Indonezia: Mipatitaka ny fampihorohoroana

Nibahan-toerana tamin'ny televiziona Indoneziana ny fifampitifirana teo amin'ny vondrona Densus 88 miady amin'ny mpampihorohoro, ny polisy andaniny ary ny ankilany kosa dia ny vondron'olona heverina fa tarik'i Noordin Mohammed Top sy ny tariny, mpampihorohoro tadiavina indrindra tamin'ny 8 aogositra lasa teo tany ambanivohitr'i Temanggung anivontanin'i Java. Teratany Maleziana heverina ho nanomana ny fanapoahana baomba tany amin'ny nosy Bali sy ireo baomba indroa misesy vao haingana tany Jakarta iny io Top io.

Nivezivezy nanerana an'i Java nanangona olona hanao vivery ny ainy hitondra baomba nandritra ny taona maromaro i Top, ary iray amin'ireo izay 18 taona i Dani Dwi Permana, izay nitondra ilay nipoaka tao amin'ny J.W. Marriott Jakarta iray volana lasa izay. Nino i Dani fa misaritaka ny Islam ka ny Jihad ihany no afa-manadio izany.

Andro vitsivitsy taty aorian'ny fifampitifirana dia nitatitra ny filazam-baovao fa tsy Noordin ilay mpiady maty fa i Ibrohim, izay mpiasa taloha tao amin'ny J.W Marriott sady mpankasitraka an'i Noordin ary nanampy tamin'ny fampidirana ireo dinamita tao amin'ity trano fandraisam-bahiny kintana dimy ity.

Angry Infidel , Mpamaham-bolongan'ny dite sy ny Politika no nanoratra:

Bad news: the dead man was a florist and an admirer/follower of Noordin […]

Noordin knows very well how to elude the police and has dedicated time to improve his net of supporters. They even think he is like a “pop star”, something which explain that some other guy offers himself to die in his place (and of course, the possible brainwashing as in the sects). His legend (and as a result, his admirers) and the possibility of making everyone who took part in Bali bombers’ trial of getting killed have grown these days: no prudent Govt. would have said anything about him being killed, if there was a possibility (even if it was remote) of him escaping the siege. Specially because Noording has escaped repeatedly in the past from the police. President Susilo Bambang Yudhoyono is the first man on Noordin’s “kill list” as we have seen now.

Vaovao ratsy: Mpanao voninkazo mpankasitraka an'i Noordin ilay maty […]
Hain'i Noordin tsara ny midify ny polisy ary nanam-potoana izy hanentanany bebe kokoa ny mpanohana azy an-tserasera. Eriteretin-dry zareo ho tahaka ny “pop star” aza izy, ary izay no mety mahatonga ny boay sasantsasany manolo-tena ho faty hisolo azy (mazava loatra ny mety hisian'ny fanasana ati-doha tahaka ny any amin'ny sekta). Nitombo ny anganongano momba azy (mahatonga ireo mankalaza azy amin'ny ataony) sy ireo nandray anjara tamin'ny fanapoahana baomba tany Bali nisy namono tao ho ao : tsy tokony hisy governemanta hiteniteny foana ny fahafatesany, raha mbola misy foana ny fahafahany mandositra miala amin'ny fahirano. Indrindra moa fa afa-nitsoaka matetika tamin'ny polisy i Noordin. Lohalisitry ny olona hovonoin'i Noordin araka ny hitantsika ankehitriny ny filoha Susilo Bambang.

Araka ny nolazain'ny vavahadin-tserasera Detik, dia efa nomanina ho amin'ny fanafihana ny trano fipetrahan'ny filoha Susilo Bambang Yudhoyono any Cikeas [id], Java andrefana i Ibrohim. Efa voamariky ny manampahaizana manokan'ny JI ho iray amin'ireo mpitolona mangina an'i Noordin ihany koa io Ibrohim, 36 taona manan-janaka efatra io, izany hoe afa-miverina tsara any anaty fiaraha-monina any izy rehefa nahavita ny adidiny.

Namoaka an-tsarintany ny fanafihana nataon'ny vondrona miady amin'ny mpampihorohoro 88 amin'ny tarika mpampihorohoro Noordin Top ny mpamaham-bolongana Patung.

Namoaka ny heviny tao i Parvita:

For one Noordin that died, there are hundreds of Noordin born. Noordin have spread his teachings. I was plainly amazed that the police managed to catch the person that will commit suicide bombing in August. I would really like to know what is in the suicide bombers mind.

