Mahazoa T-Shirt Global Voices vaovao

Raha tia ny Global Voices ianao, dia tsy misy fomba hafa sy tsotra ho fanehoanao izany afa tsy ny mitafy ny akanjo (T-Shirt) Global Voices vaovao mahafatifaty iray. Hivory hanotrona an’i Barack Obama ve ianao, na ny mpanjakavavin'i Jordania ? hitafio ilay T-shirt! Hiseho amin’ny fahitalavitra? Aza hadinoina ilay akanjonao (T-Shirt)! Azoazo eo amin'ny sehatra iraisampirenena sy mahavita kalitaona printy tsara ny mpamongadiny nofidianay.

Komandio ao amin’ny tranonkala RedBubble.com ary ny T-Shirt-nao.

Tsy mitady tombombarotra be amin'izy ity izahay, ka tsy misy ny fanerena hividy azy. Raisinay am-pifaliana kosa raha misy ny fitia tsy mba hetra hanohananao ny asan'ny Global Voices.

Fikambanan'ny mpitoraka bilaogy sy ny mpandika teny ny Global Voices, izay mifototra amin'ny asa an-tsitra-po amin’ny ankapobeny amin'ny fitaterana ny resaky ny fampitam-baovaon'olom-pirenena manerantany. Miankina amin'ny fanohanana ataonareo izahay hahafahanay manohy ny asanay

Misy amin'ny endrika sy bika isankarazany ny T-shirt, ary misy karazana loko dimy ihany koa.Ary ny mpitoraka bilaogy rehetra erantany dia tokony hanana tsirairay avy.grey-shirtblueshirtblackshirt


Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.