Korea : Maty ilay filoha tsy nanao kolikoly indrindra fa ampangaina ho manao kolikoly izy

Nodimandry androany (sabotsy) ny filohan'i Korea teo aloha Roh Moo-hyun. Nanandrana nandao ny fiainany milamina tao an-tanàna niaviany tamin'ny alalan'ny fitsambikinana tany amin'ny hantsana tao ambadiky ny tranony ny filoha rehefa nahatsiaro nijaly noho ny raharahan-kolikoly sy fanadihadiana ataon'ny fampanoavana aminy. Na dia tsy misy loatra aza ny porofo ahafahana manameloka azy dia ny fanenjehana tsy mitsahatra ataon'ny fampahalalam-baovao sy ny faneriterena mafy aminy no nahatonga azy handray izao fanapahan-kevitra izao. Nanaitra an'i Korea ny fahafatesany. Malahelo noho ity vaovao ity ny olona ary nisy ny efa manahy ny hikorontanan'ny tontolo politika. Avy any amin'ny aterineto aloha no tena nahitàna voalohany ny fihetseham-pon'ny olona.

Indreto ny onjan-dahatsoratra sy hevitra mitodika amin'ity vaovao manaitra ity:

한국이 그를 죽였다

Korea no namono azy.

역사는 당신을 기득권층에 맞서 서민들을 위해 싸운 대통령으로 영원히 기억할 것입니다.부디 저 세상에서라도 편히 쉬시고 다음에 태어나실때는 당신의 고귀했던 이상과 뜻을 마음껏 펼 수 있는 곳에서 태어나시길 빌겠습니다.

Hahatsiaro anao ho ilay filoha niady ho an'ny olona hanohitra ny matanjaka ny tantara. Manantena aho fa hahita fiadanana ianao any amin'ny tontolo hafa misy anao any ary ho teraka any amin'ny toerana ahafahana maneho ny tarigetranao tsara sy ny nofinofinao indray anie ianao.

이나라의 사법부는 국민을 위한데 있는것이 아니라 권력에 빌붙어 가진자만을 위해 존재한다!!내주위에 돈은 없지만 옳은길을 가는 친구가 있다면 나또한 사비를 털어서라도 그를 도울것이다..도데체 노대통령이 무엇을 얼만큼 잘못했단단 말인가!!전직 대통령이 고향에서 환경운동하면서 살겠다는데 도데체 현정부는 무엇이 그리도 그가 미웠단 말인가!!오바마는 힐러리도 함께 손을 잡고 미국의 미래를 위해 정치하는데..노무현 대통령은 우리 서민의 희망이였다[…]

Tsy ho an'ny vahoaka ny fitsarana amin'ity firenena ity fa ho an'ny matanjakal!! Raha manana namana tsy manam-bola aho, fa manana tarigetr tsara kosa, dia aleoko kosa manohana ilay namana amin'ny volako… Fa inona mihitsy ny ratsy nataon'i Roh Moo-hyun e? Nikasa ny hiaina any amn'ny tanànany ny filoha teo aloha ary hiasa ho an'ny tontolo iainana. Nahoana no dia mankahala fatratra ity filoha ity ny mpitondra amin'izao fotoana izao? Nifandray tànana i Obama sy i Hilary hiasa miaraka ho amin'ny ho avin'i Amerika…Roh Moo-hyun manko no fanantenanay.[…]

진정한 우리의 대통령이셨다는걸 훗날 역사는 말해줄것입니다.

Aoriana any dia hanaiky ny tantara fa filoha marina teo anatrehanay ianao

현재 전세계 유튜브 , 구글 이용국가중 유일한게 대한민국만 어떠한 덧글도 달지 못하게 봉쇄되어있다 . 언론에서는 정확하지 않은 노통의 비리문제에 대해서 연일 발표를 하고 외신들은 조중동같은 언론의 말을 전할뿐이다 . 글로벌 개념의 매체에서의 한국민 덧글 봉쇄로 조중동의 발표가 진리인것처럼 포장되어 세계인들에게 알려지고 있다…. 얼마나 치밀하고 악독한 독재가 진행되고 있는지 다들 눈을 크게 뜨고 느껴보아라.

Korea irery ihany no firenena mampiasa youtube sy google manakana ny hevitry ny mpiserasera tsy hivoaka. Tsy nitsaha-namoaka vaovao momba ny kolikoly ataon'ny Roh hatrany ny fampahalalam-baovao na dia tsy nisy aza ny porofo. Ny mpaka vaovao avy any ivelany moa dia ny mamerina izay ambaran'ny gazetin'i Cho-Joong-Dong ihany no ataony. Eo imason”izao tontolo izao moa, noho ny fanakanana ny hevitry ny olona dia izay ambaran'ireo gazetin'i Cho-Joong-Dong ihany no miampita any ivelany ka heverina ho hany marina. Sokafy tsara ny masonao hahita ny fisongadin'ny jadona.

