Arabia Saodita: Hanohintohina ny Hajj ve ny gripan-kisoa?

Silamo anarivoarivony no mizotra isan-taona mankany Lameka hanatontosa Hajj (fivahiniana masina), iray amin'ny andry dimin'ny finoana Islamo. Ho voantohintohin'ny viriosy A/H1N1 na ny gripan-kisoa ve ny Hajj amin'ity indray mitoraka ity? Mametraka ny heviny ny mpamaham-bolongana any amin'ny faritra.

Ao amin'ny CrossRoads Arabia, i John Burgess no manazava:

Mpikaroka Saodiana iray momba ny lalànan'ny Shariah no nahita fa efa nisy ny tranga efa nisy tany aloha momba ny fandrarana ny mpivahiny Umrah (ireo izay tsy terena, mpivahiny ‘ambany kokoa’) dia ireo izay avy any amin'ny faritra ahiana ho nisy A/H1N1 na viriosin'ny gripan-kisoa. Manahy aho fa alefa ity hevitra ity hiatrehana ny Haj, izay hotontosaina amin'ny volana novambra. Adidy ny Haj, ary amin'io ny Silamo tsirairay dia tsy maintsy manatontosa azy farafaharatsiny indray mandeha amin'ny fiainany raha azo atao.

Efa napoitra koa manko ny toy izao taona vitsivitsy lasa izay, rehefa natahorana ny gripam-borona (H5N1). Saodiana mpandalina momba ny Haj iray no niantso hampiatoana azy raha mihanaka loatra ny aretina, saingy nolavin'ny hafa izany volaolan-kevitra izany. Ny antony dia tsy mbola nofoanana noho ny antony fahasalamam-bahoaka na oviana na oviana ny Haj ary mifanohitra amin'ny fototra Islamo izany. Ary koa, izay marary dia sakanana am-pitenenana tsy hanatontosa ny Haj.

Tantara mifanindran-dalana mandrakariva ny Haj sy ny areti-mifindra. Efa maro ny aretina voarakitra an-tantara fa namono olona anarivony toy ny pesta sy ny Kôlera, tany Lameka, Medina, ary Jeddah nandritra ny taona maro. Tamin'ny taonjato faha-19 vao noterena atao ny fanokana-monina [210-pejy PDF] hampitsaharana ny fielezan'ny aretina ho tonga any amin'ny toerana niavian'ny mpanao fivahiniana masina. Afa-miaro ny mpivahiny ny fanokana-monina sy ny fanaraha-maso akaiky ny toe-pahasalamana ary ampy hahazoana antoka izany. Ny ampitso ihany no hilaza azy. Mety tsy ho tonga any akory tahaka ny gripam-borona ny olan'ny gripan-kisoa. Fa raha tsy izany dia tsara ihany ny rehetra raha mihevitra momba izy ity dieny ankehitriny.

Nanampy hevitra ny Middle East Institute's Editor's Blog:

Miha-hafahafa izy ity. Manolo-kevitra ireo mpandalim-pivavahana hamoaka lalàna fatwa [lalam-pivavahana] ny Grand Mufti ao Ezypta hanemotra ny hajj noho ny fisian'ny gripan-kisoa. Hitanao eto ny dika teny arabon'io volavolan-dalàna io. Ataovy ao an-tsaina — ary averiko indray — fa tsy mbola nisy ny trangan'aretina teto Ezypta. Raha ny marina, araka ny nolazain'ny OMS omaly, ny mbola nisiana tranga nanerana ny Proche Orient iray manontolo dia tao Isiraely ihany (fito no tratra). Ary dia nilaza ny OMS fa, “Tsy mandrisika ny fandraram-pivezivezena noho ny fisian'ny viriosy A(H1N1) ny OMS.” Eny indrindra, ary manaraka izany: Tsy misy ny hajj raha tsy amin'ny volana novambra indray. Misy ve ny zaatra noadinoiko? Moa va efa nisy fanemorana hajj noho ny antony ara-pahasalamana ve, nandritra ny tantaran'ny finoana Silamo? Tsy fantatro, fa manantena aho fa mila olona iray tratrany aloha ianao mba hanamarinana izany. (Tsy vitan'ny hoe tsy misy ny trangan'aretina manerana an'i Proche Orient, ankoatra an'Isiraely, fa tsy misy koa any Indonesia, Malaysia, Pakistan — izany hoe any amin'ny toerana be Miozolomana.)

Amira Al Hussaini

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.