Congo Brazzaville: Fahadisoam-panantenana taorian'ny fifidianana filoham-pirenena

Sassoun NguessoNy alahady 12 jolay lasa teo dia nifidy ny vahoaka ao amin'ny Repoblikan'i Congo , fifidianana tsy nandraisan'ny lehiben'ny mpanohitra anjara satria araka ny heviny dia sady tsy malalaka no tsy mitombina. Milatsaka ho fidiana indray hiasa mandritra ny 7 taona manaraka i Denis Sassou N’Guesso izay efa nitondra an'i Congo nandritra ny 25 taona izay.

Na dia teo aza ny fanoherana nataon'ny mpanohitra dia nilaza ny mpanara-mason'ny fifidianana fa nizotra tamim-pilaminana izany fifidianana izany, ary fantatra fa ambany ny taham-pahavitrihana. Araka ny vaovao nomen'ny mpanohitra dia 90% ny mpifidy no tsy nandatsa-bato. Efa mitonon-tena ho mpandresy sahady ny filoha teo aloha Denis Sassou N'Guesso tohananan'ireo mpanara-dia azy (RMP) na dia mbola tsy navoaka amin'ny fomba ofisialy aza ny vokam-pifidianana, vokatra ahiana hivoaka nanomboka ny alatsinainy hariva.

Nilaza ny mpiasan'ny BBC iray fa “nisy vola nozaraina tany amin'ny birao fandatsaham-bato tany atsimon'ny renivohitra, nozaraina tamin'ireo olona nifidy an'i Denis Sassou N'Guesso.”

Mpanara-maso ny fifidianana iray tsy nitonona anarana no nilaza tao aamin'ny Agence France Presse fa “maro an'isa ireo mpanara-maso noho ireo mpifidy.”

Maneho ny heviny ao amin'ny sita mpamoaka vaovao France24 ireo congolais mikasika iny fifidianana iny. Indreto ny santionany:

Maloumbi momba ny fampitahorana:

Dans certain villages et districts, les populations ont vote sassou nguesso suite aux intimidations. mon frere Jean Ibinga dans le district de Nyanga a reçu 1.000.000 Cfa de la part de membre de RMP pour convaincre aux vielles personne d'aller vote moyenant une somme de 2500 cfa. Les elections ne ce sont pas passees d'une maniere convenable et certains prefets, deputes ont intimider la population de voter leur maitre Sassou. Pour moi c'est une election qui avait ete deja jouee a l'avance. Je demande a la communaute internationale d'anuler les elections du 12 juillet et oblige a sassou de faire un gouvernement national pouvant debattre les affaires du pays sinon il y'aurait une guerre dans le futur. l'opposition actuellement se prepare pour une eventuelle guerre.

Tany amin'ny tanàna sasany sy distrika sasany dia nifidy an'i Denis Sassou N'Guesso ny olona noho ny tahotra. Nahazo vola 1 000 000 CFA ny rahalahiko , Jean Ibinga, monina any amin'ny distrikan'ny Nyanga. Vola nomen'ny RMP azy izy io ary hanambazana ireo be antitra handeha hifidy an’ Sassou ka vola 2 500CFA no takalon'izany vato izany. Tsy tena nandeha amim-pahadiovana ny fifidianana ary préfets sy solombavam-bahoaka sasany no nanery ny olona hifidy ny lehibeny izay tsy iza fa i Sassou. Raha ho ahy manokana dia fifidianana efa vita mialoha izy iny. Mangataka an'izao tontolo izao aho hanafoana iny fifidianana iny ary hanery an'i Sassou hanangana governemanta nasionaly hiady hevitra momba ny raharaham-pirenena fa raha tsy izany dia ahiana ny hisian'ny ady any aoriana. Efa miomana ho amin'izany mantsy ny mpanohitra amin'izao fotoana izao.

Yoka milaza ny tsy faharisihan'ny olona nifidy:

je suis congolais et je réside à pointe noire (capitale économique du congo et deuxième ville du pays). Je peux vous dire que les bureaux de vote sont restés vide du matin jusqu’ au soir . les habitants de pointe noire sont fatigués, des promesses de mr sassou, alors que de cette ville qu’ est tiré le pétrole qui constitue la première richesse du pays. Plus de 95% des congolais n’ ont pas voté. c’ est une réalité que le régime brutal et absurde de brazza doit reconnaitre. Du coup son régime est illégitime. les congolais du nord, du sud, de l’ est et de l’ ouest ont dit NON à sassou.

Congolais aho ary mipetraka any Pointe Noire (tanàn-dehibe ekonomika any Congo sady tanàn-dehibe faharoa). Azoko ambara fa foana ny birao fandatsaham-bato nanomboka ny maraina hatramin'ny hariva. Leo ny olona any Pointe Noire. Leon'ny fampanantenana ataoan'i Sassou, na dia ity tanàna ity aza no hakana ny solintany izay harena voalohany ho an'ny firenena. Maherin'ny 95% no tsy tonga nifidy. Marina tokony hahatonga saina ny fanjakana any Brazzaville izany. Tampoka teo dia tsy ara-dalàna intsony ny fanjakany, nanao TSIA daholo ny congolais rehetra na avy any avaratra na avy any atsimo na avy any andrefana na avy any antsinanana.

