Pakistan: Manameloka ny rotaka tao Gojra

View Larger Map

Gojra, renivohitr'i Gojra Tehsil, dia tanàna iray ao amin'ny Distrikan'i Toba Tek Singh ao amin'ny faritanin'i Punjab any Pakistan. Velona ny rotaka tao an-tanàna tamin'ny Asabotsy teo noho ny filazana fa nisy ny fanimbazimbana ny Korany Masina. Nanaraka ny rotaka dia trano 50 an'ny vondrona kristiana no may ka nahakila olona 7 maty tao sy nampamay olona 18. Araka ny loharanom-baovao, dia andian-tanora nisaron-tava no nandoro ny trano. Nitoraka cocktail Molotov ry zareo ary nitifitifitra fahatany. Nomelohin'ny tontolom-bolongana Karana sy ny media mafy dia mafy izao herisetra any an-toerana izao.

Manameloka ny vono olona amin'ny lahatsorany mitondra ny lohateny hoe “Fa inona koa no manjò ny oloko?” i Zaheer Kidvai ao amin'ny Windmills of my mind (fitotoan-koban'ny saiko):

Tsy tranga naningana ity vono olona nahazo ny vondrona kristiana ity. Efa lasa toy ny ketrona eo amin'ny handrin'ny Karana ny fihetsiky ny antokom-pinoana maro, ary raha tsy voatandrina, dia mety haharatsy tarehy tsy hahafantarana azy intsony. Mety ho nizaka faharesena maro teo anatrehan'ny tafika nandritra ny fifanandrinana sy fifanosehana nataony, saingy tsy maintsy toherina amim-pahavitrihana ny hevitra maizina nambolen'ny fanatika maro (sady zara raha mba hita amin'ny TV ny tavan'ilay Mulla).

Miantso izay iharan'ny “lalàna tapany” i Samson Simon Sharaf ao amin'ny Pak Tea House ary nanoratra hoe:

Itrangana fankahalana ara-pinoana aelin'ireo mpanaraka efa voaroaka tahaka izao manomboka any Jhang ka hatrany Gojra, Mian Channu sy Shantinagar. Mpitranga izao toe-javatra izao ary haingana dia haingana ny fitrangany. Mampanontany tena ihany raha mbola miesona amin'izao ny mpitondra ao an-toerana ary dia tsy hita izay natao isorohana ny tahaka izao.

Dia nolazainy ny tsy fahombiazan'ny mpitondra eo am-pisahanana ny krizy:

Araka ny henoheno tany ho any amin'ny manodidina ny faha-18 ny volana Jolay dia efa nampitandrina fitondrana ao Punjab ny sampam-pitsikilovana amin'ny mety hisian'ny asa fampihorohoroana hihatra amin'ireo vondron'olona vitsy an'isa. Raha tokony ho nandray ny fampahalalana ho matotra ry zareo dia ny nampiditra malalaka ny mpikatroka hamono olona sy handoro trano no nataony.

Na dia nilaza aza ny fanjakana fa efa maherin'ny 200 no voasambotra noho ity raharaha ity dia tsy mbola afa-po amin'izany ny maro an'isa. mitohy ny fanamelohana ary miverimberina hatrany fa nanao tsirambina ny mpitondra.

Kalsoom Lakhani ao amin'ny CHUP! -Changing up Pakistan nanolo-kevitra fa maro ny zavatra mbola tokony hatao:

Tsy ampy ny mitondra fotsiny ny nanao ny heloka any amin'ny fitsarana. Tokony hojeren'ny governemanta sy sahaniny ny faka sy izay antony lalina miteraka itony toe-javatra itony. Tsy tranga maningana ny herisetra mahazo ireo Karana ao amin'ny antokom-pivavahana vitsy an'isa [izay lazain'ny CIA Factbook fa 3% n'ny Karana izy ireo – ka na Haindò na Kristiana]; ny zava-misy dia lazain'ny Vondrona iraisam-pirenena miaro ny vondron'olona vitsy an'isa fa tao Pakistan tamin'ny herintaona no nihaniroborobo indrindra nanarena izao tontolo izao ny fandrahonana ny vitsy an'isa ary laharana fahafito no misy azy eo amin'ny firenena atahorana indrindra amin'ny famelezana ny vitsy an'isa.

