Rosia: Fandraisana fepetra noho ny finoanoam-poana

Nanoratra (teny rosiana) toe-draharaha tsy tokony hisy dikany any amin'ny faritra hafa ivelan'i Osetia avaratra, firenena mizaka tena ao anatin'ny firaisamben'i Rosia, ary nizaka ny herisetra maro isan-karazany ny mponina ao aminy hatramin'ny nianjeran'i Firaisana sôvietika, ny mpampiasa ny LJ liza-valieva – na ny mpanao gazety Osetiana tavaratra Liza Valieva – anisan'ny herisetra nanjo azy ireo ny raharaha fakana takalon'aina tao amin'ny sekoly iray tao Beslan  tamin'ny volana septambra 2004:

Tonga tamin'ny tanjona notadiaviny ny mpampihorohoro: vahoaka feno tahotra. Ary faritra anjakan'ny fampihorohoroana any Osetia avaratra ka tsy sarotra ny manao izany.

Niteraka savorovoro nandraisana fepetra araka ny lalàna ny nofiratsy-na sipa mpianatra iray. Niteny rasipa fa hisy fipoahana ny sekoly amin'ny 15 mey. Nohazavainy fa nahita vatapaty be dia be navoaka avy tao am-tsekoly izy tamin'ny nofiny.

Vokatr'izany, “Nandray fepetra ho fisorohana ny mpitondra fanjakana. Nandritra ny indroa andro nisesy dia nosavasavaina ny tao an-tsekoly fandrao misy baomba, ary anisan'ny niasa tamin'izany ny mpahay resaka vanja milevina sy ny minisiteran'ny atitany. Nambenan'ny polisy ny sekoly; tsy maintsy nijanonan'ny polisy ihany koa teo amin'ny akaninjaza eo akaikin'io sekoly io mazava loatra. Maro tamin'ny ray aman-dreny ihany koa no tsy nety nandefa ny zanany ho fiahiana ny ainy. Na izany aza dia tsy nahitana na inona na inona mihitsy tao an-tsekoly.” [Nifandrohy tamin'ny vaovao navoakan'ny Regnum news tamin'ny 14 mey ity raharaha ity.]

Mahagaigy. Tokony ho nampihomehy raha tsy nampalahelo ny tantara.

Mbola mpianatry ny anjerimanontolo aho raha nisy ny fipoahana baomba voalohany tao afovoan-tsena taty Osetia.Saika nitovitovy avokoa ny nofinay tao amin'ny anjerimanontolo tamin'ny fotoana nisian'ny fipoahana ary dia samy nanavotr'aina avokoa izahay, no mahita ny tapatapaka vatana sy ny ra mandriaka. Saingy tsy nisy ny nanamarina ny tany amin'ny anjerimanontolo izay nofisinay tamin'izany. Na dia teo aza ny mpiasan'ny minisiteran'ny atitany sy ny mpahay momba ny vanja milevina hisava ny efitrano dia antony hafa no nahatongavany tao: Nisy mpianatra namazivazy fa misy vanja milevina ao amin'ny anjerimantolo.

Be loatra ny finoanoam-poana ao amin'ny olona manjary ka raisiny ho zavatra matotra ny resaka nofy. Mety mihitsy raha mandray andraikitra tahaka izao ny olona, fa raha finoanoam-poana no hampirahana lalàna mba mahagaga ihany. Averiko indray fa tsara mihitsy raha mahay mihetsika ny olona rehefa mahita zavatra hafahafa.

Ity misy fanehoan-kevitra iray sy ny setriny nataon'i Liza Valieva azy:

glazastikk:

Tsy mampihomehy io ry Liza a! Misy ny matoky 100% fa mahalala mialoha ny horohoro ao Beslan, sy ny asa fampihorohoroana mazava loatra. Mety hiteraka fifanarahana ny horohoro. Noho izany fahadalana mihitsy ny fanairana voktry ny nofina tovovavy 15 taona. Tiany porofoina fa efa vonona amin'ny zavatra mety hitranga rehetra izy ireo? […]

liza_valieva:

Mazava loatra fa tsy mampihomehy. Kihomehimehy aho. Tena mahalasa adaladala tanteraka ny tantara. Raha mba nahay naka fepetra tahaka ny amin'izao fotoana izao ny mpitondra fanjakana, mety manao ahoana re ny fihenan'ny fampihorohoroana eto Ôsetia avaratra e? Maro ny antony azo ilazana fa tena tsy vonona mihitsy amin'izay mety hisiana asa fampihorohoroana ry zareo. […]

Veronica Khokhlova

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.