Iran: Hetsiky ny mpitoraka blaogy 1000 isa ho fanohanana an'i Mousavi ho filoham-pirenena

mousavi Ny mpanohana ireo roalahy ‘reformista’ mpilatsaka ho fidiana ho filoham-pirenena, ny praiminisitra teo aloha Mir Hussein Mousavi  sy mpitondra tenin'ny parlemanta teo aloha, Mehdi Karroubi dia mampiasa ny aterineto,  tafiditra anatin'izany ny blaogy sy ny Facebook, mba hampiakarana ny vintan'izy ireo ho isan'izay voafantina ho mpirotsaka ho fidiana ho filoham-pirenena ataon'ny the Guardian Council amin'ny fifidianana hatao ny volana Jona.
Ao anatin'io hafatra io, jerentsika voalohany ireo mpanohana an'i Mousavi eny an-tanin'adin'ny tranonkalam-pifidianana ao Iran. Manodidina ny 1000 ireo mpitoraka blaogy nilaza fa hanohana an'i Mir Hussein Mousavi. Miseho ao amin'ny Mirhussein.com ny anarana sy ny adiresin'ny tranonkala'izy ireo, tranonkala iray izay noforonina  “vondrona lehibe iray ahitana mpitoraka blaogy maro manohana an'i Mousavi.”

Any anatin'ireo kabariny, i Mousavi dia nanakiana  ny ‘fitantanana tsy mahomby’ nataon'ny filoha Mahmoud Ahmadinejad. Nilaza i Mousavi fa hiasa mafy hamerenana ny fitokisana iraisam-pirenena amin'ny filazana fa ampiasaina ho amin'ny fandriam-pahalemana ireo fikarohana nokleary iraniana. Niresaka ihany koa i Mousavi momba ny  “fampitam-baovao malalaka” , nefa kosa tsy nampanantena famotsorana ho an'ireo gagra politika izy raha toa ka lany ho filoham-pirenena.

Ireo mpitoraka blaogy manohana an'i  Mousavi dia manoratra mikasika lohahevitra marolafy, manomboka amin'ny resaka finoana ka mipaka any amin'ny fanatanjahantena, ary samy manana foto-kevitra samihafa ijoroany ihany koa ry zareo. Mponina avy amin'ny lafivalon'ny firenena ihany koa izy rehetra. Ny blaogy sasany dia efa nisy hatry ny ela be, raha vao namorona ny azy kosa ny hafa mba handrakofana manokana ny fifidianana. Azontsika tsinjaraina ho anaty sokajy samihafa ireo mpitoraka blaogy mpanohana an'i Mousavi, isan'izany ny:

FondamentalistesIslam is superior to everything Ambonin'ny zavatra rehetra ny Silamo, dia iray amin'ireo voarakitra ao anatin'ny mpanohana an'i Mousavi. Tsy milaza ny antony anohanany an'i Mousavi ilay zalahy io, saingy namoaka sary maro ahitana ny Ayatollah Khameini, mpitarika iraniana, ihany koa izy, izay azo lazaina tsotra ho fondamentaliste.

Mpitoraka blaogy tsy manao politika: Mpitoraka blaogy iray izay miantso noho ny faniriany ny praiministra teo aloha ho filoham-pirnena i Perspolis Ghahreman, izay blaogy mitodika misimisy kokoa amin'ny baolina boribory. Perspolis dia klioba malaza mpilalao baolina boribory ao Iran. Blaogy iray hafa maneho ny fanohanany koa ny, ‘Modyryat, Eghtesad, Toseh’ (Fitantanana, Toekarena, Fampandrosoana), blaogy iray momba ny toekarena.

Ireo mpitoraka blaogy tsy fantatra fiaviana: ny Barayeh Mirhussein (ho an'i Mir Hussein) dia noforonin'ny mpamorona azy tsy ela akory izay hanoratana momba ny firotsahan-kofidian'ny praiminisitra teo aloha sy ireo foto-keviny. Mitantara an'i Mir Hussein Mousavi milaza ireo olana tena goavana sedrain'ny governemanta izay tsy inona fa ny fitotongan'ny sandam-bola sy ny tsy fananan'asa ity blaogy ity, sy ny hoe mety ho azo atao tsara ny manangana foibe fanapariahan-tsary sy feo tantanin'ny tsy miankiana [private TV channels] ao Iran. Tsy misolo tena vondrom-piaraha-monina iray voafaritra manokana ao an-toerana ny Barayeh Mirhussein.

Ireo mpitoraka blaogy fantatra toerana fiaviana: Ohatra velona ivondronan'ireo iraniana any ivelany ny  Mousavi's supporters in Dubai. Namorona blaogy iray ihany koa ny mpanohana an'i Mousavi, antsoina hoe  Nasim 88 ao amin'ny tanana Iraniana iray atao hoe Ardebil.

Ireo mpanohana fahiny an'i Khatami: ny  Khatami88  dia blaogy iray izay noforonina tany am-boalohany hanohanana ny filoha reformista Mohmmad Khatami. Saingy vantany vao tsy tafiditra intsony tanaty hazakazaky ny fifidiana i Khatami ary nilaza ny fanohanany an'i Mir Hussein, nanaraka azy koa ireo mpanohana ireo.

Na dia tsy azo ifaharana loatra handalinana ny fironan'ny vahoaka mpifidy Iraniana aza ny blaogy amin'ny ankapobeny, fara-faharatsiny ahitantsika tsoa-kevitra manao hoe ireo mpanohana an'i Mousavi eo amin'ny tontolon'ny fitorahana blaogy amin'ity fifidiana ity dia  tsy voafaritra fotsiny ho amina vondrona iray manokana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.