Ekoatora:Araha-maso ny kalitaon'ny gazety

Ratsy ny fifandraisana nisy teo amin’I Filoha Ekoatoriana Rafael Correa sy ireo mpampita vaovao ary ireo mpanao gazety ao amin’io firenena io. Mety ho ratsiratsy kokoa izany ato aoriana kely, araka ny voalazan’ny gazety La Hora [es], manana drafitra hampihatra ny lalàna Fampandraisana andraikitra ara-tsosialy ny haino aman-jery ny governemantany. Ho fanampin'ny teritery atao amin’ny dokam-barotra isan-karazany dia mety hitaky anjara fitenenana 15 minitra isan’andro ka hatramin’ny 70 minitra isan-kerinandro eny anivon'ireo fampitam-baovaom-bahoaka sy ny tsy miankina ny lalàna[es] (ilaina ny fisoratana anarana). Ireo tsikera no tena mampanahy mafy, indrindra fa ao anatin'ny vanimpotoana manakaiky fifidianana no nitsofoka izy ity.

Ny soso-kevitra, izay tokony hampiharin'ny Filan-kevi-pirenena misahana ny Haino aman-jery [es] (CONARTEL araka fanafohezana ny anarany avy amin’ny teny Espaniola), dia miantso koa fananganana  komitin'ny mpanjifa izay afaka hanana zo hitaraina sy hiteny amin'ireo fandahàrana mandeha ka azo idirana mivantana. Mandeha ihany koa ny feo fa hoe ireo komity ireo dia ho afaka hirotsaka handray anjara amin’ny “famolavolana, ny fametrahana ary ny fanaovana jery todika ireny fandaharana ireny mba hahafahana mandrafitra fanakianana mitodika amin'ny fanabeazana ho an'ny mpampita vaovao sy ny mpanao gazety” ary izany rehetra izany dia mba ho fampandraisana andraikitra ny fampitam-baovao sy ny mpanao gazety amin’ny ampahany ihany.

Tao aorian’ny tatitra nivoaka an-gazety, dia nitsipaka ny fisian'izany soso-kevitra izany ny CORNARTEL[es]. Ndeha tsy ho jerena ny fanamafisana avy amin'ny gazety sy ny governemanta, izany rehetra izany dia nanokatra adihevitra momba ny kalitaon'ny asa fanaovan-gazety eto amin'ny firenena sy ny anjara raisin'izy ireny eo amin'ny kilalao politika.

Ny mpamaham-bolongana sasany  mihevitra fa ny mpampita vaovao dia mila fitsipika arahana, toa an'i Muluncayense ao amin'ny  Mi Diario Relativoy[es] izay manana fijery miiba momba ny mpanao gazety hoe tsy matihanina mihintsy izy ireo amin'ny fanatanterahany ny asany. Tanisainy amin'izany koa ny namoahan'ny fahitalavitra Ekoatoriana vaovao tsy mitombina momba ny vono-olona nahafaty ny namany akaiky be azy. Mifanipaka ny antsipirihan-baovao ary zavatra samihafa no lazain'ny gazety roa na telo momba ny tranga iray izay amin'ny ankapobeny, vaovao diso.

Etsy andaniny kosa, i Ruben Dario dia mihevitra ireo mpampita vaovao ho  mitaiza loatra fifandraisana mitongilana any amin'ny  ‘tombontsoan'ny ao ambony'[es]. Aty amparany dia niaro ny asany  izy,  izay efa voatsikera teo aloha, ary niaro manokana ny tontolon'ny asa fanaovan-gazety manadihady [investigative journalism] [es]:

Se equivocan quienes piensan que el periodista de investigación es una suerte de detective, policía o investigador privado. Pero también se equivocan quienes piensan que el papel de la prensa es acusar, sentenciar, condenar, encarcelar.

Ho anareo izay mihevitra ny asa fanaovan-gazety manadihady ho mitovy amin'ny asan'ny mpitsongo dia [detective work], na asa fanadihadian’ny polisy na mpanadihady  manokana, dia diso tanteraka. Ary diso ihany koa ireo izay mihevitra fa ny andraikitry ny fanaovan-gazety dia ny mitoroka, mitsara, manameloka, ary mampiditra am-ponja.

Porofoin'i Ricardo Vasconcellos ao amin’ny Desde mi Trinchera [es] ny mahatonga ny mpanao gazety ao Ekoatora hisedra olana tsy ho afa-mamoaka vaovao tokana, fa eo  koa ny fanambanian'ny governemantan’I Correas azy ireo.

Responsabilizar al periodismo de tener un pacto con el pasado para obstaculizar la labor del régimen no ha sido todo. Correa ha imputado irresponsablemente a los periodistas no alineados con la “Revolución Ciudadana” la comisión de un delito de muy graves repercusiones: terrorismo.

La última vez que insultó a los periodistas fue en la sesión solemne por los 184 años de la independencia de Portoviejo. Según El Diario de esa ciudad del 25 de junio de este año “En tono molesto el presidente de la república Rafael Correa dijo (..) que el accionar del gobierno ha sido transparente y pidió a los asistentes no dejarse llevar por ciertos periodistas a los que calificó de terroristas”.

Ny filazàna ny asa fanaovan-gazety tany aloha tany ho tompon'antoka sy mifamatotra amin'ny fisian'ny sàkana tamin'ny asan'ny governemanta dia tsy misy dikany. Nanakiana tsy amim-pisainana lalina ireo mpanao gazety tsy nandray anjara tamin'ny  “hetsi-bahoaka” i Correa amin'ny fiampangàna mavesatra azy ireny: asa fampihorohoroana.

Ny fotoana farany naniratsiràny mpanao gazety dia tamin’ny andro fankalazàna ny faha 184 taonan'ny fahaleovantenan’i Portoviejo. Araka ny filàzan'ny El Diario (gazety) ao amin’io tanàna io, nivoaka  tamin’ny 25 Jona 2008, dia “tamin'ny feo mahery (sorena) no nilazàn'ny filoham-pienena Rafael Correa fa niasa tanaty mangarahàra ny governemantany ary niangaviany ireo mpanotrona azy mba tsy ho voarebirebin'ireo mpanao gazety  sasany izay tondroiny ho mpampihorohoro.”

Na hisy na tsia ny tolo-dalàna momba  ny andraikitry ny mpampita vaovao, ny fifandraisan'ireo mpanao gazety sy ny governemanta dia hitohy hatrany ho ventin-dresaky ny mpamahana bolongana Ekatoriana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.