Nahery vaika ihany koa ny fanamelohana tany amin'ny media. Naveen Naqvi ao amin'Ny Maraina no manontany ny toe-javatra ho “Tsirambina sa firaisana tsikombakomba?”, ary dia nandeha amin'izay izy nanoratra ny ‘Fanontaniana sy Valiny’ miaraka amin'ny Mpampianatra fivavahana Khalid Zaheer.

Miresaka ny fiitatry ny an-tendron'ny fampianarana Islamika isika izay tsy mahazaka fisarahan-kevitra. Nampanotany ahy tamin'ny alalan'ny Twitter ny vahiniko ao amin'ny “Sakafo Maraina”, dia Atoa Khalid Zaheer izany, ny mpamaham- bolongana Sana Saleem raha hiara-manameloka ny tao Gojra izy sy ny mpampianatra manana fijery malalaka namany tahaka izay nataony tamin'ny tsy rariny nataon'ny Taliban. Nandiso fanantenana ny valinteniny saingy efa azo veroka. Namaly manko izy hoe : ‘Tsia. Io no lafiny mampalahelo tamin'ilay tantara.’ Misy mamely matetika manko ny olom-pivavahana manohitra ny fandikana tery dia tery fijery ny Islam izay mandevona an'i Pakistan. Nampitahorina tamin'ny voalohany fa nisy namono ho faty mihitsy taty aoriana nohony fomba fijeriny. Efa namono an'i Maulana Hassan Jan, mpampiana-pivavahana avy ao Peshawar, ny Taliban noho izy io nametraka fatwa (lalàna) manohitra ny fanafihana amin'nyalalan'ny famonoan-tena, izay nolazainy fa tsy Islamika.

Moin Ansari ao amin'ny Rupee News no miresaka ny momba ny herisetra tao Gojra ka mitodika amin'ny lazain'ny Korany sy ny fampianaran'i Jinnah (naotin'ny mpandika teny: nanangana an'i Pakistan):

Miangavy ny fiarahamonina ankapobeny eto Pakistan izahay mba hifampidinika amin'ny fomba matotra ary hifantoka amin'ny nanaovana fanitsakitsahana ny zon'ny vitsy an'isa ao Pakistan tamin'ny alalan'ny lalàna isan-karazany. Mila mifanazava isika sady manazava amin'izao tontolo izao fa mifanohitra amin'ny fomba noheverina hananganana an'i Pakistan sy amin'ny fototry ny fampianarana ny Korany izao heloka bevava izao.

Mamerimberina hatrany ny fitondrana fa handray ny andraikiny. Nefa tsy naningana iny tranga iny ary misynyfepetra tokony horaisina hisorohana izay mbola hitranga rahampitso. Ao amin'ny bolongako, misy lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe “Gojra: ny Afon'ny Teokrasian'i Zia” no nitondrako fanazavana fa ny fampiharana tafahoatra ny lalànan'ny fitenenan-dratsy (blasfemia) no mampiroborobo ny herisetra itambarambe.

31 taona izay no nampidirana ny lalàna saingy nilefitra tamin'ny rafitra tsy misy dikany tsy nampihatra azy mihitsy ny firenena. Rafitra nitady mandrakariva ny hanakely ny fomba fijery sy hampiroborobo ny fiaraha-monina mitana ny nentin-drazana. Mampitsahatra ny herivaikan'ny fitiavana izany ary mampisongadina ny halalin'ny fombam-pivavahana eo amin'ny kolotsaintsika. Na dia vonointsika aza ny afon'i Gojra dia mbola mihantona ny fanapahan-kevitra raisina manoloana ny hevitra fanatika. Koa avelao ireo niharan-doza tao Gojra hampisokatra ny masontsika hampiketriketrika ny saintsika hijery ny fiovana tokony atao.

Sana Saleem

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.