Maldives : Tandindonin-doza ny fahafahana maneho hevitra

Male, the capital of Maldives. Image by Flickr user mode (http://www.flickr.com/photos/mashafeeg/397839215/)

Male, the capital of Maldives. Image by Flickr user mode (http://www.flickr.com/photos/mashafeeg/397839215/)

Ny fiandohan'ny volana marsta dia nifankahita tamin'i Frank La Rue mpitondra teny manokan'ny Firenena Mikambana momba ny fahafahana maneho hevitra sy miteny ny filoha vaovaon'i Maldives, Mohammed Nasheed. Nandritra ny fihaonana dia nilaza i Nasheed fa manaiky tsara ny fahafahana maneho hevitra ny governemanta ary nolazainy koa fa hataony fialofan'ireo mpanoratra voatery mitsoaka tahaka an'i Birmanie i Maldives. Kanefa tato anatin'ny herinandro izay dia tsapan'ireo mpanoratra Maldiviana fa mihatery ny fahafahany miteny taorian'ny namoahan'ny governemanta didy hanakatona siteweb maromaro sy bilaogy iray.

Ny volana oktobra 2008 dia ambony be ny taham-pahavitrihana tamin'ny fifidianana mana-tantara nataon'ny vahoaka Maldiviana – fifidianana voalohany nandraisan'ny antoko pôlitika maro anjara tao amin'ny firenena – izay niteraka ny governemanta demôkratika voalohany voafidy. Resin'i Mohammed Nasheed, gadra taloha tao amin'ny lisitry ny Amnesty International, tamin'ny fihodinana faharoa i Mumoon Abdul Gayoom izay nitondra ny firenena nandritra ny 30 taona hatramin'ny volana novambra 1978. Marobe tamin'ireo antoko pôlitika resy tamin'ny fifidianana voalohany no nanohana an'i Nasheed – mpanao gazety sady mpanoratra fanta-daza – nandritra ny fihodinana faharoa, ary nanatena ny hahazo anjara mofomamy aorian'ny fanangana ny governemanta vaovao. Nandritra ny fananganana azy ity anefa dia teraka tao ny Ministeran'ny Raharaha Silamo ary notarihan'ny antoko Adhaalath, izay antokom-pivavahana mandala ny nentin-drazana ary mpikambana ao amin'ny “fampiraisana” tonga teo amin'ny fitondrana. Io Ministeran'ny Raharaha Silamo io no manapan-kevitra hoe iza no sita hakatona.

Na dia tao amin'ny lisitra voakatona aza ny sita momba ny sary mamoa fady dia tafiditra tao koa ny sita momba ny kristianisma ary sita iray momba ny silamo, izay mahatonga ny fanahiana fa izay sita rehetra milaza fivavahana ary manolotra zavatra hafa ankoatry ny an'ny Ministeran'ny Raharaha Silamo dia voatondro avokoa. Ankoatr'izay dia ny fandrarana ny Random Reflexions, izay bilaogy ho an'ny daholobe, nosoratan'i Simon, izay bilaogy hiresahana zavatra samihafa sy ny olana maro, no mitarika ny vahoaka Maldiviana hametram-panontaniana mikasika ny fahalalahana maneho hevitra any an-toerana.

Mieritreritra ilay mpitoraka bilaogy Shaari fa tokony hisokatra ho an'ny fifanakalozana madio ny Internet ary mampirisika ny amin'ny fandeferana:

Andro mampalahelo ho an'ny demokrasia izao.

Mino ny finoana silamo aho kanefa tsy hary hitovy amiko daholo ny namako akaiky ahy. Manana ny heviny amin'izay tsy hivavahany izy ireo ary tsy mampaninona ahy izany. Na izany aza anefa dia tokony hitohy ny ady hevitra momba ny finoana sy ny siansa satria madio izany ary mamaritra ny fomba fieritreretan'ny olona ny fanekena sy ny fandeferana.

Ho an'ilay mpitoraka bilaogy, Thadu, dia manova ho Intranet ny fanakanana ny sita Internet

Ohatry ny hoe miezaka manova ny Internet ho Intranet ny Ministeran'ny Raharaha Silamo. Ary izany fiezahany hanova izany dia manakana ny ezaka rehetra sy ny asa sarotra efa vita hatramin'izay, ary mbola tohizan'ny olona sasantsasany izay manantena hampisy ny demôkrasia marina any Maldives. Firenena 12 no tondroin'ny Reporters sans Frontières fa fahavalon'ny Internet. Ary raha mbola manohy ny fomba eritreretiny hiarovana ny vahoaka koa ny Ministeran'ny Raharaha Silamo dia ho tafiditra ao anatin'ny lisitra tsy ho ela koa i Maldives ary hanafoana ny asa efa natomboky ny maro izany.

Taorian'ny fandrarana izay nahazo ny bilaogin'i Simon dia nofoanana izany fandrarana izany rehefa avy nanantona ny manam-pahefana momba ny fifandraisana tao Maldives izy. Hoy ny teniny:

Miombon-kevitra amin'i Nasih aho fa indraindray ny zavatra soratako dia mifanohitra amin'ny lalàna voasoratra ao amin'ny Lalam-panorenana. Kanefa kosa miteraka ady hevitra izany. Ny fomba fijerin'ny sasany momba ny fivavahana Silamo dia tsy mitovy amin'ny fijerin'ny hafa. Samy manana ny fandraisany azy io. Azoko atao ohatra ny miteny hoe mifanaraka amin'ny fomba fivavahana Silamo ny fivarotana zava-pisotro misy alikaola. Dia inona no hitranga?

Na izany na tsy izany dia nanao fifampiraharahana aho. Nekeko ny hiverina amin'ireo zavatra nosoratako ary hijery ireo efa naparitaka ka nahatonga izao fanahiana izao. Niverenako nojerena daholo ireo soratra nosoratako ka efa noraisiko ho andraikitra izany. Ary raha sanatria ka mbola mahita zavatra mifanohitra amin'ny lalàna ihany ny CAM na ny Ministeran'ny Raharaha Silamo dia afaka manantona ahy mivantana izy ireo.

Kanefa raha manakana ny bilaogy izy ireo dia hentiko eny amin'ny fitsarana ny raharaha.

Isaorako etoana ireo bilaogy rehetra tsy mankasitraka izao faneriterena ataon'ny governemantan'i Nasheed amin'ny sita sy ny bilaogy izao. Mba ho tonga lafatra dia heveriko fa tsy misy sita tokony hakatona na dia iray aza ary tsy tokony hisy olona hiray tsikombakomba haneritery ny fahalalahana maneho hevitra.

Mbola mitohy ny fanakatonana sita ao amin'ny internet ary hatramin'izao aloha dia mionona amin'ny hevitra voasivana momba ny demôkrasia ny vahoaka Maldiviana.

Saffah Faroog

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.