Air Bus AF 447: Alahelo, tsy fahampiam-baovao sy fanaitairana

Niteraka resabe sy fanontaniana maro indrindra koa fikarohana ho an'ny filazam-baovao ilay fiaramanidina frantsay Airbus izay nanjavona tsy hitan'ny radara ny alahady 31 may; avy any Rio de Janeiro ity fiaramanidina ity ary hankany Paris. Niainga tany Brésil ilay fiaramanidina ny alahady 31 may, nisy mpandeha 216 tao anatiny ary nisy mpanamory sy mpiasa 12. Tokony ho tonga tany Paris ny ampitson'iny. Kanjo tsy tonga mihitsy.

Picture by Mysid (Wikiedia Commons author), used under a public domain license.

Sary avy amin'i Mysid (Wikiedia Commons author), nahazoana alalana

Nilaza ny manam-pahefana fa Breziliana 58 no maty tamin'iny fianjerana iny. Kanefa any amin'ny bilaogy breziliana sasany dia mafana ny resaka sy ny fanadihadihana momba iny loza iny. Ho an'i Leite de Covra dia tsy zaka ny fahafantarana fa mety ho niharam-boina ity fiaramanidina ity ary izany no antony tsy nahatongavany:

Acho perverso isso da imprensa ficar divulgando fatos e particulares da vida das vítimas do desastre aéreo. Não têm o mínimo respeito e nem disfarçam o desejo de que a dor renda, em escala nacional, o máximo possível, até que venha a próxima catástrofe, o próximo escândalo. Ô corja! Por isso que não acompanho mais nada desse triste episódio. Pra mim deu

Heveriko fa manao di-doha fotsiny ny filazam-baovao mamoaka ireo vaovao manokana mikasika ny fiainan'ireo niharam-boina. Tsy mba misy fanajana kely akory ho an'ireo niharam-boina ireo ary tsy afeniny fa tsy mahataitra azy ny hampitsahatra ny fanaintainany araka izay azo atao mandrapha-tongan'ny loza manaraka indray. O ry vorona mpihinana faty! Izay mihitsy no antony tsy anarahako na inona na inona zavatra ohatr'izao. Leo aho!

Araka ireo mpitoraka bilaogy ihany, ny olana dia ny mpanao gazety mba te hamoaka vaovao ihany kanefa tsy maintsy hamarinina aloha ireny – izay no mampiakatra ny lanjan'ny vaovao hanairana ny mpamaky. Hoy Camerini ao amin'ny bilaogy Transbrasil:

Os experts de plantão já estão desfilando as baboseiras nas Tvs.

Falam e falam sobre o que ainda não passa de especulações, até Raios são culpados pela queda do AirBus da Air France !

É prematuro qualquer indicação sobre o acidente até que as equipes consigam, primeiro localizar os destroços do avião, depois a Caixa Preta, com o Data Recorder e o Voice Recorder, mas, como dá audiência levar para a Tv um bando de especialistas natos em acidentes aéreos, o que se pode fazer!

Ouvir um Chamar o avião da Air France de Boeing A 330, outro dizer que o Atlântico é o lugar mais seguro do sistema solar , depois outro que afirma categoricamente que um raio derrubou o avião!

A Verdade é que ninguém sabe ainda o que aconteceu, aonde aconteceu e como aconteceu, mas muitos especialistas deveriam saber que um acidente aéreo não ocorre apenas por uma só causa, e sim por mais fatores que desencadeam um acidente

Efa nilaza fahadalana tao amin'ny fahitalavitra ireo manam-pahaizana.

Nilaza resabe teorika fotsiny izy ireo. Na dia ny tselatr'afo tamin'ny fianjeran'ilay fiaramanidina aza dia nataony ho zava-doza!

Aloha loatra raha izao dia milaza loza fa aleo aloha miandry ny potik'ity fiaramanidina ity tadiavin'ireo mpamonjy voina, aleo ho hita aloha ny boaty mainty mitahiry ny zava-niseho sy ny horonam-peo rehetra. Kanefa inona moa no azo hatao manoloana ireto mpiasan'ny fahitalavitra manam-pahaizana voajanahary hatrany an-kibon-dreniny ireto!