Fa inona ny nataon'ny governemanta?

[…]착잡한 심정을 지울 수가 없다. 2002년 대선 때, 그렇게도 지지했었고 그 후 그렇게도 비판해 오던 사람이었는데…어쨌든 그가 대중에게 가장 가까이 다가선 인물이었고, 많은 젊은이로 하여금, 또한 네티즌으로 하여금 정치에 관심을 가지고 바라보게 만든 인물이라는 사실을 부정할 사람은 없을 것이다. 그의 죽음을 전해들은 이명박 대통령의 모습을 TV에서 보았다. 기분 탓인지는 모르겠지만 굉장히 초췌해 보인다. 설마하니 노무현이 자신을 내던져 가면서까지 무언가를 주장하리라고는 생각하지 못했을 거다. 아마 이명박 대통령은 그 누구보다도 노무현 전대통령의 서거에 가장 큰 충격을 받았을 거다. 여러가지 의미로.역시나 오늘 노무현 전대통령의 죽음을 애도하는 사람들이 모였다. 설마했지만, 역시나 전경들이 출동했다. 그리고 그를 추모하고자 모인 시민들과 충돌이 일어났다. 게다가 그의 서거가 알려지자마자 수사 종결을 선언하는 엽기적인 짓을 하기에 이른다. 이로서 이명박 정권은 그 스스로 또 하나의 업적을 기리게 된 것이다.

-전직 대통령을 살해한 정권.

Vaka ny saiko. Nanohana azy aho tamin'ny fifidianana ho filoham-pirenena tamin'ny 2002 ary nitsikera azy taty aoriana…Izy no filoham-pirenena nanakaiky ny vahoaka indrindra. Izy irery no namela y tanora sy ny mpiserasera ho liana politika. Nahita an'i Lee Myung-bak(filoha ankehitriny) tao amin'ny fahitalavitra aho taorian'ny nandrenesana ity vaovao ity. Jerena ho hatsatra ny lehilahy. Tsy nieritreritra an'i Roh Moo-hyun hamono tena mihitsy izy hanaporofoana ny fahadiovany. Mino aho fa izy no tena taitra indrindra. Maro ireo olona te-hampionon-tena teny an-dalambe. Mazava loatra fa efa niandry azy ireny ny polisy ary nifandòna tamin'izy ireo mihitsy. Ankoatra izany, vantany vao nambara ny fahafatesany dia nisy ny tranga tsy izy mihitsy niseho. Nanambara ny fahavitan'ny fanadihadiana ny tao amin'ny fampanoavana. Nisy zavatra noraiketin'ny tantara momba ny fitondrana Lee indray.-Novonoin'ny fitondrana ny filoha teo aloha.

Ny fanadihadiana tsy mitsahatra nataon'ny fitsarana sy ny vaovao mitantara amin'ny antsipiriany ve no nahatonga ity voina ity?

결국 노무현 대통령이 모든것을 않고 떠났습니다.”누구도 원망하지 마라. 운명이다.”평생을 권력과 싸워왔지만 결국은 어쩔수 없음을 운명으로 받아 들이시며 우리 곁을 떠났습니다.검찰…. 조중동…. 한나라당…. 이명박…. 이제 만족하십니까? 속 시원하십니까? 그토록 원하는것이 이것이었습니까?

Lasa ihany tamin'ny farany i Roh Moo-hyun. “Aza manameloka na iza na iza. Izay no lahatra.” Niady tamin'ny fitondrana izy nandritra ny androm-piainany iray manontolo, fa tsy afa-nanao nihoatra izay ka nandao antsika. Ry fahefam-pitsarana….Ry Cho-Joong-Dong (ny gazety mpandala ny nentindrazana telo)… Ry Antoko Nasionaly Lehibe…Ry Lee Myung Bak…. Faly ve ianareo? mahatsiaro mihatsaratsara kokoa ianareo? Izao ve no notadiavinareo?

Tsy manaiky izao vaovao izao ny vahoaka.

