Fipoahana bomba: nahafatesana olona sivy tany Indonesia

Nisehoana asa fampihorohoroana indray tao indonezia [naotin'ny tonia:tamin'ny volana jolay]. Bomba roa no nipoaka tao Jakarta renivohitra indonezia tamin’ny zoma lasa teo. Araka ny voalazan’ ny vavolombelona dia tamin’ny 07:40 maraina no nahenoan’izy ireo ny fipoahana voalohany avy ao amin’ny JW Marriott, ary 2 minitra taorian’izany dia nirefotra ny bomba faharoa ary namotika ny trano fisakafoanana tao amin’ny Ritz Hotel Carlton, izay eo ho eo amin’ny 500 metatra miala avy eo amin’ny fipoahana voalohany, toerana tomefy olona misakafo maraina. Fanta-daza ho fivahinian'ny vahiny tandrefana ireo Trano fandraisam-bahiny roa lehibe ireo.

Raha araka ny vaovao avy ao an-toerana dia nahatratra sivy ny olona maty ary betsaka ireo indoneziana izay mpiasa ao amin’ireo trano fandraisam-bahiny roa ireo no naratra.

Mbola tsaroan'ny Jakartiana ny fomba famonoana olona nataon'ny mpanao vy very ny ainy tamin’ny alalan’ny baomba izay tena mahery vaika tokoa ka nirefotra nanoloana ny hotely JW Marriott, tamin'ny 2003 izay nahafatesana olona 14 sy naharatrana 156. Voalaza ho nanana fifandraisana tamin’ny Jemaah Islamiyah (JI) ilay mpanao vy very ny ainy, ny JI dia vondron’ Al Qaeda any amin’iny faritra atsimo atsinanan'i Azia iny.

Andre Siregar izay mpampiasa ny twitter dia tao amin’ny Ritz tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza io, nanambara izy hoe:

Dregartwi1

dregartwit1

Ritz mega kuningan. Rihana faha-11: naheno ny trano nihovitrovitra in-droa

Nandefa sary ihany koa, sary izay nalainy avy tao amin’ny efitrano misy azy tao amin’ny Ritz, sy sary hafa ihany koa izy taoriana kelin'ny fipoahana.

Nilaza I Susilo Bambang Yudhoyono (filoham-pirenna voafidy fanindroany) fa avy amin’ireo izay maniry hisian'ny korontana taorian'ny fifidianana filoham-pirenna ny fanapoahana bomba, ny filoha lefitra Jusuf Kalla kosa dia nanome tsiny ny mpitandro filaminana sy ny sampam-pitsikilovava indonezianina (BIN) izay variana sy nifantoka be loatra amin’ny fitandroana ny fandriampahalemana amin’ny fifidianana filohan’ny repoblika sy ny hahatanterahan'izany fa nanadino ny hitandro ny filaminan'ny zavatra hafaka.

Araka ny voalazan'ny vaovao any an-toerana [id] detik.com, dia I Jusuf Kalla izay malaza noho ny fanombohan'anarana JK,dia nanambara fa mandrapahatonga any amin'ny “action” dia mila fanomanana amam-bolana izany manamboatra baomba izany, fa tsy vita ao anatin'ny iray herinandro iray monja.
Niaiky tao amin'ny Kompas ny lehiben'ny BIN Syamsir Siregar fa misy ny tsirambina ataon'ny sampam-pitsikilovana fa izy ireo dia tsy mba nahare siosio mihitsy ny mety hisian'ny fipoahana aoJakarta, nanambara kosa izy fa mpisy amin'ny fiarovam-pirenena ihany izany lavaka izany eny fa na any amin'ny firenena izay heverina fa tena matanjaka indrindra aza.

Amin’izao fotoana izao [naotin'ny tonia] dia anjatony ireo mpitandro filaminana ary ireo mpiady amin’ny asa fampihorohoroana antsoina hoe Densus 88 napariaka mba hiaro sy hanaramaso ny tanàna ary omena ny fanairana faratampony i Jakarta, midika izany fa mbola ao anatin'ny fitadiavana ny meloka ryzareo ary mikaroka ihany koa sao dia mbola misy fanapoahana hafa koa.

Nanameloka tanteraka izao asa fampihorohorona izao ny fanjakana amerikanina sy Aostraliana dia ary nampanantena ny hanampy ny fanjakana indonesianina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.