Sina sy Hong Kong: sary amin'ny T-shirt ho fahatsiarovana ny hetsika 4 Jona.

Isan-taona, mialoha ny fahatsiarovana ny 4 Jona( Kianjan'i Tianamen , 1989), no tian'ny mponina ao Hong Kong hanaovana fihetsiketsehana hitadiavana ny rariny. Amin’ity taona ity dia ny andron’ny 31 May no anaovana ny fihaonambe ho fahatsiarovana ny faha-20 taonan’izany. Ankoatra izany dia hisy ny fitondrana labozia amin'ny alin’ny 4 Jona izay hiarahan’ny vahoaka mientana ho fahatsiarovana ireo izay namoy ny ainy ho an’ny demokrasia. Araka ny mahazatra dia ny mpikarakarara,  antsoina hoe  Hong Kong Alliance in Support of Patriotic Democratic Movement in China(Ny firaisan’ny Hong Kong manohana ny hetsika fitiavan-tanindrazana ara-demokratika ao Sina), no miangaly ny hakanton'ny T-shirt ho an’ity hetsika ity; amin’ity taona ity, dia misy ny fiovana hafakely satria efa niangaly ny endri-tsary tiany hatao amin'ny T-shirt ny mpiserasera ary misy ny mizara ny vitany amin’ny alalan’ny aterineto: toy ny Foncept. Hita eto ambany ny sombiny amin’ireo haikanton'ny T-shirt entina hahatsiarovana ny 4 Jona nataon'ny mpiserasera:
pop64

I Kar Chum no namorona ny famantarana (logo):

Mampiseho ny  Lapa Tianamen ny sary eo amin’ny tapany ambony misy ny soratra 1989. Milaza ny fotoana sy ny toerana nisian'ny hotakotaka. I Tiananmen kosa araka ny soratra anankiroa mijadona etsy ambany, dia milaza ny tarehi-marika “enina”, ny tapany ambany dia milaza ny tarehi-marika “efatra”, ary izy ireo mitambatra kosa  no manome an-tsary  ny endri-tsoratra Sinoa fahagola “冏”. Eo amin’ny aterineto ankehitrio, ny endri-tsoratra “冏” dia midika hoe fanajàna, tsiahy sy alahelo, fa ny dikany tany am-piandohana izay hita mifanohitra amin’izany kosa anefa dia midika hoe”fahazavàna”. Milaza hafatra ity sary ity fa “na dia tsy nahomby aza ny zava-nitranga tamin’ny 4 Jona, dia nanjary ho famantarana ho an’ny tanora vao misandratra izy io mba handrosoana amin’ny ho avy ao anaty fahazavana sy ara-demokratika hatrany. Manan-danja lehibe ho amin’ny fampandrosoana ny demokrasian’I Sina ity hetsika ity.

tank

Ireo endri-tsoratra Sinoa efatra dia midika hoe: “valifaty” sy “manombotomboka hatramin'ny fahafatesana”, hoy ny mpahay kanto egg sandwich:

八九民運六四事件當中最為無情的最為觸目的應該是一部一部的坦克車轆死中國人。

Nandritra ny hetsika ho amin'ny demokrasia 1989 sy izay nitranga tamin'ny 4 Jona, ny sary nahatsiravina indrindra dia ny nanosihosen'ny fiara mifono vy ny vahoaka Sinoa.

peace

Ity iray ity indray izay namboarin’ny Tai Creative Design, dia mampitambatra ny soratra hoe “4 Jona” miaraka amin’ny  teny hoe “Fandriampahalemana”.

tee_template_white

Etsy ankilany dia maneho endri-tsoratra mivadika “4 Jona” I Egg ho mariky ny “fampiononana”.

democracy-statue

Ampiasain’I Zi Sun ny soritsoritra famantarana ny “Andriamani-bavin'ny Demokrasia” , izay niarahan'ny mpianatra zavakanto tao Beijing namorona, tamin’ny taona 1989.

tank2

tank3

Samy ampiasain’I Joel sy Z!NG avokoa ny sary manohina ny fo arahana famantarana izay mampiseho ny olona iray ao Beijing miezaka manakana fiara mifono vy an-tanam-polo tsy hiditra ny Kianja Tiananmen

students
Ny mpahay Sary  antsoina hoe Vicky dia manazava fa voasoritry ny sary ny hoe “mpianatra”, “boky mena”, “fahafatesana” ary ny “4 Jona”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.