Global Voices Advocacy no nandrombaka ny fifaninanan'ny Zemanta blog

80x80_bloggingforacauseGlobal Voices Advocacy [Global Voices Mpisolovava] no nandrombaka voalohany indrindra androany ny loka fifaninanan'ny Zemanta's Blogging for a Cause na Famahanam-bolongan'ny Zemanta ho amina foto-kevitra iray. Nihoatra ny 60 ny vohikala nofantenana tamin'izany fifaninanana izany ka samy nahazo $1200 tsirairay avy ny 5 voalohany nahazo ny safidin'ny mpamaham-bolongana indrindra. Ankasitrahana indrindra ny mpanohana rehetra!!

Ireto avy ireo efatra hafa nandrombaka ny loka ihany koa : Goods for Good, iSurvive, Wokai, Yoga Bear.

Global Voices AdvocacyEto ihany isika dia araraotina ny filazana fa iray amin'ny tetikasa najoron'ny Global Voices hanoherana ny sivana an-tserasera mahazo ny mpamaham-bolongana sy ny tia miserasera ny Global Voices Advocacy. Ny mpisolovavan'ny fahalalaham-pitenenana sady mpamaham-bolongana Toniziana Sami ben Gharbia no tale.

Zemanta indray dia famahanam-bolongana vaovao mahafinaritra sy ampiasaina amin'ny resaka sosialy azo raisina sy trohina ho fanampin'ny Firefox. Mandeha ihany koa izy amin'ny Gmail!

Anisan'ny zavatra nolazain'ny olona hankasitrahany ny Global Voices Advocacy ny…

Ao amin'ny Sacred Beginnings mpamaham-bolongana mitondra ny anarana maha-mpanoratra Moonstar Silverwolf no ilazany fa:

I fully support what they do and hope they continue to have success in bringing to light how much censorship is out there and how badly it can get really quick. I also support their resources on how to guides and assistance for anonymous blogging so that freedom of speech is not suppressed in the online world like it might be in the real world. There are many countries and groups that will squash freedom of speech whenever they can, it is our job to help those who need to speak out and provide them the opportunity to do so without fear.

Tohanako tanteraka ny ataony ary manantena aho fa hahomby hatrany izy ireo amin'ny fanazavana fa tsy ilaina sady manimba zavatra haingana da haingana ny sivana. Tohanako ihany koa ny fitaovana isan-karazany sy ny torolalana ary ny fanampiana ahafahana miafina rehefa mamaham- bolongana mba tsy hahafoana ny fahalalaham-pitenenana an-tserasera tahaka izay mitranga amin'ny fiainana andavanandro. Maro ny vondron'olona sy firenena no te-hamotika izany fahalalaham-pitenenana izany raha azony natao, andraikitsika ny manampy ireo izany te-hiteny ary omena vahana izy ireny hilaza tsy amin-tahotra.

Aparna Ray indray nilaza ny safidiny ao amin'ny Newsmerick:

Today, I would just like to pause
And blog for my favorite cause
The project “Advox”
Is brilliant, it rocks!
It's work deserves heartfelt applause!

Androany aho te-hiala sasatra kely, ka hanoratra ho an'ilay tarigetra tiako indrindra, ho an'i “Advox” izay mamirapiratra, mahery vaika! fa mendrika tehaka araka izay tratra ny asany. [hitantsika fa poezia ilay amin'ny teny anglisy fa sarotra ny handika azy amin'ny teny malagasy noho izany].

Ao amin'ny bolongana Media Re:Public no anoratan'i Persephone Miel:

Full disclosure: I’m friends with many of the people who make Global Voices what it is and I’m writing this today in response to an interesting challenge that could help bring some more money to Global Voices. But I’m not doing it to help my friends, I’m doing it because I know how hard they work, how many amazing new projects they’d like to do and how important they are to the project of bulding the cross-border connections that we all need to become global citizens.

Ambarako etoana fa maro ny namako no nametraka ny Global Voices hanana izao toerany izao, ka manoratra aho ankehitriny mba hitondra anjara biriky ho valin'ny fanamby amin'izay mba hahazoan'ny Global Voices vola. Manao izany aho, tsy amin'ny maha-namako azy ireo fa fantatro tsara ny asa mafy tanterahiny, ny tetikasa maro vaovao tian-dry zareo tanterahina ary ny halehiben'ny tetikasany ahafahana mifandray tsy voasakan'ny sisintany hahatonga antsika ho olom-pirenen'ny tany manontolo.

Anteriko indray ny fankasitrahana feno ny rehetra tamin'ny fanohanana mavitrika nataony. Raha misy ny terem-panahy hanolotra fanomezana dia horaisinay am-pifaliana izany. Fa ny tsikalakalam-pihavanana avy aminao no tena manan-danja aminay indrindra. Eny indrindra!

Solana Larsen

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.