Porto Rico: miady tanim-panjakana

residentes-1
Mponin'i Villas del Sol – saripikan'i José Antonio Rosario nahazoana alalana tamin'ny Prensa Comunitaria.

Vao namoaka didy ny fitondrana Porto Rikana hanaisotra any Villas del Sol fokontany any Toa Baja, fianakaviana miisa 200 lazainy fa mibodo ny tany izay mora tratran'ny tondra-drano. Nandefa gazy mandatsa-dranomaso ny mpitandro ny filaminana ary nanafika ny fokonolona, izay mpifindra monina avy any amin'ny Repoblika Dominikana ny ankamaroany.

macanas
Polisy teo am-pidirana ny fokontany – saripikan'i José Antonio Rosario nahazoana alalana hivoaka eto tamin'ny Prensa Comunitaria.

Efa notapahin'ny fitondrana ny jiro sy ny rano tao tamin'ny herinandro. Nanohitra ity didy fandroahana ity ireo fianakaviana maro tamin'ny filazan'izy ireo fa efa an-taonany maro no nipetrahany teo, teo no nanorenany ny tranony sy nananganany ny fokontany, ary noroahina tsy nisy fampilazana mialoha ry zareo. Efa an-taonany maro ny sarangan'olona niangaran'ny vintana, tany Porto Rico, no nanori-ponenana teny amin'ny tanim-panjakana satria zara fa nisy ny politika sosialy sy ny fandaharan'asa tontosain'ny fitondrana ankehitriny hampihenana ny fahantrana sy hanomezana toeram-ponenana takatry ny sarambambem-bahoaka.

Nampamaivay adihevitra teo amin'ny tontolom-bolongana Porto Rikana ity fifanoheran-kevitra ity. Ao amin'ny bolongany Poder, Espacio y Ambiente (ES), ny mpampiana-dalàna sy manampahaizana momba ny tontolo iainana, Erika Fontánez, no manameloka ny herisetran'ny Polisy (ES):

La realidad es que por ser dominicanos, muchas de estas familias han tenido que soportar por todos estos años la discriminación, violencia e intimidación de la policía y de funcionarios de vivienda y hoy fue el más reciente episodio, justificado públicamente por el hecho de que no son propietarios. No son propietarios, cierto, pero acaso eso los descualifica de su dignidad humana, acaso el no serlo les priva de sus derechos civiles, de la dignidad y respeto. ¿No merecen, por no ser propietarios, un trato humano?

Ny marina dia Dominikana izy ireo, ary efa niaritra ny fanavakavahana sy ny fandrahonana avy amin'ny polisy sy ny manam-pahefana avy eto an-toerana nandritra ny taona maro. Androany ny raharaha akaiky indrindra, nohamarinina ampahibemaso fa tsy azy ireo ny tany ipetrahan-dry zareo. Marina fa tsy tompony izy ireo, saingy midika ve izany fa tsy manana ny haja maha-olona azy izy ireo? Fa angaha ny tsy fananany trano no mametraka azy ireo fa tsy hanana ny zony, ny fahamendrehany ary ny hajany izy ireo? Tsy mba mendrika ny heverina ho olombelona angaha izy ireo na dia tsy mba tompon'ny tany aza?

pistola
“Pistola” – saripikan'i José Antonio Rosario nahazoana alalana tamin'ny Prensa Comunitaria.

Manontany ihany koa i Fontánez hoe fa nahoana moa ny governemanta no mametraka fenitra samihafa amin'ny mpanorin-trano amin'ny toerana iray mampidi-doza na amin'ny tany tsy ara-dalàna:

Y es que para los ciudadanos la implantación de la ley por medios violentos en este caso carece de legitimidad cuando ven que se aplica selectivamente contra un sector que está irrumpiendo el ordenamiento porque carece de un derecho básico y se le vuelca contra sí toda la violencia y el poder del estado, mientras otros irrumpen la ley para el lujo de casas de verano y permanecen impunes.

