Miray hina ny mpamaham-bolongana Ejipsiana miatrika ny fampihorohoroana

Nanoratra I Eman AbdElRahman hoe ahoana re ny fihetsika asehon’ny tontolon’ny famahanam-bolongana Ejipsiana manoloana ny daroka baomba tao Al Hussein tamin’ny 22 Febroary izay nahafaty mpizaha tany Frantsay ary nandratrana olona mihoatra ny 20 isa. Te hiresaka ho androany mikasika ny vondron’ny mpamaham-bolongana Ejipsiana sy ny fanapaha-kevitr’izy ireo hiady manohitra ny fampihorohoroana.

Nanoratra fanasana ao anatin’ny bolongany i Spring:

إحنا المصريين بنحب بعضنا و بنحب بلدنا. شايفين اللي حصل في الحسين من كام يوم؟ حركة خايبة آخر حاجه. تيجوا ندعم بلدنا و نبين للعالم اننا بنحبها؟ تروح كلنا للحسين يوم الخميس الجاي. غالبا كل اللي هايقرا الكلام ده هايوافقني ، ماحدش هايرفض الا اللي عايزين خراب البلد ..أيوه لازم كلنا نروح هناك ، نصلي في الحسين ، نقعد على قهوة و نشتري حاجه من خان الخليلي ، ننفع الناس يعني و نحيي المكان .. لازم كلنا نلبي الدعوة ، دي مصر اللي بتدعينا. ها قلتوا ايه؟ خلوا معادنا مع مصر يوم الخميس خراب مصر مش هانسمح بيه أبدا.خمسين مليون مصري في الحسين يوم الخميس
Mifankatia izahay Ejipsiana ary feno fitiavana ny firenenay izahay. Mba fantatrao ve hoe, inona no nitranga tao Al Hussain andro vitsivitsy lasa izay? Fihetsika feno adalana! Andao isika hanohana ny firenentsika ary hampiseho an’izao tontolo izao hoe hatraiza ny fitiavantsika ny firenentsika. Andao isika hanao rodobe ho any Al Hussain amin’ny Alakamisy. Mino aho fa maro amin’ireo izay mamaky ity lahatsoratra ity no miaraka amiko afatsy hoe angaha ireo izay mitady an’I Ejipta hikoroso fahana. Eny…Isika rehetra mihintsy no tokony mankeny, hivavaka ao amin’ny moske manantantara, hipetrapetraka eny amin’ny toeram-pisotroana kafe, hividy zavatra eny amin’ny Khan El Khalili, andao ampiantsika ny mpivarotra ary omentsika aina vao indray ny toerana…. Ilaina ny fankatoavantsika ny antso satria I Ejipta malalantsika no miantso ato amintsika. Ka ahoana hoy ianao? Vonona ve isika amin’io Alakamisy io? Tiako ny hahitra Ejipsiana miisa 50 tapitrisa ao Al Hussein amin’ny Alakamisy ho amin’ny fanasoavana an’ny Ejipta ihany.

Io vondrona mpamaham-bolongana io ihany no mamorona ny ekipa Facebook mba anapariahana ity hafatra ity.

Vondrona mpitoraka bolongana hafa izay manome azy tenany ny anarana hoe 14 February Movement who put Egypt First (hetsika 14 Febroary mametraka an’I Ejipta ho vaolohany) no nanomboka ny fanapahan-kevitra hafa izay niseho tamin’ny 1 Marsa. Fanehoana entina ho an’ny mpizaha tany ny tanjon’ireo voninkazo izay natolotra ny tsirairay avy tamin’izy ireo manao hoe arabaina ny fahatongavanareo eto Ejipta.
Afaka hitanao eto ny Sarin'ny zava-nitranga ary ny horonantsary kosa dia eto:

Toy izao ny teny farany:

في حب مصر إلتقوا هؤلاء الشباب وإنتشروا في منطقة الحسين فكانوا كالورد يفووحون روائح طيبة بعثت النشوي ف أصحاب البازارات والبسمه في وشوش السياح والطمأنينه في قلوب رجال الشرطة المتوجسين خيفه من أي تجمع حتي ولو كان بالشكل الذي فعلوهي نفوس المصريين
Amin’ny anaran’ny fitiavana an’I Ejipta, dia nandeha namangy ny toerana Al Hussen ireo tanora mpamaham-bolongana sy ireo mpikirakira ny Facebook mizara voninkazo sy tsikitsika mahate ho tia miarahaba ny mpizaha tany. Aparitak’izy ireo eo anivon’ireo tsena an-dalambe ny hafaliana, hasambarana no hita eny amin’ny endriky ny mpizaha tany, fanohanana sy fahandriampahalemana no milentika ao am-pon’ireo polisy vonona lalandava.


Share This Share this article

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.