[…]그런데 왜 당신은 몸을 던지셔야만 했나요. 너무나 슬픈 일입니다. 살벌한 독재시대 때 온몸으로 싸우셨던 노무현. 그 독재시대를 주물럭거리며 통치했던 사람들은 부끄럽게도 버젓이 살아있는데.왜 당신이 먼저 가야만 합니까. 부패를 넘어 수많은 민주인사들을 죽음으로 몰고 갔던 시대의 비겁자들은 저렇게 시퍼렇게 살아 뻔뻔하게 살아있는데.[…]

[…]Nahoana ianao no namono tena? Indrisy. Niady mafy ianao nandritra ny vanim-potoanan'ny jadona. Mbola miaina tsy manana ahiahy hatramin'izao ireo nifehy ny jadona. Fa nahoana ianao no nandao voalohany? Miaina amin-kenatra ny saro-tahotra namela ny mpitolona demaokraty ho faty.[…]

Mitovy ny fahatsapan'ny mpanohana sy ny tsy mpanohana

[…]학교에서 배웠던 ‘정치'는 학교 밖에서의 ‘정치'와 너무도 달랐었다. 기존 정권에 대한 실망도 컸지만 그래도 그가 말한 ‘소신'과 ‘원칙'에 대한 믿음과 그만한 기대가 있었기에 그를 응원했었다. 열렬한 지지자는 아니었어도 보수 정권과 언론의 돌팔매질에도 꿋꿋한 그를 한 국민으로서 보호해 주고 싶었다. 그래서 난 오히려 거침없이 발언을 하는 그의 모습도 나쁘지 않았다. 오히려 인간적이다 싶었다.[…]

[…]tena samihafa tokoa ny ’politika’ nianarana tany an-tsekoly sy ‘izay’ taty ivelan'ny sekoly. Diso tamin'ny fitondrana teo aloha aho indraindray, saingy notohanako izy satria nino ny ‘finoana’ sy ny ‘fitsipika fototra’ noteneniny aho. Tsy mpanohana mafana fo aho, saingy te-hiaro azy kosa noho ny tsy nitsaharany nampihatra ny fitsipika napetrany na dia teo aza ny fanenjehan'ny fitondrana mpandala ny nentin-drazana sy ny fampahahalalam-baovao. Tsy nanohitra ny fomba fiteniny aho. Mahatsiaro ny mahaolombelona ahy aho.[…]

Ity lahatsoratra ity no maneho ny nataon'ny rehetra raha vao naheno ity vaovao nanampoka ny maro ity nandritra ny faran'ny herinandro. Maro ny mpiserasera nanoratra taratasy taminy.

한 주의 피로를 풀어보려고 늦잠을 잤습니다. 무척 고된 한주를 보내고 맞이하는 토요일의 아침잠은 달콤했습니다.하지만, 늦잠을 자고 일어나 보니 세상이 난리였습니다.믿기지 않았습니다. 믿을수가 없었습니다.하루를 멍하니 뉴스만 바라봤습니다.똑같은 뉴스가 되풀이 되고 있음에도, 화면 가득 익숙한 사람의 얼굴만이 나오고 있어도 실감이 나질 않았습니다. 하루를 마감할때 까지 멍하니 있었습니다. 배도 고프지 않고 그냥 멍하기만 했습니다.

하지만 이제 인정해야 할것 같습니다. 노사모 회원도 아니고, 참여정부에 대해서 비판도 많이 했지만, 당신의 정치철학만은 위대하다고 느꼈습니다.암울한 해충의 시대에 들어서면서 부터 더욱 절실해졌습니다. 기득권에 대한 당신의 함성이 이토록 크게 느껴질때가 없었습니다. 그리고 당신이 우리와 같은 모습으로 넉넉한 웃음을 짓는 것이 큰 위안이 되었습니다.시간이 지나서야 당신의 외로움이 이해가 되었습니다. 기득권과 권위에 대한 당신의 도전이 얼마나 무모하고 위험한것이었는가를 깨닫게 되었습니다.정치적 철학을 이야기 하는 정치가는 많지만 실천하는 정치인은 별로 없습니다. 그런 의미에서 당신은 스스로 험난한 길을 마다않고 실천했습니다. 안주하지 않고 무모한 길을 묵묵히 걸어갔습니다.쉬운길을 택하지 않고 어려운 길이더라도 열정과 신념을 가지만 할수 있다는 것을 보여주었습니다.소수가 아닌 모두가 평등하다는 기본 원칙을 스스로 보여주었습니다.반백년을 이어온 오만한 권위로 부터 승리할 수 있다는 것을 보여주었습니다.아마도 그것은 희망이었던것 같습니다.모진 매를 맞아도, 비바람이 몰아치는 날씨에도 묵묵히 걸어가던 당신의 모습을 이제서야 기억합니다. 왜곡과 박해는 있어도 진실을 감출수 없다는 당신의 말도 기억합니다. 사람들은 바보 노무현이라고 불렀지만, 알듯 모를듯 웃음짓는 당신의 미소를 기억합니다.아마도 그것은 원칙과 소신을 가진자만이 느낄수 있는 여유로움이었던것 같습니다.

