Fifidianana Indiana 2009: Andriamanitra sy ny Firenena

Ny fifidianana ataon'ny indiana amin'izao fotoana izao dia nampivoitra fa misy triatra lalim-paka eo amin'ny valaben'ny resa-pinoana no amin'ity firenena ity. Ireo blaogy dia samy nameno ny azy amin'izao zava-mampiahiahy toa marina , toa tsy marina rehetra izao momba ireo fanenjehana ara-pivavahana ao anatina firenena iray izay ahitana mpino marobe avy amina karazan'antokom-pinoana goavana maro samihafa maneran-tany.
Ny fanenjehana atao amin'ireo Kristiana dia lohahevitra lehibe iray eny anivon'ireo mpitoraka blaogy indiana sy vahiny. Ny herisetra atao amin'ny Kristiana ao amin'ny faritr'i Orissa no tena resahana be indrindra amin'ireo resaka tsy fandeferana atao amin'ireo Kristiana ao amin'ny firenena.

Indro i Sandhya, mpanao gazety amin'ny aterineto ho an'i Instablogs, mitondra fanadihadiana iray momba ireo fifandonana teo amin'ny  Hindous sy ny Kristiana. Ny lohatenin'ity ampahan-tsary mihetsika ity  dia ilay mpanao gazety ihany no nanome azy,  fa tsy ny mpanoratra na ny Global Voices akory.

Raha mitobaka ny blaogy sy ny vohikala momba ny fanenjehana ireo Kristiana, ny sasany amin'ireo mpitoraka blaogy sy ireo mpanao gazety vahiny kosa mandà izany filazana rehetra izany :

Francois Gautier,  mpanao gazety frantsay iray, dia efa niresaka ity raharaha ity tany amin'ny taona 2001, efa taloha lavitra ny herisetra tao Orissa:

“Ankehitriny mba hahatongavana aty amin'ny fanaovana herisetra amin'ny Kristiana ao India ataona vondrona Hindous amin'izao fotoana, dia izaho tenako mihitsy no nanao fanadihadiana sy fikarohana, ka isan'izany ny fametavetana ankeriny ireo relijiozy efatra  tao Jhabua, Madhya Pradesh, roa taona lasa iza.  Io fametavetana an-keriny io dia mbola voatanisa ho toy ny ohatra foana momba ireo “habibiana” ataon'ny Hindous amin'ireo Kristiana.

Saingy rehefa nanontany ireo relijiozy telo aho, nanamafy izy ireo, toy izany koa ny evekan'i Indore, Mgr. George Anatil, fa tsy misy idiran'ny resaka fivavahana mihitsy izy iny: heloka notanterahan’ andian'olona avy amin'ny foko Bhil iny, fanta-daza amin'ny fanaovana ny toy izao amin'ireo vehivavy avy ao aminy ihany koa. Amin'izao, ny tontolon'ny gazety indiana, ny ambaratonga samihafa ao amin'ny finoana kristiana sy ny mpanao politika dia samy manohy mampiditra ireo fametavetana tao Jhabua ireo ho isan'ireny habibiana natao tamin'ny Kristiana.”

Ao amin'ny Vijayvaani, Hilda Raja- mpampianatra vavy iray efa misotro ronono, dia mikirakira ny resaka fanenjehana ireo Kristiana misy any India, izay mihamafy hatrany arakaraky ny anakaikezana ny fifidianana:

“ Nitondra fanamelohana mafy ho an'ny governemanta ankehitriny tantanan'ny UPA ny GCIC (Global Council of Indian Christians) – fa hoe mety tsy handeha amin'ny ara-dalana ny fifidianana. Nefa dia mitaky amin'ireo mpitarika politika ireo koa izy, izay tsy afaka akory miantoka fifidianana tsy mitanila, na miantoka fandriampahalemana ho an'ireo fikambanam-pivavahana vitsy an'isa (vakio heo Kristiana) sy hiantoka ny fandraisan'izy ireo anjara amin'ny fifidianana, hiaro ny fahalalahana ara-pinoana sy hitondra ireo meloka noho ny fanavakavahana ny Kristiana ho eo anoloan'ny fitsarana. Be fangataka angamba izany. Raha hatramin'ny anio, ny governemanta UPA tsy afaka nanatanteraka izany, ahoana no hahafahany hamita izany andro vitsy mialoha ny fifidianana?