Reko ny sasany amin'izy ireo nanao hoe Boeing Air France A330 ilay nidoboka, ny hafa indray milaza fa toerana azo antoka indrindra eto ambany masoandro ny Ranomasimbe Atlantika, ny sasany moa dia tena sahy nilaza fa nisy potik'afo nampianjera ity fiaramanidina ity!

Ny tena marina dia tsy nisy nahalala izay zavatra tena niseho sy ny toerana nisehoany ary ny fomba fisehony, fa manam-pahaizana maro no mahafantatra fa ny lozam-piaramanidina tahaka izao dia tsy vokatry ny fisehoan-javatra tokana monja fa fitambarana zavatra maromaro.

Ho an'i Eu, Você e Todo Mundo [pt], dia olana koa ireo manam-pahaizana

Gente, que absurdo!

Eu como jornalista fico indignada mesmooo!!! Aqui no Futura recebemos o e-mail de uma assessoria de Campinas falando de uma terapeuta holística que analisou a catástrofe desse acidente pela numerologia, tarô. Enfim, de acordo com o texto dela que vou colocar abaixo, essa catástrofe é efeito da conjunção de uma série de números ruins, energias negativas… pra mim é demais querer explorar uma tragédia como essa dessa maneira. Que vergonha… e ainda dos jornalistas que se propõem a divulgar isso! Vejam o absurdo:

Detalhe: não estou julgando a numerologia, mas o uso que está se fazendo dela nesse caso!

O rey olona ô, tena tsy azoko inoana! Satria mpanao gazety aho dia mahatsiaro ho afa-baraka!!! Tao amin'ny Futura Channel no nahazoanay seramailaka avy amin'ny biraon'ny PR any Campinas, izay nilaza fa misy olona mpijery karatra sy mpandinika tarehimarika nanadihady ny loza. Araka ny volazan'ny vaovao nalefa taminay dia vokatry ny fifampitohizan'ny zavatra maromaro tahaka ny isa ratsy, fahatsapana zavatra ratsy… no nahatonga iny loza iny. Heveriko fa be izay fitrandrahana ity zava-nisehoity izay. Tena mahamenatra… Mahamenatra koa ho an'ireo mpanao gazety izay sahy namoaka iny zavatra iny. Tsy azoko inoana: tsy mitsara ilay mpijery karatra aho fa ny fombany amin'ny toe-javatra tahaka izao no tsy mety.

Miaraka amin'ny fanehoan-kevitra samy hafa dia voalaza koa fa olona ambony ny sasany amin'ireo niharan-doza ary vaovao mendrika tokony havoaka ho an'ny sokajin'olona tahaka izany no hitantsika ato amin'ny famintinana navoakan'i Bruno Nepumoceno, taorian'ny resaka nataony tamin'ny mpiasa:

Fui dar minha opinião sobre o assunto e nego ficou me criticando, dizendo que eu não tenho coração, que eu sou insensível e coisas do tipo. A vontade que deu e de dizer: VOCÊS QUE SÃO BURROS OS SUFICIENTE PARA NÃO ENXERGAR QUE O JORNALISMO GANHA DINHEIRO EXPLORANDO A DESGRAÇA ALHEIA! Se fosse um ônibus cheio de nordestinos com a mesma quantidade de pessoas, o caso já teria caido no esquecimento.
Centenas morrem de fome no nordeste Brasileiro. O que é um aviãozinho cair?

Manontany tena aho ny amin'ireo olona mitsikera ahy mikasika ity loza ity, ary milaza ahy ho tsy manana fo nofo ka tsy mba voakasika amin'ny vaovao tahaka itony. Ny tena marina dia te hilaza aminareo aho fa TENA VENDRANA IANAREO TSY MAHALALA FA ATAON'NY GAZETY FITADIAVAM-BOLA FOTSINY NY FAHORIAN'NY SASANY! Raha fiara mpitatitra feno olona tany avaratra atsinanan'i Brésil izay dia efa hadino tahaka izay. Olona aman'arivony no matin'ny hanohanana any Afrika, an-jatony no matin'ny hanohanana any avaratra atsinanan'i Brésil. Tsy zava-dehibe ve izany mitaha amin'ny fianjeran'ny fiaramanidina?
Photo by Flickr user Caribb published under a Creative Commons license

Sarin'ny Air France A330 avy amin'i Flickr nampiasa ny Caribb navoaka tamin'ny fahazoan-dalana nomen'i Creative Commons

Na dia eo aza izany dia tsapa fa voadona mafy sy malahelo izao tontolo izao, ary mazava ho azy fa tsy ny mpitoraka bilaogy breziliana ihany no miresaka ity loza ity. Avy any Kuwait dia maneho ny heviny ilay mpitoraka bilaogy ZDistrict.

