Sina: manampy an'ilay mpandroso sakafo nahafaty mpiasam-panjakana iray ireo mpampiasa aterineto

Deng Yujiao, mpandroso sakafo  iray mipetraka any amin'ny faritanin'i Hubei nanindrona antsy mpiasam-panjakana iray ary nandratra iray hafa raha nanohitra ny fikasan'iretsy farany ny hanao firaisana ara-nofo taminy.  Ny resaka mandeha eo anivon”ny aterineto dia tsy misy fitserana manoloana ilay razana fa manohana amin'ny ankapobeny an'ilay vehivavy 21 taona, amin'ny filazana azy ho  Yang Jia iray vaovao  nijoro tamin'ny fahamarinana.

Lehibe ao amin'ny birao fampiroboroboana ny fampiasam-bola ao Canton i Deng Guida, ilay lehilahy maty. Nandeha niaraka tamin'ny namany roa izy mba hanararaotra fanorana tao  amin'ny Dream City, ary tany no nahitany ilay mpandroso sakafo. Nangataka  ‘fikarakarana manokana’, midika hoe ‘filàn'ny nofo’ izy io  any Sina, izy ireo saingy  nolavina izany.

Raha ny voalaza dia namoaka vola taratasy avy tany am-paosiny i Deng Guida ary nokapohiny tamin'iny ny lohan'ilay tovovavy. Nahatsiaro menatra noho izay fihetsika izay, ary  niezaka nandositra nivoaka ny  trano i Deng saingy indroa natosik'ilay niharam-bono ho eo ambony sezalava iray izy. Nahita antsy ilay tovovavy ka notsindroniny ny tendan'ilay lehilahy, nitarika ny fahafatesany sy nandratra ny iray tamin'ireo namany.

Fotoana fohy taorian'izay dia niantso ny polisy ilay vehivavy  ka nitolo-batana  hotanana an-tranomaizina.

Vantany vao vaky ny resaka dia niteraka avy hatrany resa-be teny amin'ireo toerana falehan'ny besinimaro. Ny voalohany dia ny fahafantàrana raha tokony ho raisina ho fiarovan-tena ny fihetsik'ilay tovovavy. Na dia misy amin'ireo mpahay làlana aza no manaiky fa mety ho meloka izy, ny sasany ao amin'ny Xing-Dao Daily, gazety mpampita vaovao any Hong Kong, kosa miady hevitra:

邓贵大要求邓玉娇提供“特殊服务”,邓玉娇不从,使用暴力手段,两次将邓玉娇按倒在沙发上,已构成强奸行为,且该不法侵害正在进行,并即将邓玉娇的人身造成严重损害。邓玉娇的防卫行为,是在情况紧急,精神高度紧张的情况下采取的自卫行为…不负刑事责任。

Nangataka  ‘fikarakarana manokana’ ilay mpiasam-panjakana, nefa nolavina! Natosiny tamin-kerisetra ho eo ambony  sezalava i Deng, izay fihetsika azo lazaina ho saika hanolana azy. Nisy izany ny fanohintohinana ny zo maha olona an'i Deng ary saiky niteraka ratra lehibe teo aminy. Fiarovany ny tenany izany ilay famonoany tamin'ny antsy ary noho ilay tranga tao anaty hamehana….tsy tokony tondroina ho meloka izy!

Maro tamin'ireo mponin'ny aterineto no nanandra-peo momba an'i Deng. Yi Li in Tianya dia nitondra fanamarihana momba ny vaovao, manao hoe,

邓玉娇,你是好样的。敬佩你,支持你,向你学习。望保重。

Deng Yujiao, hendry ianao. Midera anao aho  ary manohana anao, ary manan-javatra alain-tahaka avy aminao. Masiana indrindra.

Ankoatra izay, ny tantarany dia voasoratra anaty lahatsoratra fohy amin'ny teny Sinoa tranainy izay ampiasain'ireo mpahay ny tantara fahiny hiraketana ho ohatra ny nasehon'ny olona iray nanam-pahasahiana. Ho an'ireo mahay  tsara ny Sinoa, ity ilay lahatsoratra:

邓玉娇者,荆州巴东人也,美而烈,以修脚为业。
一夕,浣纱于室,野三关镇吏黄德智、邓贵大、邓某相携寻欢不遇,见玉娇,遂破门而入,欲强狎焉。玉娇严词斥之,邓贵大怒,鞭面以币,曰:吾辈多金,岂惧汝不从哉。玉娇不顾,贵大愈怒,乃按其于卧塌,强起,复按之,三者相视而笑。玉娇羞愤,遂操细刃刺之,三创而毙,德智复犯,玉娇又刺之,重创,邓者大惧,不敢前。玉娇乃投刃自首于官。

jy_xyp dia milaza fa:

娶女如此,此生足已!!!!

Sambatra aho raha tovovavy toy izany no azoko ampakarina ho vady.

Zava-tsarobidy ny fahadiovana [ maha-virjiny] any Sina, ary maro ireo tantara maneho ny fomba niarovan'ireo vehivavy ny haja sy voninahiny. Eto  ny teo-po nidera tovovavy iray niaro ny fahadiovany dia miharo fankahalàna ireo mpiasam-panjakana mpanao kolikoly ihany koa.