이제 인정해야 할것 같습니다.당신이 세상을 떠났다는 사실을 말입니다.그리고 기억해야 할것 같습니다.당신이 하고자 하는 말이 무엇이었는지, 우리가 해야할것들이 무엇인지를 말입니다.어제는 내가 세상에 태어난 날이었습니다.그리고 다음날은 당신이 세상을 떠난 날이 되었습니다. 잊지 못할것 같습니다.당신이 꿈꾸던 세상과, 이루고 싶었던 많은 것들은 결코 잊혀지지 않을겁니다.당신의 목소리를 듣던 사람들이 자라고 성장해서 당신이 꿈꾸던 세상을 만들수 있을겁니다.고생 많으셨습니다.이제 차별과 억압이 없는 그곳에서 행복한 시간 보내시길 바랍니다.

삼가 고인의 명복을 빕니다.

Natory maraina aho mba hanalako ny harerahako nandritra ny herinandro. Mamy hatrany mateteika izany torimaso sabotsy maraina izany. Fa nivadika ny tontolo rehefa taitra aho. Tsy nino aho. Tsy te-hino aho. Lay andro nijery vaovao fotsiny aho nandritra ny tontolo andro. Tsy nety nino aho na dia ny vaovao teo ihany aza no niverimberina ary efa miha-hay tsianjery ny tavan'ny olona niteny. Lasa ny iray andro fa mbola eo ihany aho. Tsy nahatsiaro noana mihitsy aho nandritra ny tontolo andro. Foana tanteraka ny ao an-dohako. Saingy mieritreritra aho fa tokony atrehina amin'izao ny zavamisy. Tsy mpikambana ao amin'ny Rohsamo aho (Fikambanana tia an'i Roh Moo-hyun). Nitsikera ny fomba fitondranao aho, saingy nieritreritra matetika aho fa tsara ny filozofia politikanao. Nahatsiaro ho manina anao kokoa aho hatramin'ny nanombohan'ity zavamaharikoriko ity (fitondrana ankehitriny). Tsy tsapako ho lehibe tahaka izany ny feonao nanohitra ny fitiavankely. Nanome hery ahy ny tsikinao. Lasa ny fotoana ka tsapako fa irery ianao. Tsapako fa zavadoza sy mety hahafaty tokoa ny fihaikanao ny matanjaka sy ny manana fahefana. Maro ny mpanao politika no miresaka ny filozofia politikany fa vitsy ny mampihatra izany. Fa tsy nisalasala ianao fa nanatontosa azy. Tsy nijanona ianao fa nanohy ny lalanao. Tsy mora ny lalana nofidianao. Nasehonao fa azo atao hatrany ny manao zavatra noho ny fikirizana sy ny finoana hanatontosana azy. Nasehonao tamin'ny rehetra fa tsy tamin'ny vitsivitsy ny atao hoe fitoviana. Nasehonao fa afa-mandresy ny fitondrana mpirehareha iza efa teo nandritra ny 50 taona isika. Tsaroako fa nizotra tamin'ny dianao hatrany ianao na ratsy ny andro na nandrivotra sy nanorana aza. Tadidiko fa niteny hatrany ianao na dia teo hatrany aza ny fafy lainga sy ny fanenjehana, tsy azo afenina mandrakizay ny marina. Ny olona niteny anao hoe Ledombo Roh Moo-hyun, fa izaho kosa mahatsiaro ny tsikinao. Avy amin'ny olona manana fitsipika fototra sy finoana ihany ny tsiky.
Ankehitriny, tsy maintsy manaiky aho fa nandao tokoa ity tany ity ianao. Ary tokony hotsarovako ny tianao holazainay sy hataonay. Omaly ny andro nahaterahako fa androany ny andro nandaozanao ity tany ity. Tsy hanadino aho. Tsy hohadinoiko ny izao tontolo izao nofinofisinao sy tianao notanterahina. Hihalehibe ireo vahoaka nihaino anao ary hanangana ilay izao tontolo izao nofinofisinao. Maro ny zavabitanao. Manatena aho fa ho tamàna any amin'ny toerana tsy misy fanavakavahana sy fanenjehana ianao.

Mivavaka ho amin'ny fialan-tsasatry ny fanahinao aho.

nisi20080414_0006567253_web1

Hyejin Kim

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.