Raha misy Noordin iray maty, dia misy Noordin an-jatony teraka. Efa naelin'i Noordin ny fampianarany. Feno hagagana mihitsy aho raha niezaka ny nanafina ilay olona hanao vivery ny ainy amin'ny fanapoahana baomba amin'ny volana aogositra ny polisy. Tiako ho fantatra mihitsy hoe iza moa izy ary inona no ao an-tsain'ny mpanao vivery ny ainy.

Namoaka ny heviny tao amin'ny navoakan'i Patung ihany koa i Odinius hoe:

Good bloody riddance. Unfortunately, the extremist pigs, the sheep who follow them, and the weasels who publicly defend them will likely continue to blame anyone and everyone else for the bombings. Any rational person, though, has to conclude that this has been a problem within Indonesian Islam, and had to be dealt with in large part by Indonesian Muslims. This is exactly what happened. Not to denigrate or marginalize the role of non-Muslims Indonesians, or the assistance of foreign governments in aiding Indonesia with intelligence and funding for Densus 88, but the government’s ability to politically go out and take these muther f***kers out has more to do with the general sense of revulsion against the bombings and the perversion of Islam that they represent. This was not really present in the earlier bombings to the degree that it has been since July.

Tsara ho azy izany. Saingy mbola hitoroka ny hafa rehetra ho tompon'andraikitra nahatonga ny fanapoahana baomba ihany ry kisoa mpandray an-tendrony, ny ondry izay tarihin'izy ireo ary ry le mpiaro azy ireo ampahibemaso. Izay rehetra manan-tsaina kosa anefa dia hamehy fa olana ao anatin'ny Islam Indoneziana io, ary tsy maintsy vahan'ny maro an'isa ao amin'ny Miozolomana Indoneziana. Izay no tena fitrangany. Tsy tokony hanaratsy na hametraka anjorombala ny Indoneziana tsy Silamo, na ny fanampian'ny firenena vahiny an'i Indonezia tamim-paharanitan-tsaina ka nananganana ny Densus 88, fa any amin'ny fahaiza-manaon'ny governemanta manazava fa tsy tahaka ny sain-dry tsy vanona ny fihevitry ny besinimaro tsy tia io fanapoapoahana baomba io ary fahadisoan-kevitra momba ny Islam no isoloan'ireo adalabe ireo tena. Tsy mbola fahita loatra manko io fanapoahana baomba io talohan'ny volana jolay.

Naneho ny fanohanany sy ny hafaliany noho izay vitan'ny polisy sy ny Densus 88 tamin'ny alalan'ny sioka an-tserasera Twitter ny olona.

yang maulana@yangmaulana

Tsy maninona na i Noordin M. Top iny na tsia, fa ireharehanay ny vitanareo ry Densus 88 Indonezia. Tsara ny vitanareo, indrindra fa ny any #indonesiaunite
azman rusli

Ibrohim iny fa tsy i Noordin. Arahabaina ny Polisy Indoneziana sy ny Densus 88 ao aminy nahavita dingana lehibe amin'ny fikarakarana (ady?) amin'ny fampihorohoroana eto Indonezia.

Niaiky ny asam-pikirizana nataon'ny polisim-pirenena ny filoha Susilo Bambang Yudhoyono, nandritra ny kabariny [id] tamin'ny fahatsiarovana ny fahaleovantena.

Pada kesempatan yang baik ini, saya sampaikan terima kasih dan penghargaan yang tinggi kepada segenap jajaran Kepolisian Negara Republik Indonesia yang tidak kenal lelah dan menyerah dalam memberantas terorisme di tanah air. Saya minta, aparat kepolisian dan jajaran aparat keamanan lainnya untuk tidak pernah lengah. Terus tingkatkan kewaspadaan, serta cegah dan berantas aksi teror hingga ke akar-akarnya, di manapun mereka berada, siapapun mereka, dan apapun motivasinya.

Amin'ity fotoana mahafinaritra ity no tiako anehoako ny fankasitrahako sy ny fanajako ambony indrindra ny nataon'ny polisin'ny Repoblikan'i Indonezia tsy nitandro hasasarana sy ny fikirizan'izy ireo amin'ny famongorana ny asam-pampihorohoroana eto amin'ny firenentsika. Miangavy ny polisy sy ny mpitandro ny filaminana hafa aho mba tsy hatoritory mihitsy amin'ny fiambenana. Aleo ho vonona mandrakariva, na amin'ny fanakanana sy ny famongorana ny asam-pampihorohoroana, na aiza na aiza misy azy ireo, na iza izy ireo na iza ka tsy jerena ny mahatonga azy ireo hanao izany fihetsika izany.

Carolina Rumuat

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.