Repoblika Dominikana: manohitra ny fananganana orinasa fanaovana simenitra ao Los Haitises

Efa ho 1 volana mahery izay dia nanao fihetsiketsehana fanoherana ny fananganana orinasa mpamokatra simenitra ao amin'ny faritra arovana ao amin'ny valan-javaboahary any Los Haitises ny mponina any amin'ny Repoblika Dominikana, faritra izay ahitana fifangaroana tontolo iainana misy kalkera manana ny maha izy azy manokana any amin'ny faritra avaratra atsinanan'ny firenena. Nosokajiana ho faritra manan-tantara ara-kolontsaina izy ity noho ireo lavaka maro hita ao aminy mitahiry ireo sangan'asa Taino. Ambonin'izany dia i Los Haitises no anankiray amin'ireo toerana mamatsy rano madio ity nosy ity ary azo heverina fa hanjary ho fitehirizan-drano fototra any an-toerana izy noho ireo loharano marobe ao aminy.

Izany tontolo iainana mora simba izany, fantatra amin'ny anarana hoe havokavoky Karaiba, no nofidian'ny Group Estrella hananganana orinasa mpamokatra simenitra. Izany no nahatonga ny fanahiana amin'izay mety ho fahapotehan'ny tontolo iainana ao aantiny. Misy toerana hafa azo anorenana io orinasa io, mametram-panontaniana noho izany i Luijo ao amin'ny bilaogy Ahi e Que Prendre: “Maninona no tsy maintsy hatao ao Los Haitises izy io? Maninona no tsy maintsy hoe ao amin'io toerana io?”

Ity orinasa vaventy ity dia manana ny foibeny any Santiago, manana ny lanjany manokana eo amin'ny lafiny ekônômika sy ara-barotra, ary manana anto-bola any amin'ny anjerimanontolo lehibe iray any Saint-Domingue, ary anankiray amin'ireo zavatra marobe ataony koa ny fanaovan-gazety nasionaly.

Ambonin'izany rehetra izany di nahazo ny fanohanana ofisialy tamin'ny sekreteram-panjakana miahy ny tontolo iainana izy, Jaime David Fernandez, izay mody fanina amin'ity resaka ity. Mihevitra ny maro fa voaloto ny lazany. Mangataka ny solontenan'ny governemanta hamoaka fanambarana mikasika ny heviny manoloana ity raharaha ity i José Mendez, mpitoraka bilaogy avy any Espana:

Jaime David, pedimos que denuncie si está recibiendo presión para ejecutar lo que estoy seguro en su interior usted no aprueba en lo mínimo, aunque trate de explicarlo

Jaime David, miangavy anao izahay hilaza aminay ireo mpamporisika anao hanatanteraka io vinavinan'asa io, satria azoko antoka fa tsy sitrakao velively ny hanatanteraka azy io. Hazavao ny hevitrao.
Photo of protests by José Peguero and used with permission. http://josepeguero.net

Sary maneho fihetsiketsehana nalefan'i José Peruero. http://josepeguero.net

Vokatr'izany rehetra izany dia nisy fihetsiketsehana tany Gonzalo, any Monteplata, akaikin'i Los Haitises. Nanjary toerana nisian'ny fifandonana sy fivoriam-be notanterahan'ireo tsy mankasitraka ny fananganana ity orinasa ity io toerana io.

Tsy izany ihany anefa fa nisy koa ny fanangonan-tsonia, nisy ny fanentanana isan-karazany an-tserasera. Misy antokon'olona ao amin'ny Facebook, mpitoraka bilaogy sy mpiserasera amin'ny twitter nanara-dia ireo mpanohitra. Ny serasera twitter iray antsoina hoe Haitises Park no nanolotra fanavaozana pejy miaraka amin'ny teny hoe “Tsy mila simenitra ao amin'ny valan-javaboaharinay izahay”. Misy koa ny fihetsiketsehana fanoherana karakaraina ao amin'ny bilaogy sasantsasany tahaka ny biloagin'i José Arias.

Miezaka manamarika ny solontenan'ny sampana miahy ny tontolo iainana, milaza fa ity orinasa ity dia apetraka ao amin'ny faritra mitokana ka tsy hanelingelina velively ireo zava-mananaina ao anatiny. Notsindriany koa fa diso ny fiheverana fa hatao ao afovoan'ny valan-javaboaharin'i Los Haitises ny orinasa.

Niafara tamin'ny vokatra tsara ny fihetsiketsehana nataon'ny mponina satria namoaka didy ny fitsarana fa atsahatra ny asa rehetra noho ny loza mety aterany. Naneho ny heviny tao amin'ny twitter i Joan Guerrero avy any Duarte mikasika izay vaovao izay:

Fandresena izany ho an'ny sasany tahaka an'i @JolyRodriguez izay faly tokoa [es]:

Dios mio no puedo creerlo! No es mentira… Cuando un pueblo se une, algo pasa -No a la Cementera- >>Los trabajos suspendidos inmediatamente

Andriamanitra ô, tena tsy mampino!!! Tena marina anefa… Rehefa mivondrona ny rehetra dia misy vokany. tsia ho an'ny orianasa mpanao simenitra. Natsahatra ny asa.
Rocio Diaz

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.