Bengladesh: Ny ‘Uncultured Project’ sy ny diorano

upTeo am-panampiana ny tra-boinan'ny rivodoza Sidr tany Benlgadesh indrindra ny Uncultured Project (tetikasa ho an'ireo tsy voakolokolo ara-tsaina na atao hoe tsy mahalala fomba ihany koa) raha nijery ny takelany izahay tamin'ny herintaona, fa mbola tsy nitsahatra hatramin'izay ny ezaka nataon'i Shawn. Narary izy tamin'ny herintaona ka nody tany Kanadà rehefa avy nanao iny fanampiana iny tamin'ny herintaona, ary volana vitsivitsy taorian'izany dia niverina nitety an'i Bengladesh indray hanohy ny ezaka nataony, niara-dalana tamin'ny Save the Children (vonjeo ny ankizy) hitondra fanampiana avy amin'ny vazantany efatr'izao tontolo izao.

Hoy ny tatitra nataon'i Shawn tao amin'ny bolongany:

Hatramin'ny nahatongavako no nandraisako anjara amin'ny tetikasa mifandraika amin'ny Ady amin'ny fahantrana. Araka ny fantatrareo dia eo am-pananganana ity foto-drafitr'asa manatantavana fasika sy eo ampanamboarana ity sekoly ity aho. Efa ho enimbolana izay nefa mila mahavita ny zava-drehetra ao anatin'ny 72 ora aho. Eny…. sarotra izany ary maro no miandry.

Manaiky fanampiana amin'ity dingana farany na tetisaka ity i Shawn sady miangavy amin'ireo vondrona malala-tanana (maro amin'izy ireo no mamela hafatra an-dahatsary ao amin'ny lahatsorany) hahalala ny fomba andaniana ny volany, araka ny miseho amin'ity lahatsary manaraka ity:

Ao amin'io lahatsoratra io ihany, no hamahavahany ny ho avin'ny tetikasa, sy ahafahan'ny tetikasa tahaka itony mahazaka tena, mba ahafahany manampy hatrany:

Ny tsy fantatra manko dia izao – hody velielty ve aho sa tsy hiverina intsony? Nanoratra aho tamin'ny Janoary fa raha tsy zaka ny fampandehanana ny tetikasa dia tsy maintsy manangom-bola mandritra ny 12 volana aho. Ny tiako lazaina amin'ny heo “zaka” manko dia hoe izay tsy mampahantra ny ray aman-dreniko. Efa ela no lany ny tahiriko – ary nindram-bola tamin'ny ray aman-dreniko aho nanomboka hatreo. Indrisy anefa fa tsy ry Rockefellers akory izahay – fa Kanadiana saranga antonony avy any amin'ny manodidina ny tanan-dehibe (tahaka ny Amerikana… saingy mahazo fitsaboana maimai-poana izahay).

Tao amin'ny bolongany farany no anamarihan'i Shawn anatina lahatsary ahitana mpanentana avy ao amin'ny TED conference, mpamoron-javatra iray mampiseho ny zava-bitany: rafitra iray manatantavana rano maloto ho lasa rano madio fisotro. Tondroin'i Michael Pritchard ho Life-Saver bottle (tavoahangy mamonjy aina), satria afa-mamonjy aina maro manerantany io tavoahangy io sady vahaolana iray entina mamonjy voina: mba tsy hitondrana na hivangàna rano dia ireny fanatantavanana rano finday no entina mba hahafahan'ny fianakaviana mikarakara rano fisotro any an-tranony fa tsy voatery hamonjy toby ho an'ny mpitsoa-ponenana.

Efa zatra ilay fanatantavanana rano finday i Shawn satria misy fanadiovandrano mitovitovy amin'ny LifeStraw ampiasainy any am-piasana. Namoaka lahatsary nalainy tany ambanivohitr'i Kenya izy, ka teo no nanatantavanany rano efa misy tain'omby, fomba entina mampiseho mivantana ny fampiasana ilay fanatantavanana amin'ny rano fangalan'ny olona (fa fatsakan'ny olona) avy eny rehetra eny, rano izay misy ny karazan-doto rehetra, potipoti-javatra ary fako. Nalainy teny an-kanja hanaovany fampisehoana ity lahatsary manaraka ity:

Betsaka ny olona no miteny azy ho mahasahisahy rehefa avy nisotro rano nisy tain'omby voadio izy, nohazavainy ao amin'ny lahatsary faharoa ny hafatra tiany ampitaina ao ambadik'io, izay anazavan'ny manampahaizana iray fa maharo amin'ny bakteria sy otrik'aretina maro ao anatin'ny rano avy amin'ny vovo ny fanatantavanin'ny LifeStraw ka anisan'izany izay avy amin'ny omby na olona:

Nohazavain'i Shawn fa sady tsy ekenyho misolo tena no tsy karamain'ny Life-Straw ny tenany raha miresaka momba io izy fa io aloha no vahaolana mahomby indrindra amin'izao fotoana izao. Lafo kokoa manko ny Life-Saver noho ny Life-Straw, nefa sady tsy mahatantavana rano betsaka akory no kely aina ihany koa (mora lany daty kokoa), no tsy manana ho ana fiankaviana ry zareo. Tsy mahazaka rano na fangaro shimika anaty rano ny fanatantavanina ka tokony ampidirina amin'ny fanatsarana ny vokatra amin'ny manaraka no mba mifanaraka amin'nyvidiny ankehitriny.

Mitentina $35 ny vidin'ny LifeStraw Family ary mahatantavana rano 18 000 litatra. Ny LifeSaver kosa mihoatra ny $100 ny vidiny nefa 6 000 litatra ihany ny rano vitany tantavanina. Raha azony atao dia tokony hampidiny ny vidin'ny vokany ny LifeSaver satria efa mety ny vidin'ny LifStraw Family no mahavonjy aina koa…

Afaka manaraka ny asa ataon'ny UnculturedProject ao amin'ny Twitter ianao, noho ny fanoratany tsy tapaka ny ezaka fanampiana ataony sy ny famoahany sary amin'ireo tetikasa vaovao sy ny ezaka fampandrosoana vitany mba hanorenana tontolo hafa eto an-tany. Azonao tsidihana ihany koa ny ezaka ataon'i Shawn sy ny Save the Children (vonjeo ny ankizy) ao amin'ny YouTube-n'ny tetikasa ho an'ny “Uncultured”, na mijery ny video mandehandehan'i Shawn eny an-kianja ao amin'ny vohikalany hafa The Student. Mirary fahombiazana amin'izay andraikiny hafa ihany koa izahay!

Juliana Rincón Parra

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.