Fiji: noraofin'ny polisy ny solosaina findain'ny ahiahiana ho mpamaham-bolongana

Notazonin'ny polisy ao Fiji ny mpisolovava telo ao an-toerana ary noraofiny ihany koa ny solosaina findain'izy ireo, satria heverina fa manana fifandraisana amina bolongana manohitra ny governemanta izy ireo.

Notazonina vonjimaika nandritra ny ora vitsivitsy tamin'ny talata 19 mey ireto mpisolovava telo ireto dia i Richard Naidu, Jon Apted ary Tevita Fa izany ary novotsorana avy eo.

Nanaiky ny polisy fa notazonina izy telo mirahalahy, saingy tsy nolazaina kosa ny antony. Mitohy ny fahadihadiana. Na izany aza dia nanambara ny Filohan'ny Holafitry ny Mpisolovava Fijiana, Dorsami Naidu, fa noho izy ireo heverina ho manam-pifandraisana amin'i Raw Fiji News, bolongan'olona tsy fantatra anarana ary henjana dia henjana amin'ny fitsikerana ny fitondra-miaramila tarihin'i Frank Bainimarama no antony nisamborana azy ireo.

Notaterin'ny Impunity Watch fa tsy nahita porofo manamarika ireto mpahay lalàna telo ireto ho mamaham-bolongana ny polisy; na izany aza dia ahiahian'izy ireo fa mety ho filazalazana mombamomba ny mpanjifany tsy tokony hivoaka ampahibemaso no tena karohin'ny mpitondra. Mpiara-miasa ao amina orinasam-pisoloambava malaza any Fiji i Naidu sy i Apted ary efa nisolo vava ny gazety the Fiji Times tany amin'ny fitsarana. Fa ihany koa no mpanolotsaina ara-dalànan'i Laisenia Qarase, Praiminisitra naongana tamin'ny volana desambra 2006 izay nahatongavan'ny lehiben'ny etamazaoron'ny tafika Frank Bainimarama teo amin'ny fitondrana.

Nandritra ny herinandro lasa teo ny bolongana mpanohana ny governemanta Real Fiji News, no nanomboka nanonotonona izay heverina ho mamaham-bolongana ao amin'ny Raw Fiji News, ary nitoroka an'i Naidu, Fa ary Apted. Mbola ao anatin'ny lisitra ihany koa ny Filoha Lefitra Ratu Joni Madraiwiwi sy Netani Rika, tonian'i the Fiji Times. Ny porofo tokana natolotra moa dia ny anarana Ratu (teny Fijiana midika hoe sefo) Joni, Fa ary Naidu izay mamoaka ny fanafohezana anarana RFN.

Mbola namoaka vaovao hatrany anefa ny Raw Fiji News na dia efa notazonina am-ponja aza.

Lasa manana anjara asa lehibe eo amin'ny famoaham-baovao any Fiji ny bolongana hatramin'ny faha-10 Avrily, fotoana nampiatoan'ny filoha ny Lalampanorenana sy nanendrena ny Lehiben'ny etamazaoron'ny tafika Atoa Frank Bainimarama hitantana ny governemanta mandritra ny dimy taona. Taorian'izay moa dia namoaka ny fepetran'ny tany latsaka an-katerena ny governemanta ka nametraka fifehezana ny ny haino aman-jery (ankoatra ny lohahevitra hafa). Mandrara ny gazety sy ny haino aman-jery ny lalàna, izay nampiana 30 andro tamin'ny 10 mey ny fampiharana azy, tsy hamoaka vaovao “mety hanakorontana.” Navoakan'ny governemanta ireny fepetra ireny hametrahana ny sivana any amin'ireo sampana fampahalalam-baovao isan-karazany any. Terena hikatona amin'ny enina ora hariva ihany koa ny cybercafés.

Hatramin'ny 10 Avrily no mankaty dia mpanao gazety any an-toerana dimy no efa notazonina satria nandika io lalàna io. Ambonin'izany di ampanao gazety telo ihany koa no nodidiana hiala ny firenena noho ny tatitr'izy ireo mitsikera ny fitondrana.

Noho ny faneriterena ny fampahalalam-baovao dia sarotra ny mahazo vaovao avy any Fiji. Ankilan'izany kosa dia mitatitra ny vaovao avy any amin'ny mpamaham-bolongana Fijiana ny fampahalalam-baovao avy any Nouvelle Zealand sy Aostralia.

Jereo ny pejy manokan'ny Global Voices special momba ny Fanambin-dalàm-panorenana any Fiji.

Michael Hartsell

1 hevitra

  • gasi

    Misaotra ny mpandika, nanome vaovao!
    Eran’izao tontolo izao dia mitovy daholo ihany rehefa te-hanjakazaka ny olona fa tsy hitondra firenena. Tsy ny endrika ara-batana ihany no toa manakaiky antsika malagasy amin’io nosy io fa ara-politika ihany koa, toa ampiraisin’ny vintana angamba, sa ny loharanon-drà mety hiombonana? Mbola manam-bitana tsara kokoa fotsiny isika mbola afaka maneho hevitra fanoherana, malalaka na tsia, aloha!

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.