Olona 228 avy any Brésil ho any Frantsa no tsy hita popoka tao amin'ny Ranomasimbe Atlantika taorian'ny fikorontanana teny an'habakabaka. Tsy nahita zava-doza tahaka izany aho efa elabe, sidina tahaka itony no midoboka any afovoan'ny Atlantika.

I Charles, ampanehohevitra ao amin'ny ZDistrict:

Tahotra, fahalemena, fotoana mampihorin-koditra – nitondra ranomaso sy aretim-po ny naheno fa nisy olona niatrika izany tamin'ny fotoana farany nahavelomany. Enga anie ka natory daholo izy rehetra nandritra izany fotoana izany.

Mpaneho hevitra ao amin'ny Another Me :

Tena mampalahelo ahy ny fianakavian'izy ireo. Mpandeha fiaramanidina aho ary tsy azoko vinaniana ny zavatra niainan'ireo mpandeha ireo, raha tsy hilaza afa-tsy ny mahazo ny fianakaviany aho. Manana ankizy kely koa aho ary tena vaky ny foko mieritreritra fa zazakely tsy manan-tsiny izy, tsy nahafantatra izay zava-nitranga akory. Araka ny hevitro dia tokony ho feran'ny tompon'andraikitra momba ny fanamoriana fiaramanidina ihany ny fahafahan'ny mpanamory manidina rehefa mikotroka ny andro, ary takiana ny tsy handehanany rehefa misy rivotra sy avy ny orana. Ireny rivo-mahery miharo orana ireny dia manery ny mpanamory hanao fahasahiana goavana hanidina hihoatra ny 15 000 metatra any ambony any .

Matetika dia miaraka foana amin'ny “Bermuda Triangle” (Telolafin'i Bermudes) ny loza any amin'ny Ranomasimbe Atlantika, Telolafin'i Bermudes izay hita ao avaratry Brésil, anelanelan'i Florida (Etazonia, Puerto Rico ary Bermudes. Efa hatrany Kuwait dia milaza ireo mpikirakira twitter mampiasa ny @2Twenty fa tokony hanaovana fanadihadihana io Telolafin'i Bermudes io.

Nilaza i Cynthia Drescher, mpitoraka bilaogy ao amin'ny Britannica Blog fa ny tsy fahampian'ny vaovao manoloana ity loza ity no mahatonga ny tombatombana, ary maro no milaza sahady fa misy ifandraisany amin'ny Telolafin'i Bermudes ity fianjerana ity.

Aleon'ny be fanahiana ny mionona amin'ny fahafantarana fa misy ifandraisana amin'ny Telolafin'i Bermudes iny fanjavonana tsy mazava iny. Inona indray no manaraka – manambara indray fa ny Telolafy dia manjary efajoro? Angamba ity toerana mitahiry zava-miafina ity dia tonga hatrany amin'ny morontsirak'i Etazonia ka mahatonga izay rehetra mandalo ao hivahiny kely any Brésil aloha? Na dia mbola tsy nanamarina aza ny manam-pahefana fa nahitana seza nipitika avy tao amin'ity fiaramanidina ity dia hita mazava tsara kosa ao amin'ny sarintany fa ity fahapotehana ity dia tsy misy ifandraisany velively amin'ny faritra elektromanetika na amin'ny lolon'i Amelia Earthart. Fa kosa avy amin'ny loza sy ny tsy fahatomombanan'ny fiaramanidina.

Tsy adino akory ny Telolafin'i Bermudes, fa manontany tena kosa i Polish ao amin'ny bilaogy Tierra Incogita, ny amin'izay zava-nitranga marina, manamarina izy fa na dia eo aza ny loza mety hanjavonan'ny fiaramanidina dia tiany foana ny mandeha:

Uwielbiam latać samolotem. Podróż lotnicza nie wywołuje u mnie żadnego stresu, wręcz przeciwnie – działa uspokajająco i relaksująco. W chwili gdy maszyna odrywa się od ziemi wpadam w specyficzny błogostan, mam wrażenie że wszystkie moje problemy i zmartwienia pozostały tam na dole. Świadomość, że przez najbliższe kilka godzin podróży będę w zupełnie innym wymiarze, gdzie w sumie nic ode mnie nie zależy, sprawia mi wielką frajdę. Jak dziecko, godzinami mogę gapić się przez okienko, nawet jeśli to czarna noc i widać tylko gwiazdy.

