Maoritania: Hosoka tamin’ny fifidianana?

Omaly, 11 volana taorian’ny fanonganam-panjakana nataon’ny miaramila notarihan’ny jeneraly Mohamed Ould Abdel Azizdia nofidin’ny Maoritania ho filoha ny jeneraly, izay mahatonga ireo mpifaninana tamin’i Abdel Aziz niteny fa “sarintsariny” io fifidianana io araka ny voalazan’ny BBC News. Raha mijery ao amin’ny tontolon’ny blaogy Sahelianina dia mahita fa mifandray ny tadin-dokangan’ireo mpifaninana aminy.

Maghreb Blog dia maneho ireo mpirotsaka ho fidina:

Mamonjy  birao fandatsaham-bato ny Moritanianina androany noho ny fifidianana filoham-pirenena eto amin'ny tany sy ny fanjakana. I Ould Abdel Aziz no lohalaharana, mpitari-tafika mpanonganam-panjakana taloha izay nanindrahindra ny vovonana mifototra amin'ny resaka vahoaka sy ny fankahalàna an'i Israely. Ould Abdel Aziz izay niantso koa fampitsaharana ny kolikoly ary ny fametrahana ny fototry ny fitondrana tsara tàntana. Araka  ireo fanadihadiana tsy ela akory izay, ny Jeneraly Ould Abdel Aziz dia arahan’i Ahmed Ould Dada ary i Messaoud Ould Boulkheir avy ato aoriana. Ny agendan'ilay iraikalahy taloha dia manipika ny ara-moraly sy ny lanjan'ny “fahamarinana, fitoviana, fifandeferana”. I  Ould Boulkheir kosa nandray ny lafatry ny  demokrasia sy ny zon’olombelona, ary nivoady fa hanohana ireo sendikan'ny  mpiasa.

The Moor Next Door, avy any U.S.A., mikikiaka mafy ny fisian'ny  hosoka, ka manambara fa:

Ireo mpanentana miaraka amin'i Ould Daddah sy Boulkheir dia voafaritra mazava tsara ankehitriny ho toy ny “tafintohina mafy”:  ny isa voalaza taorian'ny fikatonan'ireo biraom-pifidianana dia maneho ampaham-bato betsaka ho an’ny Jeneraly Ould Abdel Aziz. Tao Nouadhibou, dimy amby enim-polo ireo toerana nahitàna vokatra mitovitovy amin'izany manome tombony an'i  Ould Abdel Aziz.  Ny fanontaniana dia hoe: Ahoana? Ny valiny dia hoe: hosoka. Ny ho fihetsik'izy ireo androany no hamaritra izay mety hitranga rahampitso sy ny amin’ny andro manaraka.

Ny mpitoraka blaogy dia mampahatsiahy antsika :

Ny Jeneraly Ould Abdel Aziz dia nitondra an’i Maoritania nandritra ny vanimpotoana telo malaza: Ny fanonganam-panjakana tsara (2005), ny fanonganana ‘tsy nankatoavina’ (2008) ary, amin’izao, ny fanonganana araka ny lalampanorenana  (2009).

Ilay mpitoraka blaogy avy any U.S.A A Bombastic Element izay milaza fa  Afrikanina dia milaza fa rehefa Saka dia Saka:

Ny BBC dia mitatitra fa ny Jeneraly Mohamed Ould Abdelaziz mpitarika ny fanonganam-panjakana,  izay nandao ny fahefana ary niverina amin’ny fiainan’olon-tsotra mba hahafahany mandray anjara amin’ny fifidianana hatao ny Sabotsy, dia toa an-dàlan'ny hahavita toy ny an'i “Musharraf.”

Raha eo ampiandrasana ny fanomezam-bokatra farany ireo mpitoraka blaogy, dia  artista iray mipetraka any Nouakchott, no manome sary an-kosotra momba ny androm-pifidianana tany Nouadhibou:

carrefour-nouadhibou

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.