Tontolo Arabo: nanao veloma an'i Michael Jackson

Nanao veloma farany ilay mpanjakan'ny pop Michael Jackson ny mpitoraka bilaogy arabo manerana ny tany androany 07 jolay, tahaka ireo mpankafy marobe hafa izay nanaraka mivantana tamin'ny fahitalavitra ny fampisehoana ho fahatsiarovana azy tao amin'ny Staples Center any Los Angeles. Indreto misy fanehoan-kevitra avy any Arabie Saodita sy Koety ary Barhein.

Arabie Saodita:

Niteraka fihetseham-po mivaivay ny fahafatesan'i Michael Jackson hoy Sarah Mattar, :

الموت العلني يخيفني، يجعلني أتواجه مع كل الحقائق التي لا أحب أن أتأكد من واقعيتها، حينما استيقظت على خبر وفاة المطرب العالمي ( مايكل جاكسون ) فعلت كما فعل معظم الناس في العالم، حرّكت الرموت كنترول على معظم الفضائيات، أبحث عن صورة أخيرة لهُ، عن حقيقة لا افهمها، عن قصة تعيد لي حياته التي تلاشت في غضون دقيقة، لكن لا شيء يبّشر بالخير، لا شيء يدفعني إلا لقضم أصابع التعب والألم، لقد شعرت بالضيق لأجله، ولأجل كل الذين يموتون بالعلن أمامنا، ونتحضر نحن لكل تفاصيل موتهم الذي يأتي مفاجئاً لنا. هم يرحلون دون أن يشعروا بأنهم خلفوا في داخلنا فراغاً كبيراً من الألم لأجلهم، حينما يرحل الأموات، فهم لا يتمسكون بنا، نحن فقط من نمد أصابعنا العشر نلاحق ضبابية وجودهم من جديد في حياتنا!!
Mampatahotra ahy ny fahafatesana olo-malaza tahaka izao. Manery ahy hiatrika ny marina tsy tiako ho fantatra. Vantany vao nandre ny fahafatesan'i Michael Jackson aho dia nanao toy ny nataon'ny ankamaroan'ny olona manerana ny tany. Noraisiko ny télécommande, notsidihako avokoa ireo chaînes rehetra, notadiaviko izay mamoaka ny sariny farany sy ireo marina tsy azoko. Hitako ny fanadinahiana anankiray nitantara ny fiainany nandritra ny an-tsasak'adiny kanjo efa ho tapitra. Tsy nahitako na inona na inona afa-tsy alahelo tato anatiko izany ka nahatonga ahy hanaiki-molotra. Nalahelo aho, nalahelo azy sy ireo olo-malaza efa maty tahaka azy koa mamndritra ny fotoana hangalantsika ny feo sy ny sary sy ny pitsoptsony rehetra mety ho nahafaty azy izay tampoka tokoa. Nandao antsika izy ireny ary tsy mahafantatra akory fa namela banga lehibe ato anatintsika. Rehefa handeha ireny miala aina ireny dia tsy mahasaragotra intsony fa isika no manatsotra ny ratsan-tanantsika handroahana ny lolony tavela eo amin'ny fiainantsika!!!

Kuwait:

Hoy Loft965 :

Iza no mahalala raha mitovy y hiran'i MJ tianay sy Beyonce? mampifandray ny olona rehetra ny fahafatesana tahaka izao… Tena marina. Tamin'ny fotoana nitenenany sy namerenany ny anaran'i MJ tao amin'ny hirany no tena nandratra.

Avy any Kuwait ihany nanampy i Maze of Thoughts :

Mpankafy 7500 no nahazo fanasana manokana hanatrika ny fampisehoana ho fahatsiarovana azy anio maraina (7 jolay). Eo ho eo amin'ny mpankafy 6 hetsy sy 1 tapitrisa eo no nikasa hividy tapakila hidirana amin'izany fampisehoana izany. Andro manjombona ho an'ny mpankafy an'i MJ io andro io. Ho velona ao am-pon'ny olona an-tapitrisany foana ny mpanjakany.

Hoy 4thringroad :

Fantatro izao fa olona marobe no leo ireo vaovao mikasika an'i MJ, tsy haiko ianareo fa raha izaho manokana dia tena leo aho, tao amin'ny internet no nijereko vaovao tahaka ny fanaoko isa-maraina, nahitako fomba hafahafa fa hoe alevina tsy miaraka amin'ny ati-dohany i MJ satria mbola hatao autopsie io ati-dohany io hahalalana ny tena marina nahafaty tampoka azy..

Bahrain:

Milaza ireo famonjena natao an'i Jackson i Suad ary milaza:

كشأن جميع المشاهير انقسم الناس في رأيهم حول شخصية مايكل جاكسون فمنهم من رأى انه ضحية المجتمع الامريكي والشهرة والاضواء التي قد تكون وبالا على الانسان ومنهم من رأى انه كان ضحية نفسه وضحية ضياعه وتنكره للونه وآدميته
Tahaka ny olona malaza rehetra ihany dia mizarazara be ny hevitry ny olona manoloana ny momba an'i Jackson. Ny sasany milaza fa simban'ny fiarah-monina amerikana sy ny lazany izy, miaraka main'ny vokany teo amin'ny fiainany manokana toy ireo rehetra olo-malaza miaina ao ambany jiro maro loko, ny hafa kosa miteny fa hoe simban'ny nataony ihany izy, simban'ny tsy fanekeny ny volon-kodiny sy ny mahaizy azy.

Hamaranantsika azy ny voalazan'ilay mpitoraka bilaogy amerikana Um Naief, manambady any Barhain:

Wow… Tena tampoka be ho ahy ny nahafatesan'i Jackson. Fantatro hatramin'ny ela fa mihinana fanafody be izy kanefa tsy neritreretiko hiafara amin'izao. Henoko fa hoe nahitana kitapo marobe feno zavamahadomelina tao an-tranony, fotoana fohy monja izany dia fantatr'izao tontolo izao ny tao amin'ny fitoeran'entany.

Mampalahelo fa maty tahaka an'i Elvis izay ary nanambady ny zanany vavy.

Tsy nampaninona ahy aloha ny naheno ny vaovao tamin'ny voalohany. Andro maromaro taty aoriana vao tafiditra tao an-dohako, taorian'ny nijereko ireo fampisehoana maro nataony sy ireo lahatsoratra maro momba azy tao amin'ny internet, mino aho izao, ary tahaka ny ankamaroan'ny olona dia manantena aho fa efa niala taminy ny devoliny.

Amira Al Hussaini

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.