Malezia:Mpanavao ny tsenam-barotra ve ny Praiministra?

Tokony hiandràndra fiovàna ara-politika tampoka amin’ny fitondràna malezianina ve isika? Tsy hoe mandray fotsiny ireo haitaom-bahoaka amin'ny aterineto mba handrisihana ny fandraisan’anjaran'ny olom-pirenena i Najib Razak, mijery ny toerana izay mbola tsy nalehan’ireo nialoha làlana azy koa izy mba hametraka rafitra fanalalahàna araham-pantina, anatin’ny sehatra fitantanam-bola sy ny tolotr'asa tato ho ato. Tonga hatrany amin'ny fanafoanana ny fetra 30% ho an’ny Bumiputra (Foko Malais) ao anatin’ireo sehatra ireo izany mba hisian'ny fifaninanana bebe kokoa. Fotoana izao handalinanan'ny mpamakafaka rehetra ny amin'ity fiovana tsy nisy toa azy ity sady mangetaheta ny mponina te-hahalala hoe htraiza ny fidonan'ny fanovàna nandrasana teo amin'ny teokarena.

Tony Fernandes dia miaiky fa izy ity dia tokony ho fiandohàna mankany aminà fiovàna goavana:

Ny fanafoanana ireo fepetra takian'ny NEP¹ ao amin'ireo seha-pihariana madinika 27 dia fanombohana iray goavana. […] Saingy manantena indriindra indrindra aho mba ho ny fitambaramben’ny toekarem-pirenena manontolo no hasiam-panavaozana. […] Faniriako raha i Datuk Seri Najib no ho lasa Margaret Thatcher vaovao. Amin'izao fotoana, be loatra ireo zo azo, ireo fifandroritan'ny tombontsoa sy ny vesatra ara-taratasy mamono ny famoronana, mampivalaketraka ny fikarohana sy tsy dia mandrisika loatra ireo mpandraharaha hanorina sy hampivoatra orinasa.

M. Bakri Musa dia manolotra tsoa-kevitra mitovitovy amin'izay, hoe fanombohana fotsiny iny fa tsy vahaolana feno, toy izao no fijeriny:

Mba hahazoan’i Najib vaha-olana tsara sy feno, mila mijery ny olana madinidinika sarotra noho izay nahatonga ny fametrahana fetra [fatra] […]. Avoatra ireo dia ho afaka hanalalaka, tsy ny seha-pihariana madinika monja ihany fa ny toekarena manontolo rehetra i Najib, raha tsy ny endri-piainana maleziana rehetra mihitsy aza. Amin'izay, tena tsy ho lavitra ny nofinofiny “1Malaysia” izy.

Chua Soi Lek dia miaiky fa hetsika mampandroso izy ity ary ny Foko Malays dia tsy tokony hieritreritra fa hoe voatohintohina ny zon'izy ireo:

Mino aho fa hisintona fampiasam-bola bebe kokoa sy hisarika ireo matihanina sy ny haitao vaovao ho tonga eto amin'ny firenena ny fanavaozana, ary antenaina fa ho hery manosika ny sehatry ny tolotr'asa izy ity. […] Voarakitra ao anaty lalampanorenana ny zo fototry ny Bumiputra.Tsy misy na iza na iza afaka hanàla izany. Amin'izay, ny fanavaozana ny NEP dia tsy tokony horaisin'ireo Bumiputra ho toy ny fametraham-panontaniana momba ny zo manokana azy ireo, satria efa miraikitra ao anaty lalampanorenana izany.

Malaysia-Finance dia milaza ilay fanovana ho tena mendri-piderana tokoa ary hisarika mpampiasa vola vahiny mivantana (FDI) ho ao anatin'ireo seha-piharian'ny tolotr'asa:

Na dia tsy mbola hitan’ny firenena mivantana aza ireo tombontsoa, ny fitambatambaran'ireo laza tsara dia efa antoka sahady ho aminà tontolom-pihariana azon'ny fifaninanana ivelarana ao Malezia hisarihana ireo fampiasam-bola avy any ivelany. […] Tena ilaina ny fiovàna raha ny fahitàna hoe ho tonga hatramin'ny 60% fara faha-keliny ny fiankinantsika amin’ireo seha-pihariana ireo, izay hampihena ny fiankinantsika amin’ny fanondranana ireo kojakoja elektronika sy ireo akora fototra.

Nefa, ny hevitra hoe ny fanavaozana dia hitondra fiovàna goavana amin’ireo politika efa misy dia tsy iraisan'ny maro. Mihevitra i Tony Pua fa tsy misy na inona na inona afa-tsy ny filazana ofisialy ny amin’ireo politika efa mipetraka ary miahiahy ny amin'izay lazaina fa hoe fiantraikany:

Ny (Depiote)-Minisitrin’ny Varotra Iraisam-pirenena sy ny Indostria (MITI), Datuk Mukhriz Mahathir, niteny ampahi-bemaso fa resaka fotsiny izany fanavaozana izany, tsy ampiana tsy analàna. […] Mukhriz dia tsy hoe nanambara fotsiny ny fikasany hiaro sy hanapariaka ny Pôlitika Ara-toekarena Vaovao (N.P.E), fa niteny koa izy fa ireo fepetra fanalalahana natao vao haingana, nambaran’i Najib, dia fepetra noraisina hifandrindran-daàlana amin'ny zavatra efa misy ao amin’ireo indostrian'ny tolotr'asa. […] Ireny rehetra ireny izany dia fampandriana adrisa fotsiny. Raha ny tena marina, ireo sehatra ireo efa afaka tamin’ireo gejan'ny fmaritana ny fari-panànana. Araka izany, ireo nambaran’i Najib dia tsy hisy fiatraikany loatra amin’ny asa ataon'ny indostria, na tena tsy hisy mihitsy.

Straight Talk dia nanamafy izay fomba fijery izay miaraka amin'ity filazany ity:

Efa niteny aho fa ny sasany amin’ireo fanehoan-kevitra tany am-piandohana no diso nentin'ny fo loatra sy nandeha ho azy. Maro tamin’ireo sehatra ireo no efa nisokatra, talohan’ny fanalalahana. Raiso ho ohatra ny informatika sy ireo tolotr'asa miaraka aminy, ity sampan'asa ity dia tena efa nalalaka tamin'ny ny nametrahana ny MSC². […] Nefa toy ny mahazatra, antoko pôlitika vitsivitsy, manam-pahaizana sy tompona petra-bola vitsivitsy no midera sy manasohaso ny fanavaozana nataon'ny Praiminisitra.

Raha ny haavon’ny fijery miiba sy ny fijery ankapobeny no zohiana dia be no mbola tokony hatao, mbola mila fotoana be i Najib mba hanaporofoany fa izy tokoa ny lehilahin’ny fanavaozana.

Fanamarihana: NEP midika hoe New Economic Policy – Pôlitika Ara-Toekarena Vaovao natao mba hamongorana ny fahantrana tsy hijabahan'ny resaka ara-poko intsony ; MSC mifandraika amin’ny Multimédia Super Corridor – Lalantsara Migodanan'ny Multimedia natao mba hanapariahana ireo TIC ho toy ireo fitaovana fampandroasoana any amin'ireo firenena mandroso

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.