Kolombia: Fitantarana ny fiainana eny ambony kamiao

null

8ruedas logo

Toy ny ahoana ny fiainana rehefa saika eny amin’ny làlam-be foana ny tena? Nanapa-kevitra ny hanao ity andrana ity ilay mpitoraka blaogy Francisco Cárdenas, fanta-daza amin’ny blaoginy Cine al Oído, ary zarainy “en ligne” ao amin’ny 8ruedas. Hitaingina ny kamiaon’i Juan Camilo miaraka amina mpaka sary namany izy mba hijery ny làlana kolombiana sy hamantatra ireo tsiambaratelony, tantara ary “trangam-piainana” mpitondra kamiao mba hamoaka azy ireo amin’ny fotoana tena itrangàny amin’ny alalan’ny horonan-tsary, hafatra twitter sy fampiakarana sary.

Toda la vida, todos los días, hay experiencias que quisieramos asumir como propias. Esta es una de esas. Salir en un camión, agarrar carretera y echarse la vida sobre las 8 ruedas del vehículo al lado de conocidos o desconocidos. Un viaje de una semana larga, por carreteras colombianas, entregando pedidos de cartón (lo que el camionero lleva de carga), emitiendo vía streaming video en tiempo real en una o dos ocasiones por día y recopilando material a ser publicado en diferido cada noche a través de la red. Esa es la intención, simple, arriesgada (?) y sin ningún propósito diferente a pasarla bueno, documentando regiones del país que ninguno tiene por qué conocer de esta manera.

Mandritra ny fiainanay, isan'andro, misy foana ny fanandramana izay tianay ho toy ny hoe anay mihitsy. Iray amin’izany ity. Mitaingina kamiao, mandeha amin’ny làlana ary miaina ny fiainana anatina “cabine”-n’ny fiara valo kodiarana, mipetraka eo akaikin’ny olona fantatra sy tsy fantatra. Dia maharitra herinandro amin’ireo làlam-be Kôlombiana, manatitra baoritra (fa izany no taterin’ity fiarabe ity), aseho amin’ny horonan-tsary in-dray na in-droa isan’andro sady mivingitra fitaovana hahafahana mamoaka amin’ny aterineto isaky ny hariva. Izay no fikasanay, tsotra, feno fahasahiana (?) ary tsy misy tanjona hafa afa-tsy ny hahazo fahafinaretana, mitatitra momba ny faritra izay tsy mbola fantatray tahaka izao.

Ampahany amina stratejia “en ligne” ho an’ny fanombohan-dry zareo”, nullun, ity tetik’asa ity, ary ankoatra an’i Pacho, izay fantatra amin’ny solon’anarana hoe Francisco, nisy olon-kafa koa nanome tànana hanatanteraka ity “aventure” ity. Nanomboka omaly ny andrana, nefa noho ny zavatra tsy nampoizina mahakasika ny asan'ireo mpitatitra dia mbola tsy nanomboka ny diany ry zareo. Mbola miandry ny fiantsoana hiditra sy ny fahavononan’ny kamiao hanao ny fitaterana ry zareo. Nalefa avy any amin’ny toerana nipetrahan’ny mpamily fiara, niandrasany sy nilalaovany karatra ity horonan-sary manaraka ity:

Nampihetsi-po mpitoraka blaogy kolombiana hafa ny andrana. Mitantara ny diany farany niaraka tamin’ny rainy, mpitondra kamiao maty teny an-dàlana indray 15 Martsa fito taona lasa izay, i Jorge Montoya of Fábrica de Cosas :

De Medellín salimos con un cargamento de insumos para una panadería en Sincelejo, y otras cuantas cosas para Barranquilla, pasando por Cartagena. De Barranquilla, parando en Fundación para comernos un platano con queso, fuimos a Valledupar por mangos. Pero a Valledupar también fuimos porque allí se haría la imagen mental que más resalta cuando recuerdo a mi papá: un par de hamacas colgadas debajo del camión parqueado en una estación de servicio, con la brisa del Valle, una botella de ron y un par de tabacos que amenizaban el silencio entre dos personas con la misma sangre pero con poco que contarse. Recuerdos de empatía y vallenato. El ambiente impregnado de vallenato era la regla.

Nanomboka tany Medellín izahay nitatitra fitaovana ho ana fanaova-mofo any Sincelejo, ary zavatra vitsivitsy hafa ho aterina any Barranquilla, mandalo an’i Cartagena. Avy any Barranquilla, nijanona teo amin’ny Fundación mba hihinana “plantain” sy fromazy, dia avy eo izahay nandeha tany Valledupar haka manga. Fa ny antony nandehananay tany dia satria be ny fahatsiarovana mampatsiahy ahy ny raiko: “hamac” roa mihantona ao ambany kamiao, mijanona ao amina tobin-dasantsy, ny rivotry ny sahabe midadasika, tavoahangina “rhum” sy sigara roa izay nanova ho  nahafinaritra ny fahanginana teo amina olona roa iray rà nefa tsy dia manan-javatra hifampitantaràna. Fahatsiarovana “empathy” sy vallenato. Ny rivotra rakotry ny  vallenato no toa tao tsara amin'ny tokony ho izy.

Toa lasa mahazatra io elanelana eo amin’ny mpamily kamiao sy ny fianakaviany io. Mitantara ny fivahavahan’ny fifandraisan’izy sy ny rainy I Carolina, zanakavavin’i Juan Camilo, ato anatin’ity horonan-tsary manaraka ity. Mifampiarahaba am-pitiavana ry zareo, nefa mbola tsy nifampizara tsiambaratelo mihitsy, resaka mitokana na irony fotoana miavaka..

Afaka manaraka io andrana io ianao ao amin’ny tranonkalan’ny 8ruedas, amin’ny fametrahana ny @cinealoido, na fanarahana ny tagy #8ruedas ao amin’ny twitter, amin’ny fisoratana amin’ny Ustream video channel, na amin’ny qik. Efa misy Flickr koa nosokafana mba hahitàna ny sarin’ny dian-dry zareo,  tahaka ity sarin’i Felipe Taborda ity, mpamily kamiao antsoin’ny namany hoe “Internet” satria fantany daholo ny zava-drehetra.

Felipe Taborda -alias "internet" by Cinealoido

Sarin’i Felipe Taborda –solon’anarana “internet”, nalaina tao amin’ny Cinealoido

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.