Zastanawiam się dlaczego ten właśnie wypadek aż tak bardzo wlazł mi pod skórę? Złożyło się na to pewnie kilka czynników – Air France jest jednym z moich ulubionych przewoźników, dosłownie kilkanaście dni temu odprowadzałem bliską przyjaciółkę na samolot lecący z Caracas do Paryża, a ja sam też na trasie Ameryka Południowa – Europa latam dość często. No i jeszcze ta tajemniczość tej katastrofy – nie żadne „tradycyjne” kłopoty przy starcie, bądź lądowaniu, ale zaginięcie gdzieś na środku oceanu. Dobrze, że przynajmniej nie nad Trójkątem Bermudzkim…

Na szczęście nie sądzę aby ten wypadek zmienił mój stosunek do latania. Nadal się cieszę, że prawdopodobnie jeszcze w tym miesiącu będę musiał kilka razy wsiąść do samolotu. I wciąż mam nadzieję, że jeszcze w tym roku uda mi się dolecieć samolotem do Księżyca…

Tiako ny mandeha fiaramanidina. Tsy manderaka ahy mihitsy ny dia amin'ny fiaramanidina, ny mifanohitra amin'izany aza – tena mampilamina ahy ary manome fiadanana ho ahy. Amin'ny fotoana hiaingany ka tsi mitehaka amin'ny tany intsony dia mahazo filaminana aho, tsapako fa tavela eny ambany eny daholo ny olana sy ny ahiahy rehetra. Ny fieritreretana fa hoe mijanona eny ambony eny ahoo mandritra ny ora vitsivitsy dia mahafinaritra ahy. Tahaka ny ankizy kely dia tiako ny mijery eo ambaravarankely mandritra ny ora maro, ary na dia amin'ny alina aza ka tsy hahitako afa-tsy kintana. Manontany tena aho hoe nahoana no tsy mahakasika ny aty foko tanteraka iny lozam-piaramanidina iny? Satria misy antony 3 – ny Air France no zotra tiako indrindra, ary andro vitsivitsy lasa izay dia nanatitra ny namako akaiky ahy indrindra tamin'ny zotra avy any Caracas mankany Paris aho, ary na dia izaho koa aza dia mandeha matetika amin'ny zotra avy any atsimon'i Amerika mankany Eropa. Ary ny zava-miafina rehetra manodidina iny loza iny – tsy ny olana “mahazatra” amin'ny fiaingana sy ny fipetrahana, fa amin'ny fanjavonana any ampovoan'ny ranomasina any. Tsara raha tsy tao amin'ny Telolafin'i Bermudes izany no niseho… Tsara vintana aho satria tsy manova ny hevitro mikasika ny dia amin'ny fiara-manidina iny loza iny. Faly foana aho fa mbola afaka hipetraka any anaty fiaramanidina mandritra ny fotoana vitsivitsy amin'ity volana ity. Ary irariakofa amin'ity volana ity dia afaka hahatakatra ny volana ny fiaramanidina misy ahy.

Ady hevitra sy tsaho isan-karazany no manomboka mahazo vahana manodidina iny fianjeran'ny fiaramanidina iny, tsy noho ny toetr'andro hafahafa ihany izay misy any amin'iny faritry Atlantika iny, fa koa ny fiasan'ny solosaina tao amin'ny Airbus A330-203. Manadihady ny sasany fa toa fifanandrifian-javatra no nisy teo amin'ity zotra ity sy ilay zotra Quantas tamin'ny volana oktobra 2008 izay avy any Perth, Australie ary saika nidoboka raha vao niainga 200m fotsiny ka voatery nipetraka haingana. Milaza kosa ny hafa fa tsy afaka hamaritana izay loza hitranga amin'ny ho avy iny zava-niseho iny. Avy ao amin'ny Plane Talking, nosoratan'i Ben Sandilands ao amin'ny Crikey Blogs any Australie:

