Israely: Finoana ny ho fiaraha-miaina – resadresaka tamin'n’ilay mafana fo Ibn Ezra

Raha nikisaka tany ankavanana Israely manontolo tato anatin'ireo taona vitsivitsy farany teo, mbola misy ihany ireo Israeliana manohitra ny pôlitikan’ny governemanta manoloana ireo Palestiniana, ary mavitrika anatin'irony  vondrona tahaka an-dry Peace Now, Gush Shalom, New Profile, Machsom Watch, Israeli Committee Against House Demolitions, ary Anarchists Against the Wall. Nanadihady an’ilay mafana fo Joseph Dana izay mitoraka blaogy ao amin’ny Ibn Ezra ny Global Voices Online momba ny fandraisany anjara ao amin’ilay vondrona Ta'ayush (”fiaraha-miaina”), ny toetry ny firotsahana an-tsehatra mavitrika any Israely, ary ny fampiasana haino aman-jery sosialy ho fampitàna hafatra.

Fa maninona ianao no nifidy hampiasa ny anarana Ibn Ezra?

Mpianatra filozofia Jiosy aho ary izany no nahatonga ahy afaka nifandray tamin’ilay filozofy Espaniola Jiosy faha-11 Avraham ibn Ezra. Mpandalina ny Baiboly i Ibn Ezra ary nanoratra betsaka momba ny fiaraha-miainan’ny Jiosy sy ny Arabo any amin’ny tontolo Silamo ao Espana. Fony aho nieritreritra izay ho lohatenin’ilay vohikala dia tonga ho azy tato an-tsaiko io anarana io. Kilalaon-teny koa izy io, satria ara-bakiteny ibn Ezra dia midika “zanakalahin’i Ezra,” toy ny hoe izahay izay tafiditra ao amin’ilay fihetsiketsehana dia zanak’ilay mafana fo matanjaka Ezra Nawi, mpikambana tao amin’ny Ta'ayush nandritra ny fotoana lava ary ‘gourou’-n’Israely sy ny hery havia any Palestinian  izay niriako ampidirina tao amin’ilay vohikala tamin’ny fomba lavalava kokoa.

Joseph Dana 'documenting' fanamboarana vaovao any amina ‘outpost’ akaikin’ny toby Israeliana any Susya tany atsimon’ny West Bank.

Joseph Dana mandray an-tsoratra ny  fanamboarana vaovao any amina ‘outpost’ akaikin’ny toby Israeliana any Susya tany atsimon’ny West Bank.

Afaka miresaka momba ny Ta‎’ayush aminay ve ianao? Ahoana no nahatafidiranao voalohany indrindra?

Hatramin'ny niandohany, tonga dia hetsika  ihany no tena nataon’ny Ta'ayush, tsy nisy fihetsiketsehana na adihevitra ideolojika. Naniry ny hampitsimbadika ireo mizànan'ny laharam-pahamehana mahazatra ilay vondrona izay efa niha-mafy: taorian’ny nahitàna fa  ireo fanambarana dia tsy mahatohitra foana manoloana ny sedran'ireo ‘fotoanan'ny ampamoaka’, nofidiana ny tonga dia hetsika ho fomba fanehoana ny fandàvana ny fiverimberenan’ireo fananiham-bohitra, ary mba ho eo amin’ny toerana nisian’ny zava-nitranga. Ny fidirana an-tsehatra mivantana sy tsisy herisetra no làlana nofidiana, toy izany koa ny fanapahan-kevitry ny marimaritra iraisana. Nanao tetika ny Ta'ayush nanomboka tamin’ny faran’ny volana Desambra 2000, nefa nitaky fotoana sy hery betsaka izany fikononkononany izany. Tapaka fa hahemotra io asa io, ary handray ireo izay nanolo-tena tamin’ny hetsika nomanina hanehoana toerana mazava. Manohitra amin’ny alalan’ny hetsika amin’izao fotoana izao, amin’ny alalan’ny fitsorana ny fandàvana ny fisarahana eo amin’ny Arabo sy Jiosy any Israely amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainana, ary ny fanjanahana mihitsy, ny mosary, fikatonana, ny famerana fihetsiketsehana sy ny fandefasana miaramila ataon’ny Israely any amin’ireo Faritra Voazanaka.
Amin’ny maha- Israeli-Amerikana mahatsapa tena ho tafiditra amin’ilay disadisa sy manohitra tanteraka ny fanjanahana ny tenako, voasarik’i Ta'ayush aho noho ny fisian’ireo feo sy fomba fijery ao aminy. Mahatsapa aho fa ny ankabeazan’ireo fikambanana sy vondrona any an-toerana no tafalatsaka lalina anatin’ireo fomba fijery ara-potokevitra mafy orina. Ta'ayush, na dia manohitra mazava ny fanjanahana aza dia tsy manana foto-kevitra mafy orina sy tanjona maharitra. Ho solon'izay dia mifantoka amin’ny firotsahana an-tsehatra mivantana izahay isan-kerinandro. Fanampin’izany, amin’ny maha Israeliana Jiosy, mieritreritra aho fa tsara kokoa ny miara-miasa amin’ireo Israeliana te-handrava ny elanelana misy eo amin’ny Palestiniana sy Israeliana, toy izay mikiakiaka fotsiny ny kabary fanoherana ny Israeliana toy ny ataon’ireo vondrona hafa.