Raha fakafakaina tsara io fanambarana io, dia maha-te hino hoe ny handrodana io governemanta io no tadiavin'ny GCIC, mba hametrahana iray hafa afaka hamita io asa sarotra nofaritany io. Izany no antony nanamelohany ankolaka ny governemantan'ny UPA, teo ambany fiadidian-dramatoa Sonia Gandhi, vehivavy italiana kristiana, ho tsy nahatanteraka ny fiarovana ireo vitsy an'isa. Fanameloha henjana iray hafa koa avy amin'i M. Abhishek (tale, Open Doors) manao hoe ny lalàna, eo amin'ny fampihàrana azy, dia voafetra sy manome vàhana bebe kokoa ny maro an'isa Hindous ary manao tsindry hazo lena ireo vitsy an'isa toy ny Kristiana sy ny Silamo (eo ambany fitantànan'ny UPA voagejan'ny Kongresy, raha ny hevitro).

Midika ve izany fa izy sy ireo fikambanana hafa iarahany miasa dia mikatsaka ny handrodanana ny governemantan'ny UPA ka hametraka iray hafa eo amin'ny toerana izay ho afaka hamita izany? “

Ny fiheverana ny fisian'ny fitongilanana atao amin'ireo Silamo indiana koa dia isan'ny tafiditra ao anaty fifanakalozan-kevitra eo anivon'ny aterineto. Ao amin'ny “ Indian Muslims and the 2009 Elections – Challenges and Prospects of Political Success” (Ireo Silamo Indiana sy ny Fifidianan'ny taona 2009 – Fanamby sy tetikasa ho fandresena ara-politika), i Dr. Zafarul Islam Khan no mitondra fanadihadiana ifotony.

Marihany ny fipongatr'ireo antoko madinika isam-paritra izay manome safidy azo iainana ho an'ireo Silamo izay mahatsapa ho navakavahan'ireo antoko lehibe eo amin'ny firenena:

“Ny tranga vaovao, amin'ity indray mitoraka ity, dia ny fipongatr'ireo antoko silamo madinika. Efa nanana ny Indian Union Muslim League tany atsimon'ny fanjakan'i Kerala ny Silamo (nahitàna solombavambahoaka 2-3 eo ary isa tsy azo tsinontsinoavina ihany koa tao amin'ny antenimiera mpanao lalàna tao amin'ny faritany) sy ny Majlis Ittehadul Muslimin  tao amin'ny tanàna atsimon'i Hyderabad (mpikambana iray tao amin'ny Parlemanta sy olona mihoatra ny ampolony tao amin'ny antenimieram-paritra).

Fikambanana Silamo vaovao vao niforona tamin'ny taon-dasa ny Assam United Democratic Front (AUDF),  any avaratra-Atsinanan'ny fanjakan'i Assam, izay nahazo toerana sivy tamin'ny fifidianana ny antenimieram-paritra tamin'ny taona lasa ary mbola mikendry hahazo toerana 4-5 amin'izao fifidianana anivon'ny firenena izao. Efa nikopak'elatra handrakotra ny fanjakan'i Utah Prasdesh sy Maharashtra ihany koa ankehitriny ny AUDF”

Indro ny mpilalao sarimihetsika Shabana Azami, maneho ny hoe toy inona moa izany hoe maha-Silamo izany ao India.

Ity hafatra ity dia hita koa amin'ny  fandrakofana manokana ny fifidianana indiana 2009 ataon'ny Global Voices

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.