Myanmar: Fanesorana ny vola nivoaka tamin’ny 1987

Nanao lahatsoratra lava dia lava mahakasika ny fanoloana vola toy ny “25 Kyats” “35 Kyats” sy ny “75Kyats” tamin’ny 1987 ny mpamaham-bolongana Niknayman,antony nahatonga ny fitokonana tamin’ny taona 1988 taty aoriana.

Tamin’ny 5 Septambra 1987, teo ambanin’ny fitondran’ny Jeneraly Ne Win, no nosoniavin’I Sein Lwin, Sekreteran’ny Filan-kevitra Itambarana ny fanomezan-dalana manafoana ny vola taratasy ampiasain’ny The Bank of the Union of Myanmar (Bankin’ny Firaisan’I Myanmar), ireto avy izany: 25 Kyats, 35 Kyats, 75 Kyats.

Nanoratra I Niknayman:

Asabotsy ny andro tamin’io 5 Septambra io. Tamin’ny 11 maraina no nanambaran’ny Radion’ny Myanma ny fisintonana ny vola taratasy. Koa satria moa Asabotsy ny andro, dia mba nivoaka eny dalambe ny vahoaka hitsiditsidika toerana, hamangy namana na koa hoe mba mivoaboaka miantsena kanefa nanjary gina fotsiny teo noho eo ry zareo rehefa naheno ny filazana tamin’ny radio nefa anie efa mba nanomakomana ny androny hifanaretsaka any ivelany any ry zareo. Tao anatin’ny adiny roa dia samy tsisy nahahetsika ny tsirairay. Nanjary foana tanteraka ny arabe, ohatrin’ny hoe nisy tody goavam-be nianjera avy tany.

Taorian’ny fisintonana ireto vola taratasy ireto, dia navoaka ny vola taratasy 45 Kyats sy ny 90 Kyats. Kanefa tsy nandray hetsika ny hanakalo ireto vola taratasy izay nofohanana ny governemanta.

Zara mira amin’ny isa 9 ny vola taratasy (45Ks sy ny 90Ks), ary io isa 9 io dia isa misy vintana ho an’I Jeneraly Ne Win. Napetraka tao anatin’io vola taratasy vaovao io ihany koa ny sarin’I Sayar San sy Thakhin Phoe Hla Gyi (Revolisionista Burnmese roalahy nandritra ny andron’ny fanjanahan-tany), nasolo ny sarin’ny Jeneraly Aung San (sary izay hita ao anatin’ireo vola taratasy 3 efa tsy manankery intsony).

currencyKyat Myanmar. Sary avy amin’ny pejy Flickr an’ny shnnn Myanmar Kyat.

Nanoratra I Niknayman momba ny heritreritra ketraka ao anatin’ny vahoaka sy ny olom-pirenena:

Maty antoka tanteraka ireo olom-pirenena mahantra, ireo izay anatin’ny fari-piainana antonony, ny mpiasa fanjakana, ny orinasa tsy miankina satria ny antony dia noho ity fanafohanana vola ity raha toa ka etsy andaniny ny olona sy ny fianakaviana sasany izay naira-miasa akaiky tamin’ny governemanta sy ny fianakavianan’ny ministera no nampahafantarina izany mialoha taty ambadika, ka tamin’izay fotoana izay dia nandeha nanakalo ny volan’izy ireo mialoha tamina volamena sy firavaka aloha ry zareo, naton’izy ireo koa ny fividianana mialoha ny vary, ny menaka fahandro sy izay kojakoja an-dakozia ary nitahiry izany. Ireo izay olon-tsotra ao amin’ny firenena no mijaly amin’ny vokatry ny fisintonana ity vola ity.

Mpianatra tanora iray tonga (tao Yangon) avy any amin’ny faritra manerana ny firenena sy mipetraka amin’ny tranon’ny mpianatra dia misedra ny fahatapahan’ny vatsy ara-bola avy amin’ny ray aman-dreniny, ary mijaly amin’ny fandoavana ny saram-pianarana sy ny hofan-trano. Hita fa fandrobana ny vahoaka sy famoronana olana ho an’ny mponina sy ny mpianatra ity fanesorana tanteraka ny vola taratasy tsy nahitana fanazavana mivaingana ity. Noho ireo antony ireo dia namaly ny hoe fa maninona ny olona sy ny mpianatra no tsy mankasitraka mihintsy ny fitondran’ny Jeneraly Ne Win, koa avy eo dia nandray anjara mavitrika tamin’ny Revolisiona 1988.

Ny resaka voalaza ao anatin’ny lahatsoratra dia dikan-teny nataon’ny mpanoratra. Ny resaka voatonta voalohany dia nosoratana tamin’ny teny Birmana.


Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.