamin'ny finoana ilay Nofinofy Amerikana ry zareo, izay midika fa ny ezaka mafy, ny fandrantoana fahalalana, ny toetra tsara mety ho vitan'ireo taranany no hahatanteraka izay mba nirian'izy ireo.”

Ao anatin'ity video ity, natao niaraka tamin'i  Kyle de Beausset avy ao amin'ny Citizen Orange, dia azavain'i Herta ny zavatra miandry azy.

Mitoraka blaogy ho an'i Llusho

Mpitoraka blaogy maro no nanoratra ny momba an'i Herta ary mandrisika ireo mpamaky mba hiady ho amin'ny mahazo azy, isan'ireny ny American Humanity, B-Listed, Documenting Me, Nuestra Voice ary ny Standing FIRM.

Change.org dia nampiantrano fanangonan-tsonia eto amin'ny aterineto [online petition] ho fanampiana an'i Herta, ary ny SEIU (Service Employees International Union) dia nanamora ny antso an-tarobia mankany amin'ireo loholona avy ao amin'ny vohikalan-dry zareo. Ao amin'ny Facebook , ny zava-mahazo an'i Herta dia nahasintona mpanohana efa mihoatra ny  2000.

Kyle avy amin'ny Citizen Orange dia nanoratra momba ny fihaonana tamin'i Herta sy ny anadahiny zokiny indrindra  Lirjon, izay manana taratasy maha-mpianatra azy [student visa].

“Lirjon sy Herta dia olona mahatalanjona. Manana tombony manokana i  Herta amin'ny fananana anadahy toa an'i Lirjon izay tsy sasatry ny nanohana azy hatrany. Na dia nandritry ny fotoana fohy monja nampahafantaran'i Lirjon sy  Herta ny momba azy ireo tamin'ny fianakaviako aza, dia nisy fiantraikany mafonja. Fotoana niavaka ho ahy koa izy iny. Zatra ny mahita ahy mitendry foana eo amin'ny solosaina ny fianakaviako. Ity no fotoana voalohany nifanatrehany vatana tamin'ireo olona izay nanohina ahy ny fiainany.

Tohizany:

“Angamba tsy mila ahy akory i Herta hamariparitra azy ity toy izao, saingy Etazonia dia nandrora teny amin'ny tavany nefa fitiavana fotsiny ihany no nasetriny izany. Izay fitiavana lalina, marina, sy mahatehotia izay manoloana ny endrika  tsy rariny, rehefa ataon'olona na dia iray monja aza, dia mahavita be lavitra ho an'ny tontolo noho izay vitan'ny fanehoan-kery ataon'olona an-tapitrisa maro tezitra. Amin'ny fitolomany mba hijanona any Etazonia, i Herta dia mandray anjara amin'ilay ambaran'i  Gandhi hoe “satyagraha”, izay nadikan'i  Dr. Rev. Martin Luther King, Jr. matetika hoe  “herin'ny-fahamarinana” na “herin'ny-fitiavana.” Ireo rehetra manohana an'i  Herta dia mandray anjara koa amin'ilay satyagraha.”

“Manohy mino aho…”

Miaraka amin'ny fanohanan'ny DreamActivist, Citizen Orange, ary maro hafa koa  – nozarain'i  Herta tamin'izao tontolo izao ny tantarany. Ny fanantenan-dry zareo dia ny mba hahalàny ilay volavolan-dalàna antsoina hoe The DREAM Act ato ho ato. Izy io dia hahafahan'ireo mpianatra tsy manana taratasy ara-dalàna, toa an'i  Herta, ho tonga mpiorina ara-dalàna rehefa ialohavana fepetra isan-karazany, toy ny taona nahatongavana sy ny fe-taona handratoana fahalalàna.

Na dia nolavin'ireo mpanao lalàna federaly aza ilay tolo-dalàna tamin'ny taona 2007  tamin'ny voalohany, dia naverina nampidirina indray ilay izy miaraka amina fanitsiana vitsivitsy tamin'ny Martsa 2009 ary  ireo mpanohana dia manantena fa hahazo ny fanohànana sahaza azy izy io  mba ho lany  amin'izao maha eo an-toerana ny Filoha Barack Obama izao. Tsy maintsy tafita io, vinavinaina ho manodidina ny 65.000 ireo mpianatra tsy manana taratasy ara-dalàna niditra an'i Etazonia tamin'ny androm-pahazazan'izy ireo no mety hahazo alàlana hipetraka.

Manantena i Herta fa ny fiainany dia mety handray kihon-dàlana mitovy amin'ny an'ny mpianatra mpifindra monina iray hafa 18 taona tsy manana taratasy, Taha ao New Jersey. Taha, dia toa hoe voaroaka hody any amin'ny tanin'ireo razany any  Bangladesh –  kanefa, taorian'ny tohana avy amin'ny loholona roa sy Amerikana maro hafa – Homeland Security dia nanemotra ny fandroahana azy.

Amin'izao fotoana izao, mangataka ny toy izay koa i Llusho.

“Ampio aho hanemotra ny fandroahana ahy mandram-pahavitan'ny fianarako any amin'ny Kolejy na mandram-pandaniana ny  DREAM Act. Ampio mba hanavao ilay fampanantenan'ny Nofinofy Amerikana [American Dream] ho ahy, amin'izay isika miaraka no afaka miara-miasa hanavao ny  fampanantenan'ny Nofinofy Amerikana ho an'ny isam-batan'olona”

1 hevitra

  • Solana

    Hello Avylavitra

    I just added this update at the top of the original post:

    Update: When Herta reported to the authorities on August 19 she was told she can remain in the country until November 9. She says there was a 9-inch stack of letters from supporters that her attorney has asked be added to her file. The campaign continues.

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.