Eto dia tsy omen'ny olona rariny ny fanaovana herisetra amin'ny fampiharana ny lalàna rehefa hitan'izy ireo fa misy sokajin'olona iray kendrena manokana, ka manitsakitsaka ny fahefam-pitsarana satria tsy manana ny zo fototra izy ireo ary mety iharan'ny herisetra sy ny fahefan'ny fitondrana, nefa ny hafa kosa mandìka lalàna hananana trano fipetrahana fahavaratra mirentirenty, nefa tsy mba faizina.

Michael Castro, mpanoratra ao amin'ny bolongana Poder 5 (ES), no niteny hoe:

Aquí hay un dilema entre lo justo y lo legal. Ellos están violando la ley pero no por eso es justo que se les tire a la calle y se les deje desamparados sin un techo.

Misy zava-manahirana eto manavaka ny hoe inona no rariny ary inona no ara-dalàna. Nandika lalàna izy ireo, saingy tsy midika izany fa rariny ny handroahana azy ireo ho eny an-dalambe ka avela tsy hanana toera-ponenana izy ireo.

nene-1
Ny mponina sy ny polisy – saripikan'i José Antonio Rosario nahazoana alalana hivoaka eto avy tamin'ny Prensa Comunitaria.

Nanipika ny mpanoratra ao amin'nyEl blog de Sheila Vélez (ES), izay mpahay lalàna fa:

Se trata de un derecho humano fundamental: el derecho a una vivienda adecuada. Ciertamente las estructuras que conforman la comunidad Villa del Sol distan de ser “viviendas adecuadas”. El suelo: inundable, las paredes: frágiles, los techos: de zinc y sin anclajes, agua potable y electricidad…En Puerto Rico existe un problema histórico de acceso a vivienda adecuada para amplios sectores de nuestra sociedad. Sobre todo en un sistema económico que privilegia la propiedad privada de la tierra y la vivienda. Y donde el concepto de vivienda aceptado socialmente se relaciona a una estructura unifamiliar, terrera y privada.

Zon'olombelona fototra ny zo hanana toera-ponenana mendrika. Lavitra dia lavitra amin'ny fepetran'ny toera-ponenana mendrika ny fotodrafitr'asa mipetraka any Villas del Sol. Mora tratran'ny tondra-drano ny tany; malemy ny rindrina; tafo vita tamin'ny fem-barika; tsy misy jiro sy rano…Efa hatramin'ny ela no nitoetra ny olan'ny fahazoan'ny sarangan'ny maro an'isa trano fonenana mendrika. Any amin'ny rafitra ekonomika manome vahana ny ‘tany mana-tompo tsy azo idirana’, ary fianakaviana iray no ekena eo amin'ny fiaraha-monina fa tompon’ ny tany na/sy ny trano, dia tantara tokana no mandrafitra ny ‘efa manan-tompo’.

Villas del Sol no fokontany faharoa nanintona ny tontolom-bolongana tamin'ity fahavaratra ity. Nanasonia ny fandravana ny tetikasa vaovaon'ny fokonolona hananganana fananan-tany iombonana antsoia hoe Fideicomiso de Tierras del Caño Martín Peña ny governoran'i Porto Rico, Luis Fortuño, tamin'ny volana jona. Manazava ao amin'ny bolongany Trans(actions): Trans(acciones) (ES), ny mpianatra haka ny mari-pahaizana dokotorà momba ny fandaminana rafitr'asa sy fampivelarana, Deepak Lamba-Nieves, izay nandray anjara ihany koa tamin'ny fananganana ny tetikasa:

El Fideicomiso de Tierras del Caño Martín Peña, orquestado por el Proyecto Enlace y el Grupo de 8 comunidades aledañas al cuerpo de agua, es un proyecto ejemplar que le sigue la pista no a las misiones de Hugo Chávez ni a la Reforma Urbana de Cuba, sino a iniciativas similares en los Estados Unidos que han logrado mantener un caudal de vivienda asequible para los pobres y las familias de escasos recursos.

The Caño Martín Peña Land Trust nokarakarain'ny Proyecto Enlace sy ireo fokontany 8 manamorona ny rano dia nalaina tahaka tamin'nytarazo, tsy an'i Hugo Chavez amin'ny misiones na ny Reforma Urbana any Kiobà, fa mifanahatahaka amin'i Etazonia izay afaka nanome trano fonenana takatry ny mahantra sy ny kely fidirambola ny vidiny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.