Bahrain: Napetrak'ilay mpisolovava ho toy ny “revy tsy manimba” ny fanolanana

Nanintona ny sain’ireo mpitoraka bolongana sasany ao Bahrain ny raharaha fitsarana mahakasika fanesorana tsy nahitana porofo sy ny fanolanana vehivavy iray, satria napetrak'ilay mpisolovava vehivavy ho toy ny “revy tsy manimba” ilay heloka.

Niteny ny mpahay lalana antsoina hoe Fatima Al Hawaj fa tokony ahafahana ireo tanora lehilahy anankitelo izay noampangaina fa naka an-keriny sy nanafika Filipiana iray, satria mantsy “fanalana azy” no antony nahavitany ny herisetra, fa tsy hoe efa tao anatin’ny eritreriny tanteraka ny hanatanterka izany. Tohina tokoa I Coolred, Amerikana

Lasa eritreritra aho hoe sao dia efa manao ny tenanany ho tafiditra ao anatin’ny fanolananan-jiolahy ary ity mpisolavava mpiaro antsoina hoe Fatima AlHawaj ity ary amin’izay koa mbola mamoaka ny filozofy manao hoe……”ilay izy anie ka ditra fanalan’azy tsy dia nampaninona akory e”? Ary manontany tena koa aho hoe efa mba nolazainy ve raha olona Bahrain mitovy aminy no tratran’ny herisetra fa tsy hoe ny olona Filipianina ambany saranga izay matetika no voasokajy anatin’ny “olona atao filana” ho an’ny Arabo izay iasany na eo manodidna azy?

Nomarihako ny fisehon-javatra fa ny “tanora” voalaza eto anie ka 19, 20, 21 taona e…… Te ahafantatra aho hoe fa maninona foana no faritana an-taratasy ao anatin’ny sokajy misy ny tanora/zatovo ny taonan’ny LEHILAHY toy izao rehefa avy nahavita herisetra mahamoa fady? [….] Fanamarihana farany … ho an’ny vehivavy miaro ny lehilahy toy izao … ny vehivavy mpisolovava toy itony … na ireo izay miventy fa “ditra tsy nampaninona akory izany”, na ny fihevitra mahazatra fa “ny lehilahy anie ka lehilahy foana e” dia tsy ho voafongana mihintsy ary ny zavatra ampiharin’izy ireo dia mampibaribary tanteraka ny fisehony …. Fantatra fa herisetra manohatra ny vehivavy izay tsy ampiambahambana no ilazana fa nanova ny fiainany ary tsy ho adinony mandrakizay … kanefa sahiko mihintsy no milaza … fa raha sanatria moa ka tsy nahavita namantatra ireto “lehilahy” ananki-3 ireto ity ravehivavy dia efa very am-bozona ny fitadidiana ilay ditran’ny alina tsisy arakaraka, ka hatory am-pilaminana tokoa izy ireo amin’izany.

Tezitra mafy ihany koa I Maldita, Filipianina mipetraka ao Bahrain, izay mamaham-bolongna ao anatin’ny Saving The World Together:

Amin’ny fomba ahoana kosa moa no ilazana fa “DITRA TSY MAMPANINONA” ny fanolanana sy ny fandroban’ireo jiolahy? Ekena, mety nataon’izy ireo izany nohon’ny tsy fisian’ny fandanian’andro tsaratsara kokoa izay afaka mametra ny eritreritra ananan’izy ireo hanao herisetra. KANEFA TSISY AZO IALANTSINY mihintsy ny mibeda vehivavy eny an-dalambe eny ho entina anamanitra ny filan’ny vatana!

Marina aloha fa manao adalana matetika ny tanora – betsaka no manandrana mangalatra eny an-tsena, ny sasany maneho hatezerana nohon’ny fitohanan’ny fifamohivoizana, ny sasany manjary mifoka rongony. Ny miseho araka ny mahazatra dia herisetra madinidika no ataon’ireo tanora izay matetika no miafara amin’ny fandroahana masiaka ataon’ireo mpitaizan’azy ireo na miafara amin’ny fampijaliana an’izy samy izy. Ny fitaizana ratsy nomena ny olona iray no nitarika azy hanao zavatra goavana toy izany. Io no manery ireo tsy manantsiny handeha ho any amin’ny fiainana fantany fa metimety aminy. [..] Raha tena nanao ireo zavatra iampangana azy ireto zatovo ireto, dia hita ho mampalahelo fa ny fiainan’ny vehivavy ankehitriny mihintsy no atahorana manoloana ity toe-javatra maharikoriko ity… ary azo antoka ny mbola hivezivezy amin’ny fomba malalaka ireo mpihaza azy kanefa tsy hijinja akory izay nafafiny rehefa avy eo.

Aza avela hanomboka ny hiaka ho an’ny fanavakavaham-bolo-koditra anefa aho.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.