Pakistana: Fandresen'ny Demokrasia

Tafaverina amin'ny toerany ny filohan'ny fitsarana tampony ao Pakistana, Iftikhar Mohammed Chaudry, fepetra namaly ny tanjona voalohan'ny fihetsiketsehana nataon'ireo mpitsara sy ireo mpisolo vava ary ny Diabe. Ny Praiministra Pakistane, nanambara izany nandritry ny  kabariny tao amin'ny fahitalavitra. Fanampin'izany dia nanome toky ny governemanta fa hamerina amin'ny toerany ireo mpitsara nalana tamin'ny toerana rehetra ary hiverina handinika ny fanapahana navoakan'ny Fitsarana momba ny raharahan'i Nawaz Sharif sy Shahbaz Sharif, tsirairay avy.

Farhan, ao amin'ny Guppy Blog, dia milaza hoe :

Farany, nilefitra teo anoloan'ny fitakian'ny vahoaka Pakistane ihany ny governemanta Pakistane. Rehefa nikaroka ny lalana rehetra, hany ho vahaolana farany, nanapa-kevitra ny governemanta ao Pakistan ny hamerina amin'ny toerany ireo Mpitsara naongana ka isan'ireny ny Filohan'ny Fitsarana Tampony ao Pakistan Iftikhar Muhammad Chaudry. Toy ireny fotoam-piravoravoana ireny eto Pakistan izao, nandresy ihany nony farany ny tolon'ny Mpisolo vava, ny mpianatra, ny fiarahamonim-pirenena ary  ireo mpitoraka blaogy.

Talha Masood, ao amin'ny Islamabad Metblogs, dia nahatsiaro nahazo toky :

Ny olona rehetra manerana an'i Pakistan dia ravo avokoa, mifety ny olon-drehetra, nandefa sentom-pahatokiana aho no sady nahatsiaro hoe toy inona ery izany tahotro ny sao hisy filatsahan-drà izany androany.

Faisal, ao amin'ny  Deadpan Thoughts, dia milaza toy izao ao anaty lahatsoratra iray mitondra ny lohateny hoe  “ Niteny ny vahoaka” (The people have spoken)“:

Andro iray toa zato ho an'ity firenena ity ny androany, fotoana tsy maintsy handraisana fanapahan-kevitra. Tsy hoe fotsiny satria tafaverina amin'ny toerana sahaza azy ny Filohan'ny Fitsarana Tampony, na koa hoe satria nandray ny fanapahan-kevitra araka ny tokony ho izy ny mpitarika. Androm-pandresena satria ny demokrasia izay nahilikiliky ny mpitarika fahiny no nitroatra omaly araka ny fitakiam-bahoaka ary ny hetahetany no tanteraka, feo tokana sy faniriana tokana ny azy rehetra ireo, ary ireo containers maro nisakana ny làlany, ireo tariby mandrangotra, ireo vely kibay nataon'ny polisy sy ny fanenjehana amin'ny baomba fandatsahana ranomaso dia montsana daholo teo alohan'ny herim-bahoakan'ity tany lehibe ity.

Let Us Build Pakistan dia nanangona fanadihadiana sy lahatsoratra avy amina blaogy maro mba handalinana ny tena tantaran'ny Diabe sy ny famerenana ny mpitsara Iftikhar Chaudry amin'ny toerany.

Vao niposaka ny andro faharoa tamin'ilay Diabe, ny fahitalavitra tsy miankina GEO TV dia nitsahatra tsy nandeha intsony tamina tanana Pakistane maro nefa ny famoretana nataon'ny mpitandro filaminana tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana dia nitohy hatrany. CHUP! – Changing Up Pakistan, na Ento miakatra i Pakistan, nanamarika fa:

Ramatoa Sherry Rehman, Ministry ny Fampahalalam-baovao sady mpikambana ao amin'ny PPP, dia nametra-pialana ho fanehoana tsy fankasitrahana noho ny fanakanana ny vaovao avoakan'ny GEO.

Nila Kantha Chandra, avy any  Calcutta, any Inde, dia niarahaba ireo Pakistane rehetra tamin'ity fandresen'ny demokrasia ity, sady nampiany fnamarihana fa soa fianatra ho an'ny Indiana ity tranga ity:

Betsaka ny zavatra tokony hianaran'ny Indiana amin'ny Pakistane momba ny fampijoroana ny demokrasia. Natory ny Indiana, sodokan'ireo fombafomba lazaina ho demokratika ao Inda izay  ‘poak'aty’ ihany.
Efa ela loatra izay, raha kely dia taranaka iray manontolo mihitsy, no niheveran'ny Indiana ho efa azo ny demokrasia ary dia roboka tanaty tsy firaharahàna. Ary izany no mahatonga ny demokrasiantsika ho tsy mahatsiaro tena toy izao. Ny tena manome lanja ny demokrasia dia ny fahatsiarovan-tena sy ny hafanam-pon'ny olona miaina azy.
Nefa, manantena aho fa ireo mpiray tanindrazana amiko, lahy sy vavy, dia samy ho afaka handray lesona avy amin'ireo mpifanolo-bodirindrina aminay, i Pakistan.  Eo am-piandrasana izany,  mipoa-tsatroka amin-dry zareo Pakistane aho sady midera : Pakistani Zindabad ! ( Ho ela velona ny Pakistane !)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.