Caucasus: Resadresaka niaraka tamin'i Micael Bogar

logo Taorian’ireo disadisa telo tsy nahitam-bahaolana sy olana ara-poko maro dia toa tsy dia hita taratra loatra ny fandriampahalemana sy fitoniana any atsimon’I Caucasus Taorian’ny nipetrahany sy niasany tany an-toerana nandritra ny taona maro, talen'ny  Tetikasa  Center for Social Media ao amin’ny anjerimanontolon’I Amerika izao i Micael Bogar ary miresaka amin’i Global Voices Online momba ny tanjaky ny fitaovana haino aman-jery vaovao hisorohana disadisa sy hamerenana ny fifandraisana eo amin’ireo firenena mifanditra.

Tale-na Tetikasa miasa miaraka amin’i Center for Social Media i Micael. Talohan’ny nanombohany niasa tao amin’ny CSM, nody avy any Repoblikan'i Goergia izay nahazoany vatsimpianarana avy amin'ny Fulbright i Micael sy  niasany niaraka tamin'ny mpanakanto avy any Georgia, Azerbaijan, Armenia ary Turkey mba hamoronana fikambanana iombonan'ny mpanakanto any Caucasus. Nanomboka tamin'ny taona 2003 ny niasany voalohany tany Caucasus tahaka ny mpirotsaka an-tsitrapo avy amin'ny ‘Peace Corps’ tany Azerbaijan. Taorian'ny nahazoany ‘maitrise’ tamin'ny taranja Anglisy tao amin'ny Anjerimanontolon'i Willamette tamin'ny 2003, niasa mba hametraka fifandraisana eo amin'ireo fiaraha-monina ara-javakanto eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena sy ao an-toerana i Micael. Amin'izao fotoana izao i Micael dia manomana ny ‘Master’-ny any amin'ny Sekoly Amerikana momba ny fifandraisana iraisam-pirenena amin'ny taranja Fandriampahalemana iraisam-pirenena sy ny famahana olana.

Satria tapaka ny fifandraisana an-tariby eo amin'ny Armenia sy Azerbaijan, ireo firenena ireo dia  hitohana eo amina olana tsy voavaha mikasika ny Nagorno Karabakh , ilay resadresaka dia miteny koa momba ilay nifanaovana tamin'i Arzu Geybullayeva ary mitanisa koa ny nanjo an'i Adnan Hajizade sy Emin Milli vao haingana teo, mpitoraka blaogy an-tsarimihetsika voasambotra tany Baku tsy ela akory izay, sy momba ny ezaka fametrahana  fandriampahalemana sy famahàna olana any Caucasus atsimo. Azo henoina ato ilay resadresaka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.