Afrika: Miteraka adihevitra ny fahatongavan’ny tambajotra Seacom

Miteraka adihevitra sy fahalinana teo amin’ny tontolon’ny fitoraham-blaogy Afrikana ny fahatongavana tambajotra ambany ranomasina izay hampiakatra ny  fatran'onja [bandwidth] sy hampidina ny sandan’ny fahazoana Aterineto manerana an’i Afrika. Nalefa nivantana tamin’ny Alakamisy i Seacom, izay mampifandray an’I Afrika atsimo, Tanzania, Kenia, Oganda ary Mozambique amin’i Eoropa sy Azia, ka hampiditra an’I Afrika Atsinanana sy Atsimo ho ao anatin'ny tambajotra manana fatran'onja midadasika.

Mampifandray ny sisin’ny Afrika Atsinanana amin’ni Eoropa sy Azia i Seacom

Mampifandray ny sisin’ny Afrika Atsinanana amin’i Eoropa sy Azia i Seacom

Nahazo ny ‘connexion’-ndry zareo tamin’ny Alakamisy i Johannesburg, Nairobi ary Kampala, ary tokony hanaraka eo i Addis Abeba sy Kigali. Tany am-boalohany dia tokony ho tamin’ny fiandohan'ny volana Jolay no tonga io tambajotra io, fa noho ireo fanafihan’ny piraty tamin’ny ranomasina akaikin’i Somalia dia nihemotra ireo asa.

Eritreretina hampidina ny vidin’ny fatran'onja midadasika [bandwidth] hatramin’ny 90 isan-jato mahery io tambajotra ambany ranomasina io ary hampitombo ny fahazoana manao fivoriana an-tsary, fahitalavitra tsara sary ary Aterineto haingam-pandeha amin’iny sisin’ny Afrika Atsinanana iny.

“Mmmh…tsy andriko izay hanombohana ‘téléchargement’,” hoy IT Blog Kenya manoratra.

Any Uganda, efa mahatsikaritra fahasamihafana sahady I Josh avy ao In an African Minute:

Ilay fomba efa fantatry ny maro amin’ny fijerena horonantsary amin’ny YouTube aty Afrika dia ny mampiato azy raha vao manomboka fotsiny, miandry 20 minitra (na mahery) mandra-pahavonona tsara an’ilay horonantsary, ary izay vao mijery. Androany aho manatrika ilay lanonana fandefasana an’i SEACOM…. Amin’ny zoro iray ato amin'ilay efitra fivoriana, Peter Moreton, tompon’andraikitra iray tamin’ny fananana an’i SEACOM, dia niantso ahy ary nanokatra ny vohikalan’i YouTube tamina solosaina iray. Nandefa an’i Kung Fu baby izahay ary voalohany taty Afrika no nahitako horonantsarin’i YouTube vonona  ary nandeha tanteraka tao anatin’ny 6 segondra monja.

Faly toa izany koa i Munashe avy ao TechMasai:

Voapetraka ary tonga androany i Seacom, ilay tambajotra ambany ranomasina noresahintsika fotoana vitsivitsy lasa izay Manova zavatra betsaka  ilay fanapahan-kevitra ho an’ireo firenena izay hampiasa azy manomboka izao, anisan’izany Kenia, Oganda, Mozambika, Afrika Atsimo ary Tanzania.

…Fotoana mahafinaritra izao ho an’i Afrika, afaka manome toky  an’i Kenia aho izay hatreto dia niankin-doha tamin’ireo zanabolana tamin’ny filàna aterineto.

Jeremy, mpitoraka blaogy Nizeriana manoratra ao amin’ny NaijaBlog, dia mampitaha an’i Seacom amin’ireo tambajotra samihafa mampiasa câble any Africa Andrefana. Tavela any aoriana Afrika andrefana:

Lasa fatran'onja midadasika ny an'i Afrika Atsinanana…raha mbola ao am-piaingana ny an'i Afrika Andrefana ( izay amin’izao fotoana izao dia mbola ao an'efitrano fisoloana akanjo  mieritreritra izay ho anaovana) miaraka amin’ilay SAT3 tapa-dava sy ts'isy ilàna azy, angatra Glo1 (any anaty tangorom-pasika ve ireo mpiandraikitra ny Alcatel?) sy ireo roa vaovao, WACS sy Main1 dia mbola lavitra any am-paravodilanitra any (amin’ny herintaona raha tsara vintana isika). Nahazo ny fatran'onja midadasika i Afrika Atsinanana ary lasa nirifatra niaraka taminy fa i Afrika Andrefana kosa misalasala ary mitazam-potsiny.