Manontany kosa ilay olona tsy nitonona anarana avy any Kinshasa:

Peut on frauder avec seulement 15% d'électeurs qui, si nous suivons les différentes interventions, ne seraient que les partisans du Candidat Sassou, les autres ayant opté pour le boycot de l'éléction?

Afaka mangalatra ve raha 15% fotsiny ny olona nifidy? 15% izay tsy iza fa ireo mpanohana an'i Sassou ihany satria tsy nandatsa-bato avokoa ny ambiny?

L'Africaniste:

Oui tout n'est parfait ! Oui Sasou garde le pouvoir , Oui , il n'a pas fait du congo un paradis ! Mais qu'a fait l'opposition ? Quel projet ou proposition l'opposition congolaise a t’ elle soumis au peuple ? rien sauf le boycott ! qui n'est rien d'autre qu'une ouverture à Sassou pour gagner . Alors merci messieurs les opposants d'avoir aider Sassou à gagner sans difficultés . Arrêtez des bruits pour rien sauf pour distraire le peuple !

Ekena fa marina daholo ny zavatra rehetra. Ekena fa notazonin'ni Sassou ny fitondrana, tsy tonga paradisa ihany anefa i Congo! Kanefa inona no nataon'ny mpanohitra. Inona no vinavinan'asa naroson'izy ireo ho an'ny vahoaka. Tsy misy afa-tsy ny tsy fandehanana mifidy ihany, izay manome làlana malalaka ho amin'ny fandresen'i Sassou. Noho izany, misaotra anareo mpanohitra nanampy an'i Sassou handresy mora fotsiny. Ajànony ny tabataba tsy misy dikany afa-tsy ny fandrebirebene vahoaka fotsiny!

brazza-brazza momba ny filaminana:

Élection bidon, mais nous avons la paix. La paix des miséreux.
Comme Bongo, Sassou sera au pouvoir pour plus de deux générations. C'est normal; nous avons la paix. La paix des soumis.
Sassou pille le Congo. Mais nous avons la paix. La paix des affamés.
Nous vivons dans le caca. Mais nous avons la paix. La paix a plus de valeur que la dignité.
Vous a l'étranger vous ne savez pas ce que la paix vaut.
Je suis d'accord avec vous que la paix permet a Sassou de piller. Et alors? C'est normal qu'il nous pille. Il es africain et il est dictateur qui fait des élections bidon pour rester dictateur.

Fifidianana sarisary, fa milamina isika. Filaminan'ny malahelo. Tahaka an'i Bongo dia ho eo amin'ny fitondrana mandritra ny taranaka 2 mifandimby i Sassou. Marina izany, fa mbola milamina ihany isika. Filaminan'ny resy. Mandroba an'i Congo i Sassou. Kanefa mbola milamina ihany isika. Filaminan'ny noana. Miaina anaty maloto isika. Kanefa mbola milamina ihany. Manan-danja lehibe eo amintsika ny filaminana noho ny fiandrianana. Tsy fantatrareo avy any ivelany izany hoe dikan'ny filaminana izany
Miombon-kevitra aminareo aho fa ny filaminanana o ahazoan'i Sassou mandroba an'i Congo. Dia ahoana? Tsy mahagaga raha mandroba izy. Afrikana izy ary mpanao didy jadona sady mampanao sarisain-pifidianana hahazoany manohy ny didy jadony ihany.

Ao amin'ny sita web Libération no manoratra i Yanice 18 momba ny kabarin'i Obama tany Ghana:

A peine hier, Obama a tenu un très bon discours sur la bonne gouvernance et la démocratie, aujourd'hui un autre autocrate africain se prépare à renouveler son bail au pouvoir pour 7 ans encore malgré ses déboires judiciaires relatifs à ses biens immobiliers en France. A voir la longévité au pouvoir, 25 ans, de ce président tout laisse à penser qu'Obama a prêché dans le désert.

Vao omaly no nanao kabary mikasika ny fitantanana tsara sy ny demokrasia i Obama, androany dia efa misy mpitondra tokana afrikana sahady miomana hanavao ny sezany ho ami'nny 7 taona manaraka na dia eo aza ny fihoarana ara-pitsarana mikasika ny fananany any Frantsa. Raha jerena indray ny halavan'ny fotoana nitondrany, 25 taona, azo lazaina fa nikabary tany an-tany foana ihany i Obama.

Manampy izany i Saboun:

Ré-election de Sassou Nguesso, aucune surprise. Je ne sais pas si vous avez remarqué, Obama n'a évoqué aucun pays d'Afrique francophone dans son discours, pure coincidence? J'en doute.

Fahalanian'i Sassou N'Guesso indray, tsy mahagaga. Tsy fantatro raha voamarikareo fa tsy nitonona firenena afrikana miteny frantsay mihitsy i Obama nandritra ny kabariny, fifanandrifian-javatra ve? Manahy aho!

Elia Varela Serra

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.