Okraina: faha-65 taonan'ny famindràna faobe ireo Tartares avy any Crimea

Ny 18 May no anamarihana ny faha  65 taonan'ny  Sürgünny famindràn-toerana faobe tamin'ny 1944 natao an'ireo Tartares avy any Crimea hiala ny tanin'izy ireo tao Crimée.

J. Otto Pohl dia nanoratra momba ny tantàran'ireo famindràna faobe, ary indro misy ampahany avy amin'ny hafany:

Tamin'ny 18 May 1944, ny NKVD sovietika no nanomboka ny fisamborana tsy misy fepetra sy ny famindràna toerana, saiky ny Tartares rehetra avy ao Crimée mihitsy, hiàla amin'ny tany navelan'ny razan'izy ireo ho azy tao Uzbekistan sy Urals. Vao nangiran-dratsy ny andro dia miaramila mirongo fiadiana avy amin'ny NKVD no efa nandondona tao am-baravaran'ny tranon'ireo Tartares avy ao Crimea sady nilaza tamin'ireo izay nonina tamin'ny trano fa hafindra toerana izy ireo. Ny fanazavàna ara-panjakàna nomena momba ity famindràna faobe ny zaza amam-behivavy, ny beantitra, ireo miaramila tranainy tao amin'ny Armée Rouge sy mpikambana tao amin'ny Antoko Kaominista ity  koa aza, dia ny filazàna diso fa hoe ireo mizàka ny zom-pirenena Tartares avy ao Crimea dia namàdika ny Firaisana Sovietika tamin'ny firaisana tsikombakomba tamin'ny mpanjanaka Nazi. […]

Tamin'ny andro voalohany nanaovana ny hetsika, ny mpitandro filaminana sovietika dia nàka olona  90,000 ho any amin'ny fiantsonan'ny fiaran-dalàmby ka ny  48.400 dia nanomboka iny andro iny tamin'ny fiondrànana hiatsinànana (Bugai, doc. 11, p. 138). Ny andro manaraka kosa dia tafàkatra ho 165.515 ny isan'ireo Tartares avy any Crimea notaterina ho any amin'ny fiantsonan'ny fiaran-dalàmby ka ny 136.412 dia nampakàrina tanàty fiara hitodi-doha ho any  Uzbekistan (Bugai, doc. 12, p. 138). Farany, ny 20 May 1944, ny  NKVD dia namàrana ny hetsika. Notaterin'izy ireo fa nahatratra 180.014 ny Tartares avy ao Crimea nampidirina tanàty fiaran-dalàmby miisa 67 ka ny 63 misy olona hafindra toerana miisa 173.287 dia efa an-dàlana ho any amin'ny toerana vaovao natao ho azy ireo (Bugai, doc. 13, pp. 138-139). Ny androtr'io ihany dia nitatitra koa ny  NKVD fa nanetsika lehilahy Tartares avy ao Crimea misa 11.000 hanao asa an-terivozona, nampàkatra ny isan'ireo Tartares nalàna avy ao Crimea ho 191.014 (Ibid.). Nahatratra hatramin'ny  23,000 ny miaramila sy manamboninahitra avy amin'ny sampana anatin'ny  NKVD ary 9,000 mpiasa mpanatanteraka avy amin'ny  NKVD-NKGB nandray anjara tamin'ity hetsika ity (Bugai, doc. 21, p. 144). Vitan'ny NKVD ny nanadio an'i Crimea tsy hahitàna intsony ireo mponina indizena teo aminy tao anatin'ny telo andro monja.

[…]

Maria Sonevytsky avo amin'ny My Simferopol Home dia nampàkatra sary maromaro avy amin'ny fotoam-pankalazàna natao tao Simferopol tamin'ny 18  May – sady namariparitra ny fahasahirànana sy ny adin-tsain'ireo Tartares avy any Crimea niverina nody ao Okraine:

