Madagasikara: mizotra ho any amin'ny fanoloana mpiambina?

Mety hipaka amin'ny kihon-dalana ny krizy eto Madagasikara: ny fiatombohan'ny fiafaran'ny fanjakan-dRavalomanana. raha mbola tsy fantatra mazava hoe iza no tena manana ny fahefana, dia tsapa fa nifidy hiaraka amin'ny ben'ny tanànan'Antananarivo taloha, Andry Rajoelina, ny tafika. Efa eo ambany fifehezan-dRajoelina ny biraon'ny praiministra sy ny fahitalavitra an'ny fanjakana Milaza ny zava-misy arakaraky ny ahatongavan'ny vaovao ny mpanoratra twitter malagasy.

nanomboka ny asabotsy 14 martsa ny tantara, raha nandeha anakany amin'ny birao fiasan'ny praiminisitra Charles Rabemanajara ny praiminisitra nofidian'ni Andry Rajoelina, Monja Roindefo, naka ny birao ary nitantana izany araka ny filazan'i Virginie ao amin'ny twitter. Nanambara ity praiminisitra Monja Roindefo ity fa hatramin'izao dia izy no mitantana ny firenena. Rehefa antoandro dia nanambara i Re_hita fa tonga eo amin'ny kianja 13 may i Andry Rajoelina raha niafina tamin'ny herinandro ary nangataka ny fialan-dRavalomanana(fr).

Ora vitsy taty aoriana dia navoakan'ny sita Topmada ny fanambaran'ny governemanta manitsy fa tsy ny mpanohitra akory no mitantana ny firenena ary nanalafy fa hokarakaraina ny fitohizan'ny dinika eo amin'ny 2 tonta.fr).

Tonga teo amin'ny kianja 13 may ny filohan'ny solombavam-bahoaka, Jacques Sylla, ary niakatra teo amin'ny toerana fitenena nanambara fa i Andry Rajoelina no filoha vaovao hitarika ny firenena(mg).

Tao amin'ny twitter ihany, nilaza i Barijaona fa nanao fanambarana i Andry Rajoelina fa tsy mikendry velively ny ain-dRavalomanana izy ary tsy handefa miaramila eny amin'ny lapam-panjakana misy ny filoham-pirenena mba hialana amin'ny ra mandriaka. Noho izany dia nanamarika i Cyril Vanier fa olona an-jatony maro no mipetraka manoloana ny lapam-panjakana hiaro ny ain'ny filoham-pirenena.

armed-forces-3-11-09

Araka ny voalazan'i Thierry dia nanome adin'ny 4 an-dRavalomanana i Andry Rajoelina hametrahany fialana.

Nandritra izany fotoana rehetra izany dia nilaza i Virginie fa efa nisy nandroba ny lapam-panjakana, foana, satria Ravalomanana efa lasa eny Iavoloha.

Adin'ny 4 taty aoriana, tapitra ny fotoana nomena kanefa tsy niala Ravalomanana. Nanoratra i Thierry fa tsy hanafika ny lapam-panjakana ny miaramila.

Ny alahady, niandry tamim-panahiana ny mety ho tohin'ny tantara ny tontolon'ny bilaogy Malagasy ary tsy nahalala mazava tsara hoe iza no manana ny fahefana.

Nanome soson-kevitra ny amin'ny hanaovana fitsapankevi-bahoaka Ravalomanana mba hialana amin'ny krizy ary nilaza tamin'ireo mpanara-dia azy izy fa “tsy an'ny Malagasy irery ny krizy” (fr).

Nahatsikaritra i Ariniaina fa mbola misy mangalatra ny onjam-pifandraisana an'ny radiom-panjakana.

Nijery ny vaovao voalohany tamin'ny fahitalavitra i Barijaona sy Re_hita taorian'ny nangalan'i Andry Rajoelina izany. Nanamarika i Barijaona tao amin'ny twitter fa na dia nalefa aza ny kabarin'ny filoham-pirenena sy ny fandavany hiala dia notapahina kosa rehefa teo amin'ny fiantsoany hanao fitsapankevi-bahoaka(fr).

Nilaza koa ny vaovao mikasika an'ireo mpiambina ny filoham-pirenena izay nametra-pialana ny omaly ka lasa nanaraka ny tafika. Nilaza ny iray tamin'izy ireo ny handravana, amin'ny fampiasana hery raha ilaina, ireo olona pipetraka ao ivelan'ny lapa. Nanamafy koa ireo mpiambina ireo fa misy mpikarama an'ady sy miaramila ao anatin'ireto olona ireto.

Lova Rakotomalala

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.