Notaterin'ny Aviation Herald, filazam-baovao amin'ny internet any Eropa mitatitra ny vaovao rehetra mikasika ny tsy fetezana sy ny fanairana elektronika any anaty fiaramanidina. Nambarany fa izany fanairana elektronika izany dia miasa rehefa misy tsy fetezana ka atao mitondra tena irery (autopilote) ilay fiaramanidina, avy eo arahan'ny hafatra avy amin'ny ADIRU na ny hafatra milaza ny zava-misy eny am-panidinana, ary ny marika ao amin'ny PRIM na ny solosaina voalohany ampiasaina amin'ny famehezana ny sidina no mampahafantatra ny hafainganam-pandeha, ny hahavo sy ny momba ny fitaovana amin'ilay fiaramanidina alefan'ny ADIRU; Izay no niatombohan'ny fanembatsembanana nahazo ny sidina Quantas QF72 avy any Singapore ho any Perth ka nahatonga azy hipetraka haingana.
Nandeha tamin'ny fomba fanidinana tsy mahazatra ny PRIM izay nitarika ny fijerena ny momba ilay fiaramanidina ka nahatonga ny mpanamory tsy afaka niditra ka nitarika tany amin'ny fihoarana ny fetra farany nahatonga ilay fiaramanidina ho simba, jerena koa ny vesatra entiny, ny elany sy ny gouvernail.
Na izany aza dia afaka hidin'ny mpanamory koa izany famerana izany.
Any amin'ny hafa no hahafantarana fa ny hafatra “tsy misy fiandohana” dia miverina isaky ny 4 minitra, ary faranan'ny hafatra azo hamarinina amin'ny alalan'ny hafainganam-pandeha, izay mampidina hafainganam-pandeha teo aloha ka mahakely ny tahan'ny fianjerana.
Noho ny fahasimban'ny ADIRU tao amin'ny Quantas A330-300 dia nivily nankany Learmonth ilay fiaramanidina ary nijanona ho ivon'ny loza tsy misy farany mihatra amin'ny ATBS. Hita koa izany amin'ny ADIRU nitarika fahasimbana tao amin'ny Quantas A330.
Ny ADIRU an'i Quantas dia namboarin'ny Northrop Grumman, fa ny an'yn Air France kosa namboarin'ny Honeywell. Marika 2 samy hafa ireo, samy manana ny mampiavaka azy kanefa manana tanjona mitovy ihany.

Frantsay ny ankamaroan'ireo niharan-doza: 61 tamin'ireo mpandeha sy 11 tamin'ireo mpanamory sy mpiara-miasa aminy dia Frantsay avokoa. Mitondra ny teny fampiononana i Charles Guy de Kerimel, mpanoratra ao amin'ny biloagy miresaka ny tantaran'ny fiaramanidina “Des avions et des hommes”:

L’annonce de cet accident me remplit de tristesse.
Le plus grave accident d’Air France, nous dit-on.
Indépendamment du nombre de victimes, pour chacun de ceux qui sont concernés la gravité est extrême, pour la victime bien sûr, mais aussi pour les parents, les amis, les collègues : ils se trouvent brutalement confrontés à une perte irrémédiable. Je m’associe à leur peine. Je songe au personnel d’Air France ; en premier lieu aux navigants, comme leurs aînés ils vont poursuivre leur tâche.

Mampalahelo ahy ny fanambarana iny loza iny. Iny no loza mahatsiravina indrindra nihatra tamin'ny Air France. Ankoatry ny isan'ny niharan-doza, dia tena faratampony ny fahavoazan'ireo voakasik'iny loza iny, ho an'ireo niharan-doza mazava hoazy, fa indrindra koa ho an'ny fianakaviany, ny namany, ny mpiara-miasa: nisedra tampoka fisarahana izy ireo. Miombon,a alahelo amin'izy ireo aho. Mahatsiaro koa ireo mpiasan'ny Air France aho; ireompisidina indrindra indrindra, tahaka ireo zokiny teo aloha dia tsy maintsy hanohy ny asany izy ireo.
Eustaquio Santimano/Creative Commons

“Ho fahatsiarovana ireo mpandeha 228 tao amin'ny zotra AF447″ avy amin'i Flickr dit Eustaquio Santimano, nahazoana alalana tamin'ny Creative Commons

John Liebhardt, Sylwia Presley arySarita Moreira no niara-niasa tamin'ity lahatsoratra ity

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.