Ny vaikan'ireo olo-malaza mandritry ny fifidiana Indiana

Salman Khan (eo afovoany), mpanakanto avy ao Bollywood, manohana ny kandidà Milind Deora nandritra ny fivondronana tany Mumbai.

Salman Khan (eo afovoany), mpanakanto avy ao Bollywood, manohana ny kandidà Milind Deora nandritra ny fivondronana tany Mumbai

Sarin'i Al Jazeera English ary nampiasaina teo ambanin'ny creative commons license.

Any India, manana dindo  goavana ny mpilalao sy ny mpamokatra sarimihetsika ary noporofoin'i Danny Boyle izany tao amin'ilay sarimihetsika Slumdog Millionaire (fanampiana: ilay sehon'ny kabone io). Mahagaga fa somary maivamaivana ihany ny fandraisana anjaran'ny orinasa misahana ny fialam-boly (indrindra indrindra Bollywood,  orinasa mpamokatra sarimihetsika indiana any Mumbai) amin'ny pôlitika indiana niaraka tamin'ny fandraisana anjaran'ny mpilalao sarimihetsika vitsivitsy sy mpamokatra sarimihetsika sasantsasany nandritry ny fampielezan-kevitra. Nisy ihany anefa ny niavaka. Ny fanjakan'i Tamil Nadu, any Atsimo, izay fanjakana voalohany eran-tany nahafehy sy nampiasa ny famokarana sarimihetsika ho an'ny pôlitika nanomboka tamin'ny taona 1940. Nandritry ny taona 60, nitondra tombony  ho an'i Dravida Munnetra Kazhagam (DMK) ity rohy mampifandray ny mpanao pôlitika sy ny orinasa Tamil mpamokatra sarimihetsika ity izay niteraka ny governemanta voalohany teo amin'ny fanjakana tsy nipoitra avy amin'ny kongresy. Nanomboka tamin'izay dia nifandimby teo amin'ny fitondràna tany Tamil Nadu ny mpanao pôlitika samihafa tao amin'ny antoko DMK. Maro ny mpanakanto lasa tafiditra tamin'ny tontolon'ny pôlitika nandritra ny taona 80. Indrindray dia milatsaka ho fidiana ry zareo ary tafiditra ao amin'ny governemanta (toy ny NTR sy ny antokony Telugu Desam tany Andhra Pradesh) na voafidy ho mpikambana ao amin'ny parlemanta indiana.

Raha hiroso aty amin'ny taona 2009, dia ahitàna fisondrotan'ny ny fandraisana anjaran'ny mpilalao sarimihetsika avy ao Bollywood (na ny orinasa mpamokatra sarimihetsia Hindou) any Mumbai sy ny orinasa mpamokatra sarimihetsika any Tamil sy Telugu teo amin'ny fampielezan-kevitra. Namorona antoko pôlitika any Andhra Pradesh i Chiranjeevi, mpilalao avy any Telugu, i Sanjay Dutt kosa izay mpilalao avy any Bollywood dia tsy nahazo nilatsaka hofidiana noho izy tafiditra tamin'ny fanafihana tany Mumbai tamin'ny taona 1993. Any Tamil Nadu, ao anatin'ny fifaninanana indray i Jayalalitha, mpilalao taloha sy Minisitra, taorian'ny fahareseny tamin'ny fifidianana farany teo. Fa ny tena nahasarika ny sain'ny olona dia ny firotsahan'ny olo-malazan'i Bollywood.

i Amitabh Bachchanmpilalao avy any Bolywood no sady mpitoraka blaogy dia maneho ny heviny momba ny fifidianana indiana atsy ho atsy. Manoratra izy:

“Tonga ny fifidianana. Fifidianana ao anatin’ny demokrasia lehibe sy mafy orina indrindra eto an-tany. Tsy manome antsika afa-tsy sarintsariny amin’ny fifidianana ny fahitalavitra. Ny fitsapan-kevitra  sy ny fanadihadiana, ny hoe iza no handresy, avy aiza ary iza no niteny inona ho an’iza sy ny hoe fa nahoana. Na ny fanontanian’ny haino aman-jery izay milatsaka ho amintsika aza dia feno resaka pôlitika. Lasa fahavalo ny namana, lasa namana ny fahavalo. Manao kilalao sy fandraikirekena samihafa isan-karazany ny antoko pôlitika rehetra mba hahazoana ny fahefana. Mba handresena sy hitondrana ny firenena mandritry ny 5 taona manaraka. Ny pôlitika amin-dry zareo dia tsiry mpanentana , ‘elixir’  izay mampirisika azy hiezaka.”

Efa taona vitsivitsy izao no naha-mpanao pôlitika mavitrika an'i Jaya Bachchan, vadin’I Bachchan.