Feno vaovao momba ny Seacom koa ny Twitter. Tsy mahatombina ireo mpampiasa sasany, ary ireo hafa kosa mbola miahiahy mafy:

“Mbola tena talanjona fa afaka ‘mi-download’ ny Interwebz iray manontolo ianao amin’ny alalana tambajotra mavomavo kiritika kely #seacom
ncallegari

“Tena nalefa androany Seacom. Hitantsika eo hoe hafiriana no ilain’ny ISP mba hampiakarana ny fandeha sy hampihenana ny vidiny …”
dnyaga

“Izaho ve no diso sa nihakely fandeha ny Aterineto aty Nairobi nanomboka tamin’ny nandefasana an’i #seacom? Mety hoe mbola variana mandinika ny ranomasina angamba ny fatran'onja  alohan’ny hahatongavany?”
mentalacrobatic

Maro amin’ireo miahiahy manodidina an’i Seacom no tena mitodika amin’ny sandany: na dia miteny aza ireo mpandalina sasany fa hihena hatramin’ny 90% ny sandan'ny fatran'onja, ny sasany kosa mino fa  mbola tokony ho kely lavitra noho izany ny sandany amin’izao fotoana izao. Manoratra i Kachwanya:

Ny tsara indrindra izao dia tokony hihena mihoatra ny 90% ny sandany, amin’izao fotoana izao ho an’ny ISP dia 6500$ (eo amin'ny KShs.487500) isaky ny fatran'onja 1 MB. Arak’i Seacom dia tsy mila afa-tsy 400$ (eo amin'ny Kshs.30,000) isaky ny fatran'onja 1 MB ry zareo, nefa tano ny fofon’ainao, aza manantena fahagagana eo amin’izay sehatra izay. Vao haingana ny mpitantana ny UUnet [UUnet CEO], Tom Omariba no nanambara fa tsy hitondra afa-tsy fihenana 20 na30 isan-jato monja amin'ny sanda ny fisian'io tambajotra io.

Sorena amin’ny fangaraharana i True Kenyan:

Nandà hatramin’ny farany ny hamboraka amintsika, isika mpampiasa Aterineto, i Seacom hoe ISP iza avy no nividy fatran'onja tamin-dry zareo. Noho izany dia mbola anatin’ny haizina isika ary tsy fantatsika hoe aiza no afaka hividy Aterineto mora sy azo antoka…. Ka ny hany vahaolana hitako izany dia ny mijanona amin’ny ISP-ko mandinika ny solosainako izay manomana ireo takelaka amin’ny fombany ary manantena fa indray andro any dia ho tanteraka ny nofinofintsika.

Teo am-pametrahana tsikera amina lahatsoratra nosoratan’ilay mpitoraka blaogy Tanzaniana Issa Michuzi [SW], matahotra ny momba an’io sanda io koa i Mdau, na dia be fanantenana ny amin’ny ho avy aza izy:

Asanteni sana kwa huo mkonga. Sasa kutandaza fibre-optic cables kwenye miji mbalimbali tunaanza lini? Manake kuwa na inter-country connection wakati within the country hatuna connection nzuri bado gharama zitakuwa juu na kwa maoni yangu tutakuwa tuna-under utilise capacity ya hiyo under sea cable. For the moment, well done! For the future, we have to work had!

Misaotra tamin’ilay tambajotra. Nefa rahoviana vao haparitakareo manerana ny firenena io. Ny tiako tenenina dia hoe raha manana ‘connexion’ tsara mivoaka ny firenena isika nefa tsy manana ‘connexion’ tsara ao anatin’ny firenena – mbola hidangana be ihany ny sandany ary raha amiko dia tsy afaka hitrandraka amin'ny tokony ho izy ny fahafahan’io tambajotra ambany ranomasina io isika. Amin’izao aloha, tsara! Amin’ny ho avy, tokony hiezaka mafy isika!
Ho an'i Jellyfish, izay mandiso ireo petra-kevitra rehetra momba ireo sanda amin’ny fanamarihana fa ny fampakaram-pandeha sy fanatsarana ny kalitaon’ny tolotra toy izany dia arahana fiakaran’ny sandany raha ny tokony ho izy, fotoana maharavoravo izany  ny fahatongavan’ny Seacom:

Tao amina hetsika novoizina mafy’ sy voalamina tsara, nanodina ny bokotra i SEACOM ary nanaparitaka teo no ho eo ireo fatran'onja mahatratra Terabytes toy ny fandehan’ny tselatra tamin’ny alalan’ny ‘fibres optiques’ manify raitra dia raitra.

Ary ho an’ilay Afrikana Tatsimo Aki Anastasiou, “MB kely izany ho an’ny solosainako fitondra mandehandeha, fa TB goavana ho an’i Afrika.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.