Ao amina'ny  People.com, i  Sun Xiaobo mpitoraka blaogy iray dia manontany hoe:

一是这些官员哪里有那么钱?因为在争执中,被刺死的邓贵大曾从怀中拿出一沓钱抽打邓某的头部,一个靠工资过日子的公务员哪来的那么多钱,而且一点也不怜惜。到底是公款,还是腐败得来的。官员为何热衷于去娱乐场所?为何热衷于特殊服务?

Fomba nanao ahoana moa no tena nanànan'ireto mpiasam-mpanjakana ireo vola be toy izao? Nandritry ny fifanolanana dia novelesin'ilay nidiran'andro taminà antontam-bola taratasy ny lohan'ilay tovovavy. Raha avy amin'ny karamany, ahoana no hananan'ny mpiasam-bahoaka iray vola be toy izany holanilaniana fotsiny ka tsy hampanontany tena sy hiteraka ahiahy? Volam-bahoaka ve io sa vola nahodina angamba?

Ahoana no ahafahan'izy ireny mandeha matetika any amin'ny toeram-pialamboly toy izany sy adala tafahoatran'ny  ‘fikarakarana manokana’ toy izao?

Mpitoraka blaogy, mponin'ny aterineto sy avara-pianarana maro no niara-nanao hetsika ho fanohanana an'i  Deng Yujiao. Taratasy iray  misokatra ho an'ny daholobe manentana ny rehetra handefa ny teny fampaherezana avy amin'izy ireo ho an'i Deng, izay migadra ankehitriny, no hita any anaty aterineto any milaza an'i  Deng ho  ‘heroine’. Maro koa anefa ireo nihevitra fa mety ho lalaovin'ny polisy ny porofo [ny tena zava-misy marina] mba hanampiana ny fitsarana hanameloka an'i  Deng.

Tamin'ny tatitra sava-ranonando, nambara fa i Deng dia tsy dia milamina ara-tsaina loatra. Sady koa, nolazain'ny polisy fa ny fitaovana nampiasain'i  Deng dia antsy fandidiana voankazo fa tsy ny fitaovana fikarakarana hoho tokony hampiasainy amin'ny asany rehefa mikarakara ny hohon'ireo mpanjifany. Momba io teboka iray io, ny mpitoraka blaogy Zhou Zhongming dia nanoratra lahatsoratra iray:

首先,他们故意不提招商办官员用钱打修脚女的细节.

其次,他们将自卫工具修脚刀换为水果刀.这看似细微的差别,所能形成的造案效果却不可低估:用修脚刀自卫,说明是在工作被挑戏激愤慌张中自卫,用水果刀则不同,洗脚物包间通常不会有,这就为构陷修脚女”折出拿刀再返回刺杀”埋下伏笔.这样就使显而易见正当防卫往故意杀人上靠.

Voalohany, tsy miresaka mihitsy ilay antontam-bola taratasy ny polisy!
Faharoa, Lazain'izy ireo fa antsy fandidiana voankazo ilay fitaovana, fa tsy fikarakarana hoho! Efa misy fahasamihafàna kely izay satria ilay izy fitaovana fikarakarana hoho, ary maneho izany fa tao anaty fisavoritahana ilay tovovavy no niaro ny tenany tamin'izay zavatra tratry ny tànany teny. Raha antsy fandidiana voankazo ilay izy, midika izay fa nandeha naka ilay antsy tany ananona tany ilay tovovavy ary namono ilay mpiasam-panjakana fa tsy fihetsika fiarovan-tena tsotra fotsiny

再次,他们声称在修脚女的包里查出治疗抑郁症的药.这一招最狠毒:可以维护官员的形象;又可以将修脚女投入精神病院折磨,谁都知道进政治精神病院是比死刑恐怖千百倍的事.

Ery ambanimbany indray, lazain'izy ireo fa nahitàna fanafody fitsaboana aretin-tsaina tao anaty pôketran'ilay tovovavy. Dia tena tsikombakomba ratsy entina hiarovana ny lazan'ny mpiasam-panjakana fotsiny izao e! Azon'izy ireo atao mihitsy aza ny mandefa ilay tovovavy ho any amin'ny toby fitsaboana marary saina. Ny tsirairay anefa  samy mahalàla fa ratsy lavitra noho ny fanamelohana ho faty ny fandefasana any amin'ny toerana [an'ny Fanjakana] natao hametrahana ny marary saina.

Manome sarisary momba izay heveriny ho fehin-kevitra havoakan'ny polisy ilay mpitoraka blaogy: ilay tovovavy, noho ny aretin-tsainy sy ny fahavononana hamono, dia nanatsatok'antsy ireo mpiasam-panjakana roa taminà antsy efa nomanina indrindra ho amin'izany.

Dia ho marina ve ny filazàna toy izany? Miandry izay valin-teny farany avy amin'ny polisy ny mponin'ny aterineto rehetra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.