Fa mba hery inona loatra no manosika ireo mpilalao sarimihetsik’i Bollywood hivoaka ny toeram-piadanany ka handraisany anjara amin’izany fifidianana izany? Mety nahita ny valiny amin’izany fanontaniana izany i Gaurav Shukla avy ao amin’ny India Election 2009. Hoy izy:

“Ny mpanakanto izay nanalavitra ny pôlitika dia mahagaga fa nisafidy ny handray anjara amin'ny fifidianana amin'ity indray mitoraka ity. Miteny ireo manam-pahaizana amin'ny indostria fa ny fanafihana sy fampihorohoroana tao Mumbai tamin'ny volana Novambra lasa teo no mety ho anton'izao fiovana izao…Anisan'izany ry Amitabh Bachchan, Aamir Khan, John Abraham, Kamal Haasan, Rakeysh Omprakash Mehra, Anurag Kashyap, Shriya Sharan, Shruti Haasan ary Sushmita Sen.”

I Aamir Khan, mpilalao avy ao Bollywood, dia nanampy tamin'ny fanombohana hetsika fanentanana ho an'ny Fikambanan'ny fanavaozana Demokratika niaraka tamin'ny teny filamatra hoe: “Sachche ko chune, Achche ko chune” — izay midika hoe “fidio ny marina, fidio ny olona tsara.” Ankoatra ny maha-‘tava’  sy ‘feo’-n'ilay hetsika fanentanana azy dia nahavita dingana iray lavidavitra kokoa i Khan amin'ny nanaovany horonan-tsary sy horonam-peo. Manoratra ny AamirKhanblog:

“Ny orinasa famokarana sarimihetsika an'ilay mpilalao, Aamir Khan Productions, no nanao  ireo hafatra, maimaimpoana. Ny lisitra  ‘A’  niarahan'ny rehetra tao Bollywood nanangana no mivondrona manodidina ity hestika fanentanana ity. Ny loha nijetrika an'izany dia i Prasoon Joshi avy ao amin'ny McCann Erickson, Rakyesh Mehra no tale, Avinash Gowarikar no mpaka sary, ary i Shashi Sinha avy ao amin'ny Lodestar Media, mpandrindra ny fampielezana vaovao momba ny hetsika. Miasa maimaimpoana ho an'io fanentanana io daholo ny rehetra.

Aely amin'ny teny Hindi, Marathi, Gujarati, Tamil, Telugu, Kannada, Malayalam, Bengali, Assamese and Oriya ny fanentanana mba hahamaro ny vondron'olona tratra antso.”

Aamir Khan, izay mpitoraka blaogy ihany koa, dia manaitra ny mpifidy Indiana mba hifidy amim-pahatsiarovan-tena rehefa mandatsa-bato. Hoy izy ao amina lahatsoratry ny blaoginy:

Ho an'ny Indiana rehetra, aza adino ny mifidy, ary mifidy amim-pahatsiarovan-tena. Izany hoe, diniho tsara daholo ny kandidà ao amin'ny faritrao izay vao manapa-kevitra hoe iza no hofidiana.

Maka rivotra any Montana i Khan, nefa raha araka ny heno dia handray fiaramanidina hiverina aty Mumbai izy ary handatsa-bato amin'ny 30 Aprily, andro iray toa zato mitondra ny renivohitra ara-toekarena sy ara-pialamboly indiana ho amin'ny avo.

Ankoatra an'i Khan dia efa maro koa ny mpilalao sy mpamokatra sarimihetsika no nanome maimaim-poana ny fotoanany ho an'ny fandaharan'asa fanentanana sy fampitam-baovaom-pifidianana. Ny mety ho tena mavesa-danja  amin'ireo dia ny fandraisana anjaran'ny orinasa misahana ny fialam-boly amin'na Fiaraha-miombon'antoka tsy andraisam-bola antsoina hoe Jaagore (izay midika “Mifohaza”). Nanao horonantsary fohy ilay fikambanana tsy miankina(ONG), ohatra amin'izany ity iray ity, izay anambaran'ilay mpilalao Sonam Kapoor avy ao Bollywood fa ny  salan-taonan'ny Indiana dia 23 taona nefa ny salan-taonan'ny mpikambana ao amin'ny kabinetran'ny ministeran'ny governemanta dia 62 taona.

Na jereo ity horonan-tsary nataon'ny mpamokatra sarimihetsika avy ao Bollywood, Rakeysh Omprakash, hitenenany fa tany amin'ny fanjakan'i Rajasthan, naharesy tamin'ny fifidianana ny mpanao pôlitika iray tamin'ny elanelam-bato (safidy) iray monja tamin'ny mpifaninana taminy.

mbola ahitànao ity hafatra ity koa ao amin'ny  Global Voices special coverage on Indian Elections 2009

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.