Iran: resaka taorian'ny fipoahana baomba tany amin'ny Mosquée

Nisy baomba nipoaka tao amin'ny môske Ali Ibn-Abitaleb, môske Shiita faharoa amin'ny habeny any Zahedan, Iran. 25 raha kely indrindra ny isan'ny maty. Olona telo nampangaina ho nandray anjara tamin'ity fanapoahana môske ity no nahantona tamin'ny sabotsy maraina teo. Vondrona Sonita mitampiadiana antsoina hoe Jundullah, izay midika hoe Borigadin'Andriamanitra no nitonotena ho nanao ity fanafihana ity ary nolazainy fa tamin'ny alalan'ny famonoantena no nanaovana ity fanapoahana baomba ity.

Noampangain'ny fitondrana Iraniana avy hatrany fa nandray anjara tamin'ity fanafihana ity i Etazonia. Nolavin'ny fitondrana Amerikana ampahibemaso izany. Nikorontana ambony ambany ny tanànan'i Zahedan taorian'ity fanapoahana baomba ity satria nisy ny tatitra nilaza fa nifandramatra ny Shi'ite sy ny Sonita. Azonao jerena ny ambangovangon-draharaha amin'ny alalan'ity lahatsary manaraka ity:

Pardeh dia nanohitra ny fanantonana ireo olona telo ireo 48 ora taorian'ny fipoahana. Nolazain'ny mpamaham-bolongana fa tokony ho notsaraina tamin'ny adiheloka bevava an'ady ireny olona ireny, fa tsy tokony ataon'ny fitondrana ho fialana bala tsy hanarahana ny lalàna mihatra eto amin'ny firenena na iraisampirenena ny asa fampihorohoroana.

Amin Sabeti, mpamaham-bolongana mipetraka any Zahedan no namoaka sary maromaro ahitana ireo tratran'ny voina tamin'ity raharaha fanapaoahan môske ity ka nanontany hoe, “Atoa Mpampihorohoro ô, fa inona ny fahotanay ka nahatonga anay ho sorona noho ny hevitrareo?”

Bamdadi kosa namoaka indray ny lahatsoratr'i Syed Saleem Shahzad tao amin'ny Asia Times izay miresaka ny fifandraisan'ny Al-Qaeda amin'ny vondrona Iraniana Jundullah.

Hamid Tehrani

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.