Raha manohana mazava ireo Palestiniana miaritra amin’ireo mpanjanaka Israeliana, ny miaramila sy ny polisy ianao , toa mifantoka amin’ny zavatra iainanan’ireo mafana fo mihitsy kosa ireo horonantsarinao, mihoatra noho ny an’ireo Palestiniana. Satria ve natokana ho an’ireo Israeliana ireo horonantsary?

Matetika ny fifandrohizana iainanay no eo aminay sy ireo mpanjanaka ary ireo miaramila. Mazava ho azy, mijanona any aorianay ireo Palestiniana mandritra izany fifandrohizana izany satria lalàna samihafa amin’ny ampiharina aminay no iainan-dry zareo. Ohatra amin’izany, afaka samborina ny Israeliana iray ary tsy maintsy ampihaonina amin’ny mpitsara aorian’ny 24 ora fa ny Palestiniana kosa mety mijanona any am-ponja  3 andro mahery vao mahita mpitsara. Noho izany dia aleon-dry zareo mamela ny fifandrohizana amin’ireo miaramila/mpanjanaka sy ireo mafana fo Israeliana.
Misy endrika iray fanehoana ny fifandrohizana  amin’ny lalàna misy eo amin’ireo Israeliana sy ireo miaramila/mpanjanaka amin’ny vahoaka Israeliana sy ny fiaraha-monina Jiosy Amerikana (amin’ny teny Anglisy manokana ilay vohikala satria ireo mponina any Etazonia no tena mpihaino ahy). Te-hanasongadina ny sary mampiseho fa ireo Israeliana izay mifidy ny hiara-hiasa amin’ireo Palestiniana manohitra ny fanjanahana dia very zo sasantsasany amin’ny maha-olom-pirenena azy ary manomboka miaina ampahany amin’ny lalàna iainan’ireo Palestiniana. Te-hanaparitaka ny fihetsikay manoloana izany toe-javatra izany aho ary hampiseho izany amin’ny fiaraha-monina Jiosy maneran-tany.

Mahatsapa ve ianao hoe nitombo sa nihena ny hetsika fanoheram-panjanahana tany Israely nandritra izay taona vitsivitsy farany izay? Ahoana no fijery ireo mafana fo Israeliana amin’ny ankapobeny? Miresaka momba izany hetsika miseho izany ve ireo haino aman-jery lehibe any Israely?

Nihisaka lavitra any ankavanana Israely nandritra izay folo taona farany izay ary nanaiky ny fizirizirian’ny fanjanahana sy ny tsy fisian’ny mpiara-miasa Palestiniana ho an’ny fandriampahalemana. Ny andraikitry ny governemanta ‘havia’ ao amin'ny tetik'asa fanjanahana nanomboka tamin'ny 1967 sy ny ady farany tany Gaza dia naneho ny fahalemen'ireo antoko ‘havia nentim-paharazana’ toa an-dry Labor sy Meretz. Toa noho izany toe-javatra izany no nahafaty ny hery havia tao Israely. Avy eo nisy havia vaovao indray niforona naka ny toerany. Havia izay liana amin’ny fidirana an-tsehatra mivantana manohitra ny fanjanahana ary tena mpanakiana manoloana ny tafika Israeliana sy ny fampandrian-tany napetraka.
Na dia mbola kely aza ity vondrona ity, mihamafy sy miha-malaza izy, nefa ny ankabeazan’ireo Israeliana dia mahita fa ‘radical’ sy mampametra-panontaniana izy. Vokany, ataon’ny vahoaka an-jorom-bala foana ireo mafana fo manohitra ny fanjanahana amin’ny ankapobeny. Nefa tsara ny manamarika fa ireo fikambanana manohitra ny fanjanahana toa ny Peace Now, B'tselem, sy Yesh Din dia hajain’ny fiaraha-monina ary ekena ho loharanom-baovao goavana tokoa.

Raha ny momba ny fanaparitahan’ny haino aman-jery goavana ireo hetsikay indray, ny ankabeazan’ireo haino aman-jery dia faly ny hamoaka horonantsary na tatitra momba ny herisetran’ireo mpanjanaka. Na izany aza, mbola tsy te-hamoaka tantara na horonantsary momba ny herisetra mivantana ataon’ny IDF amin’ireo Israeliana mafana fo mpikatsaka fandriampahalemana ny mpampita vaovao. Tsipika mbola tsy nodinganina io tany Israely, satria mbola tsy vonona ny hanohitra ny fanjakazakan’ny IDF ny ankabeazan’ireo Israeliana.

Niasa mafy tamin’ny fampiasana haino aman-jery amin’ny aterineto aho mba hamoahana ireo zava-niainan’ny Ta’ayuh ary tanteraka soa aman-tsara izany. Lasa loharanon’ireo horonantsary nalaina nivantana teny an-toerana sy ny tsikera momba ny zava-marina amin’ny fanjanahana any atsimon'ny West Bank ny vohikalako. Nahasarika ny sain’ny vahoaka maneran-tany ireo fanampim-baovao mivantana tamin’ny tweeter (@ibnezra) nalefako avy any West Bank ary manantena aho fa hitombo hatrany izany satria mila ambarany tantaran’ireo Israeliana manohitra ny fanjanahana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.