Bolivia: Ny fiverenan'ny “Minisitry ny Cocaine”

Nandritry ny jadona miaramila tamin’ny fitondran’i Luis García Meza izay nifehy an’i Bolivia tany amin’ny fiandohan’ny taona 1980 tany ho any, ny tanan-kavanany sady Minisitry ny atitany Luis Arce Gómez dia nananatra [nampitandrina] ireo mpanohitra nihevitra ny hilaza zavatra manohintohina ny governemanta. Nilazany izy ireo mba “ho any ananona any sy hanao am-paosy ny hetahetany”. i Wilfredo Jordán dia nampakatra rakipeo [es] [amin’ny teny Espaniola] ahenoana an’i Arce Gómez niventy ireo teny ireo.

Dia nanomboka teo ny fanjakan’ny horohoro izay nisy olona novinavinaina ho 1000 tany ho any matin’ny tanan’ity governemanta mahery setra ity. Roa amin’ireo vono olona misongadina ny an’ilay zezoita Espaniola mpitondra fivavahana, Luis Espinal [es] sy ilay Solombavambahoaka Marcelo Quiroga Santa Cruz, izay nalaina an-keriny, nampijaliana, avy eo novonoina. Tsy hita mihitsy moa ny fatiny.

Nilomano tanteraka tao anatin’ny raharahan’ny zava-mahadomelina ny governemantan’i García Meza, ary heverina ho olona nanana ny lanjany manokana tao anatin’izany i Arce Gómez. Matetika izy no nahazo anaram-bosotra hoe “Minisitry ny Cocaine.”. Richard Sánchez ao amin’ny La Mala Palabra [es] dia maneho mibaribary ny sasantsasany amin’ireny fomba fanao ireny, toy ny hetra aloa amin’ny fivarotana ravina coca amidy amin’ireo mpandraharaha zava-mahadomelina sy ny aferaferan’ny fiaramanidina asolo ny taxi hitaterana ireo zava-mahadomelina . Vokatr’izany no nandefasana an’i Arce Gómez tany Etazonia hanefa ny saziny. Taorian’ny fanefany ny saziny, niverina tany Bolivia izy tamin’ny 09 Jolay, ka nalefa indray tany amin’ny fonja tsara ambina ao La Paz hanefa ny sazy tsy misy indrafo navoakan’ny fitsarana Boliviana ho azy.

Mbola zaza ny maro tamin’ny mpitoraka blaogy tamin’izany fotoana maizina nodiavin’ny tantara Boliviana izany. Na izany aza, zokiolona maro no zendana nahita hoe tena lasa antitra be i Arce Gómez. José Vasquez ao amin’ny Vasquez Press [es] dia manoratra fa:

Algunos compatriotas han sido conmovidos por la apariencia del ex dictador, al que en la televisión se lo ve como un anciano que apenas camina con bastón o en silla de ruedas, que padece varias enfermedades (próstata, diabetes y que tuvo derrame cerebral).

Mpiray firenena maro no taitra tamin’ny fiovan’ny endrik’ilay mpanao didy jadona fahiny, tao amin’ny fahitalavitra toy ireny lahiantitra tsy afa-mamindra raha tsy mitondra tehina ireny izy, na ireny mikisaka amin’ny seza misy kodiarana ireny, itambesaran’aretina maro (praostaty, diabety, ary fahavakisan’ny lalan-drà any anaty atidoha).

Maro amin’ny Boliviana no manantena fa ny fiverenany dia midika fa hisy ihany aty am-parany ny valin’ireo fanontaniana maro napetraka tany aloha ela tany [es]. Ny fianakavian’i Quiroga Santa Cruz dia manantena fa mba ho hita amin’izay ny toerana misy ny taolambalony.

Ny fahasalamana marefo mahazo ity manamboninahitra ambony fahiny ity dia misarika ny maro hieritreritra fa mety hangataka fanalefahan-tsazy izy, angamba ho takalon’ny vaovao momba ny fanjavonan’i Quiroga Santa Cruz sy ny hafa rehetra. Na izany aza, tsy hitan’i Vasquez loatra izay antony tokony hiantran’ny fitsarana Boliviana azy, raha ny fitondrana jadona aza tsy naneho “fitondrantena mijery ny maha-olona” ny hafa, na kely akory aza.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.