Tamin'ny faran'ny herinandro, nandritry ny sakafo antoandro tao  Simferopol niarahako tamin'ny fianakaviana Tartares avy ao Crimea nandray ahy, Ayder, mpiady tranainy tamin'ny ady ho fanajàna ny zon'ireo Tartares avy ao Crimea nifanandrinany tamin'ny URSS, dia nampiasa ny teny hoe “genocide” [famongorana] hamaritàna ny tsy fisian'ny tetikasan'i Ukraine ankehitriny, mitodika amin'ireo Tartare avy ao Crimea ireo. Tanisainy ny fanafihana ataonà milisy amin'ireo trano fonenana sy Trano fandraharahàna tantànin'ny Tartare avy any Crimea nitranga tato anatin'ny 20 taona farany, ny fandrigànan'y fepetra fiarovana ireo mponina indizena sy ny vitsy an'isa, ny fijery mitongilana atao ireo vondrona silamo vitsy an'isa, tondroina tsy amin'antony ho mpampihorohoro ary tsy omena alàlana hahazoany manàngana trano fivavàhana [sobornaya mechet] iray vaovao, sy ny sisa sy ny sisa. Amim-pitandremana noho ny maha nahita fianarana ahy, napetrako hoe mahery loatra angamba  ny fampiasàna ny teny  ‘famongorana’ [genocide] : ary raha naneho tsy firaharahàna sy tsy fandraisana andraikitra manoloana ireo Tartares avy ao Crimea, ny mponina indizena avy any Crimea ny governemanta Okrainiana, ny ‘famongorana’ [genocide] dia mitarika ho azy fotsiny izao aminà  herisetra fandravàna sy fanafoànana tanteraka sy manontolo vondrona foko iray. Fihetsika izay mampalahelo lavitra noho ny tsy firaharahàna mibaribary ataon'ny fitondrana ao Okraina . Tsia, hoy izy nanamafy: “Vavolombelona tsy afa-manoatra amin'ny endrika famongorana manorisory isika. Atao kenda roroka ireo Tartares avy any Crimea.” […]

Indro kosa izay nosoritan'i  Maria fa fanovàna tsy maintsy atao mba hanatsaràna ny raharaha:

[…] Tsy maintsy misy foko maro aloha i Okraina, ary  tsy firenena ahitàna sarintsarim-pandeferana tsy mitondra mankaiza [tsy misy tanjona tratrarina]; Tsy maintsy miezaka i Okraina hankato sy hanàja ireo vondrona vitsy an'isa sy indizena ao aminy. Momba ny raharaha Tartares avy ao Crimea, farany dia tokony hamoaka lalàna manome zo sy fiarovana ireo mponina indizena avy ao Crimea ny governemanta Okrainiana , fiarovana eo amin'ny taniny, fampianàrana amin'ny tenin-dreniny, fandravàna izay endri-panavàhana ara-pinoana ary indrindra indrindra, ny zony hizakatena [handray an-tànana ny momba azy rehetra] manerana an'i  Okraina.

Isika dia afaka màka anatra avy amin'izay nolazain'ny [Hutsul] mpitendry zava-maneno iray izay tafaresaka tamiko herinandro vitsy lasa izay, nandritry ny fialan-tsasatry ny Paska. Nipetraka teo amin'ilay Volga tranaininy izahay nihaino horonam-peo rakitry ny ela ary nitantara tamiko ny tantàran'ny famindràna toerana azy izy. Nafindra ho any Siberia ny fianakaviany nandritry ny ady ary tsy navela niverina tao amin'ny faritr'i  [Ivano-Frankivsk] hatramin'ny taona 1970. Teo am-pamakiana ny momba ny hetsi-panoherana am-pilaminana nataon'ny Tartares avy ao Crimea tamin'ny taonjato faha-20, ny fanohànana mafana vay nentin'izy ireo tamin'ny Hetsika Volomboasary [Orange revolution] tamin'ny 2004, ary ny fankalazàn'izy ireo isan-taona ny andro nahaterahan'i  Taras Shevchenko, nangàtaka tamiko izy mba homena horonam-peo misy Tartare avy any Crimea mpitendry lokanga hahafàhany mianatra ireo gadona tranainy. Nanontany azy ny antony aho, ary hoy izy, “hanehoako ny fanajàko, toy izay nanehoan-dry zareo azy tamintsika.” Ho solon'ny tahotra, ny fanajàna. Ho solon'ny fankahalàna, ny hetaheta hahafantatra sy hahalàla zavatra. Ho solon'ny tsy fahalalàna, ny fanabeazana. […]

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.